The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Cyber-Activism Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Cyber-Activism

2008-09-10

Maraoka: Mpitoraka blaogy nosamborina, avy hatrany dia voasazy

Androany maraina (Alatsinainy 8 septambra 2008), navoakan'ny tranonkala mpampahalàla vaovao Hespress [amin'ny teny Arabo] fa nosamborina tany an-trano fonenany tao Agadir ilay mpitoraka blaogy Mohammed Erraji.Lahatsoratra iray momba ny Hespress nosoratan'i Mohammed Erraji [amin'ny teny Arabo]no toa niaingan'ny fisamborana, nefa samy tsy nisy nanamarina, na ilay fisamborana, na ny fifandraisana ...

2008-09-09

South Africa

Bay Tsimane no mamaham-bolongana avy any amin'ny Fihaonamben'ny olom-pirenena mampiasa fitaovan-dahatrisa (niomerika) tontosaina any Indaba, Afrika Atsimo amin'izao fotoana izao: “Tamin'ity taona ity ny Digital Citizen Indaba (DCI) dia nampiseho tamin'ny fomba mamelombelona sy tamin'ny alalan'ny fanehoana an-tsary ny fanovana ny fiainam-piaraha-monina entin'ny haitao finday tahaka ny MXit, finday iray  fanaovana karajia. “

Haiti

jmc strategies no niteny fa “Tafapetraka amin'ny fomba ofisialy ho Piraiminisitra Haisiana hajaina izao i Michèle Pierre-Louis…Hanokatra Toko amin'ny fanamby lehibe indrindra hatrehin'i Haiti amin'ity taompolo ity :Ny fanorenana indray taorian'ny fandravana nisesy nataon'ireo rivodoza Fay, Gustav, Hanna ary Ike.”

Sudan ,
U.S.A.

“Lazao anay izay teti-panoronareo amin'i Darfur!” dia vondrona Facebook iray, mampivoitra ny fiangavian'ny olo-tsotra amin'ireo mirotsaka hofidiana no filoha dia Atoa McCain sy Atoa Obama hanana paika manokana momba an'i Darfur tokony hozakaina rehefa mitondra raha tarafina avy amin'ny efa fidiran'i Etazonia antsehatra any amin'ity faritra ity…

2008-09-07

Oman:Ramadany hafa kely

Hisaina angamba ianao hoe ny tontolon’ny fitorahana bolongana avy aty Oman tao ho ato dia nifantoka betsaka tamin’ny resa-pivavahana sy ny iray volana masin’ny Ramadany, nefa somary mahazendana ihany fa betsaka amin’ireo hafatra no tsy misy ifandraisany velively amin’ny Ramadany. I Muscat Confidential mpitoraka blaogy mpandranitra [amin’ny teny anglisy] dia ...

2008-09-06

Iraq

“Nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty azy tao anatin'ny 30 mn, nihoatra ny 50 ny fikasana hipiraty ity bolongana ity. Izany no nitranga tao anatin'ny 4 andro izay raha nanodidina ny 3 isan'andro teo ho eo. Izany hoe mahatratra 150 ny fiezahana hipiraty azy isan'andro. Hmmmm….Te-hahafantatra izay antony aho,” hoy ny fanontaniana'ilay mpamaham-bolongana Irakiana Layla Anwar.

2008-08-26

Shina : Androany no entina eny amin'ny fitsarana ilay raharaha namonoana mpitandro filaminana

Olympics
Androany no hatao ny fitsarana an'i Yang Jia, rehefa nahemotra noho ny lalao olympika. Niditra tao amin'ny tobin'ny mpitandro filaminana ao Shangai izy tamin'ny volana iny, ary namono mpitandro filaminana 6. Araka ny voalaza dia noho ny tsy fahamarinana nataon'ireo mpitandro filaminana sy ny herisetra nataon'izy ireo tamin'ny Yang Jia ...

2008-08-20

Iran

Araka ny nolazain‘i Kourosh Ziabari dia naverin'ny Yahoo mail ao amin'ny lisitry ny firenena ao amin'ny takelaka fisoratana anarany i Iran rehefa nalany tao nandritra ny volana maromaro.

2008-08-15

Cote d'Ivoire

Mikasa hikarakara “Blogcamps” ao Abidjan [Fr] i Théophile Kouamouo, mba hihaonan'ireo mpitoraka blaogy any an-toerana, hifampizarany ny traikefany sy hampianarana izay liana amin'ny fitorahana blaogy.

Fikirizana ny mpitoraka blaogy iray hanampy any Baby Kamba

Rising Voices
Raha miezaka ianao manaraka vaovao momba an'i Madagasikara, dia angamba mamaky matetika ny Madagascar Tribune. Ary raha manana abonnement ianao, dia namaky angamba vaovao nosoratan'i Herimanda R momba ny fandidiana tsy dia fanao ary vita soa amantsara nataon'ny departmantan'ny neorochirurgie teo amin'ny hopitaly Ravoahangy tamin'ny fahafolon'ny volana Jiona. Erintaona i ...