2009-11-03
Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]
Anio, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [Feo voarahona] ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manaramaso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika.
2009-10-28
Israely: Horonantsary maneho ny olan'ny fanakatonana ireo sisintanin'i Gaza
Eo amin'ny tontolon'ny blaogy Israeliana, tsy dia tsapantsika loatra hoe misy mihaino na dia tsy misy miteny aza, izay no nitranga tamin'ny fanombohan'ny sarimihetsika fohy antsoina hoe “Closed Zone.” Sarimihetsika maharitra 90 segondra momba ireo faritra fivezivezena nohidiana any Gaza, “Closed Zone” izay efa in-31.600 nojerena ary ...
2009-10-27
2009-10-18
2009-10-14
2009-10-11
Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon
Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.
2009-10-08
Maraoka: Rehefa tsy sivana dia fandraofana
Nanoritra ny làlany teo amin'ny tontolon'ny blaogy ilay kisarisary
Ny minisitry ny Atitany Maraokana dia nanapa-kevitra ny hitory ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny Arabo Akhbar Al Youm noho ny famoahana sariitatr'ilay Printsy vao nanambady, Moulay Ismail. Tao amina fanambarana ofisialy, no namaritan'ilay minisitra ilay sariitatra ho “manimbazimba ny ...
Indonezia: mavesatra ny tarehimarika vokatry ny horohorontany
1 100 no maty tany Indonezia, izay no vokatra farany voaray (alakamisy hariva), ary mbola manohy ny fikarohana ireo mpamonjy voina mitady ireo olona an'anarivony maro tototra any ambany korontana any.
24 ora taorian'ny horohorontany da mbola tsy misy jiro ny tanànan'i Padang ary mbola sarotra ny fifandraisana an-tariby:
andrepramana @luckytriakbar belum ...
2009-09-30









