The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Cyber-Activism Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Cyber-Activism

2008-07-19

Brazil

Hélio Paz [pt] no miantso ny rehetra handray anjara amin'ny filaharambe ampilaminana hitakiana ny hanadihadiana ny filohan'ny Fitsarana Tampony Atoa Gilmar Mendes ahiahiana ho nanao kolikoly . “Hataontsika ho faharoa tafiditra amin'ny tantara taorian'ny fihetsiketseha-mpanoherna tao Porto Alegre ity raha ity”. Hanomboka amin'ny folo maraina ao Brique da Redenção ity famoriam-bahoaka ity anio Sabotsy  19/07.

2008-07-14

Bahrein: Fanandratana ny vondrom-bolongana miteny arabo iray

Maro amin'ny mpamaham-bolongana any amin'ny tontolo  Arabo no mampiasa ny tahalam-bolongana miteny arabo tahaka ny  Jeeran sy ny Maktoob, hany ka nihoatra ny sisintanim-pirenena maro ny fivelaran'ny tontolony. Mpamaham-bolongana Bahrainita malaza iray, Shaima Al Watani, no mankalaza ny tsingerintaona voalohany nidirany tao amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpamaham-bolongan' i  Jeeran. Shaima, izay manana ny bolongana antsoina hoe ‘Scattered clippings‘, ...

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany

Tohiny Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fiokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia ...

2008-07-12

Shina : Andao hanao paompy e ! (ala vokona)

Mba fantatrareo moa hoe nahoana no lasa mankafy manao paompy –ala vonkona – aok’izany ny Shinoa anarivoarivony ? Ary tsy mahazo mihoatra ny intelo anefa? Tsy misy resaka lalao olaimpika. Misy ambadika politika ao no antony tokana mahatonga izany.

2008-07-09

Jordana : Nametraka hafatra tamin'ny vohikala i Abdallah mpanjakan'ny Jordana

Tamin'iny faran'ny herinandro lasa teo iny, dia nametraka hafatra roa tamin'ny vohikala i Abdallah faha-II mpanjakan'ny Jordana : tao amin'ny gazety Ad-Dustour (teny Arabo) any Jordana, sy ho valin'ny lahatsoratra napariaky Naseem Tarawnah tao amin'ny The Black Iris [Voamaso mainty]. Ireo hafatra ireo dia tohin'ny tafatafa malalaka vao nifanaovan'ny mpanjaka tamin'ny gazety tany an-toerana izay nanolorany ...

Czech Republic,
U.S.A.

The Reference Frame no manoratra ny soniam-pifanarahana misy eo amin'i Etazonia sy ny Repobilika Tsheky momba ny hametrahana radara any - ary manamarika fa “ao amin'ny  mpampiasa aterineto , 3/5 amin'ny olona nomanaiky ny hisian'ny radara.”

2008-07-08

Shina: Sarkozy ve no fototry ny olam-pifandraisan'i Shina sy Frantsa?

Tohiny 'Fahafahana , Fitoviana, Firahalahiana, mba teny mambabo fo loatra lahy izany! Raha izany ary nahoana no mbola misy lonilony eo amin’i Shina sy Frantsa?'

2008-07-07

Palestina : Nomena loka, avy eo nampijaliana ny mpanao gazety Mohammed Omer

Tohiny I Mohammed Omer dia mpanao gazety mbola herotrerony avy o Rafah, any Gaza. Vao herinandro maromaro lasa izao dia nahazo ny loka "Martha Gellhorn Award" izy noho ny fanadihadiana nataony mikasika an'i Gaza, raha vao 24 taona monja. Tamin'ny fiverenany nefa dia notazomin'ny Shin Beit i Omer, ary tapak'andro taorian'io ...

2008-07-01

Vovonàna GV : Tanteraka koa ny andro faharoa !This is a Photos post

Raha nifantoka amin'ny fisoloam-bava sy fivoizana hoan'ny fahafaham-pitenena'ireo mpiblaogy ny Andro voalohan'ny vovonàna Global Voices, androany kosa dia mifantoka bebe kokoa amin'ny raharaha anatin'ny Global Voices, miaraka amin'ny fampahalalana ireo tetikasa hafa miara-dia aminy dia ny Rising Voices [Fanandratana ny feon'ireo izay tsy re] sy Lingua [dikateny GV, tafiditra ao ny Malagasy amin'ny alalan'ity ...

2008-06-30

Vovonàna GV : Tena lafatra ny andro voalohany !This is a Photos post

Raha izay fahitanay azy dia tena lafatra ny andro voalohan'ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices izay tanterahina any Bodàpestà, any Hôngria (mazava ho azy fa tsy arakay maso daholo izay antsipirihan'ny fikarakarana rehetra). Nanomboka tamin'ny teny fampidirana avy amin'i Ethan Zuckerman sy Rebecca MacKinnon izay namorona ny Global Voices, ny andro voalohany, izay nisaorany ...