Tantara farany mikasika an'i valan-dresaka
15/12/2012
Inona No Nitranga Nandritra Ny WCIT-12: Resadresaka Niarahana Tamin'i Beatriz Busaniche

Vao avy nifarana tao Dubai, ao Emirà Arabo Mitambatra ny Kaonferansa Momba Ny Fifandraisan-davitra Iraisam-pirenena (WCIT), fivoriana notohanan'ny Firenena Mikambana. Taorian'ny fifampiraharahana henjana nandritra ny roa herinandro, tsy nisy nipika ny ankamaroan'ny...
08/12/2012
Miantso Fanairana Ny WCIT: Fotoana Hamelarana Ny Adihevitra Momba Ny Fitantanana Ny Aterineto

Nivory tany Dubai ireo mpitondra manerana izao tontolo izao tamin'ity herinandro ity mba hamonjy ny Kaonferansa Manerantany Momba ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena (WCIT), ary miankina amin'izay vinavina hiseho, mety hisy voka-dratsy eo amin'ny...
10/11/2012
Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.
08/03/2012
Mametraka Lalàna Fanaraha-maso Mampiahiahy i Meksika

Nametraka lalàna fanaraha-maso ankehitriny ny mpanao lalàna Meksikana , izay nanome fahafahana maimaim-poana tsy ilàna didy avy amin'ny fitsarana ny mpitandro filaminana hiditra amin'ny fanarahana ny misy ny olona iray ara-jeografika. Saika ny maro mihitsy ny nanaiky tanteraka io volavolan-dalàna io tamin'ny vato mpomba 315, mpanohitra 6 , ary tsy naneho hevitra 7. Nalefa tany amin'ny filoha izany mba ho ankatoaviny.
09/01/2012
Ireo Teboka Lehibe Avy Amin'ny Kaongresy faha-28-n'ny “Chaos Communications”

Ny Chaos Communications Congress dia fihaonana isan-taonan'ny antsoina hoe Chaos Computer Club ao Alemaina, fikambanana isan'ny tranainy indrindra ahitàna ireo hacker eran-tany.Ilay fandaharanasa dia mampivady ireo resaka ara-teknika eo amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny rindrambaiko malalaka amin'ireo resaka mikasika ny zo ny ny 'hacktivism' ety anivon'ny aterineto.
02/11/2011
Nampiantrano ny Valan-dresaka Iraisam-pirenena Mikasika Ny Momba Ny Tena Manokana Sy Ny Fahalalahana Maneho Hevitra i Meksika

Ny firohotana The Public Voice dia nampiantrano valan-dresaka iraisam-pirenena tao an-tanànan'i Mexico ny 31 Oktobra 2011, ary nanasàna ny rehetra mba handray anjara tamin'izany fifanakalozan-desaka izany sy hiserasera amin'ireo mpamelabelatra.






























RSS ho an i valan-dresaka 



Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa