· Febroary, 2014

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2014

Los Inestables: Jery todika Ny Lasa, Miroso Ho Amin'ny 2014

Rising Voices  28 Febroary 2014

Nanatontosa lanonana farany taona tao an-tanànan'i Córdoba, ao Arzantina ny tetikasa nahazo vatsy 2013 tamin'ny Rsing Voices, ka nanatontosa fandraketam-peo ny sasany tamin'ireo mpandray anjara ary nizara izay fahaizana noratovin'izy ireo nandritra ny taon-dasa sy ny fanantenan'izy ireo amin'ny taona hoavy.

Mbola Tsy Nisoratra Anarana? Ampidiro Ny Bilaoginao Amin'ilay Fifaninanana BilaogyTsara Indrindra (Bobs)

Rising Voices  28 Febroary 2014

Misokatra indray hoan'ireo bilaogera manoratra amin'ny teny efatra ambinifolo isan-karazany sy sokajy marobe ny fifaninanana fanao isan-taona karakarain'ny Deutsche Welle. Ny fifaninanana - Best of Online Activism (Fikatrohana Antserasera Tsara Indrindra) - dia mikendry hampiroborobo ny fahalalaham-pitenena sy ny fanajana ny zon'Olombelona ao amin'ny Aterineto sy manerana izao tontolo izao.

GV Face: Ankoatra ny Gangnam Style – Ny Fanapenam-Bava Sy Ny Mozika Pop Koreana

GV Face  28 Febroary 2014

Nantsoina hoe “fanondranan'entambarotra lehibe indrindra” ao Korea Atsimo. Lahatsary be mpijery indrindra ao amin'ny Youtube ny hira K-pop Gangnam an'ny PSY. Saingy ambadiky ny rendrarendra sy ny karama misavovona, tsy fahafinaretana avokoa izany rehetra izany rehefa manao ny asany ireo mpanasivana ao Korea Atsimo. Miresaka amin'ilay mpamoaka lahatsoratra amin'ny teny...

Lalao Olaimpikan'ny Ririnina Any Sochi

28 Febroary 2014

Niresaka momba ny Lalao Olaimpikain'ny Ririnina faha 22 mialoha ny hanombohan'ny lalao tamin'ny 7 Febroary 2014 ny aterineto Rosiana. Fantatray tamin'ny alàlan'ireo mpitoraka bilaogy Rosiana izao fa ity no lalao Olaimpika lafo indrindra teo amin'ny tantara. Tsy gaga izahay raha toa ka niala ny iray amin'ireo boribory dimy famantarana ny...