· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Marsa, 2012

Ghana: Ampiasaina Ny Fifampitam-baovao Antserasera Mandritra Ny Fifidianana 2012

  31 Marsa 2012

Efa vonona ny Ghaniana hiatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka izay hotontosaina amin'ny 7 Desambra 2012, nampahafantatra ny fanapahan-keviny miompana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ny fikambanana BloggingGhana izay mikendry hampiofana ireo mpanohana ny fifidianana amin'ny fampiasana ireo fitaovana amin'ny fifampitam-baovao antserasera ho fanaraha-maso sy ho fitaterana ny fizotry ny fifidianana. GhanaBlogging dia vondrona mpamahana bolongana ao anatiny/ivelan'i Ghana izay...

Bahrain: Mibitsika Manohitra Ny Formula 1

Raha efa mivonombnona ery i Bahrain hampiantrano ny Grand Prix, manomboka ny 20 hatramin'ny 22 Aprily, ireo mpiondana aterineto kosa dia mifamory mba hanafoanana ilay fifaninanana fiarakodia amin'ny filazana fa mbolamitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao hetsi-panoherana mikatsaka zo demaokratika msimisy kokoa ao amin'ity firenena Arabo ity. Mona Kareem dia mitondra fanazavana amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Tewitter mba hisarihana ny saina hibanjina azy ity.

Iràka: Zaikabe Voalohany Niarahan'ireo Bilaogera Irakiana

Rising Voices  31 Marsa 2012

Ny zaikabe voalohan'ireo bilaogera Irakiana dia nanomboka ny 8-9 ny Febroary tao an-tanànan'i Sulaymaniyah. Ny Fampahalalam-baovao Sosialy Irakiana no nikarakara ity hetsika ity ary maherin'ny 70 ny bilaogera Irakiana manerana ny firenena no nanatrika. Nitondra fanantenana betsaka ity zaikabe ity ho an'ny firenena manana taham-pidirana aterineto ambany dia ambany sy ny mikasika ny fiarovana ny bilaogera.

Fifaninanana Lahatsary: “Everyday Digital Native” – Alefaso Ny Safidinao Dieny Izao

Rising Voices  31 Marsa 2012

Ireo mpitsara ny "Everyday Digital Native video contest" izay nokarakarain'ny Centre for Internet & Society (CIS), India, ary ny HIVOS dia nisafidy lahatsary miisa 12 tamin'ny fihodinana faharoa. Azonao atao ny mijery ireo lahatsary tafakatra tamin'ny dingana famaranana ary mifidy ny iray izay tena ankafizinao hatramin'ny 31 Martsa 2012. Ny lahatsary miisa dimy be mpifidy indrindra ihany no azo lazaina ho mpandresy amin'ny 1 Aprily 2012

Zon'Olombelona An-Tsarintany Ao Kambodza

  31 Marsa 2012

Mampiasa sarintany an-tserasera ny mpiaro ny zon'olombelona any Kambôdza hanangonana antontan-kevitra, hanaraha-maso ary hampisehoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona manerana ny firenena. Sithi na ny vavahadin-tseraseran'ny mpiaro ny zon'olombelona dia manana ny Sarintanim-panosihosena ahitana amin'ny ankapobe ny fiitatry ny fanosihosena ny zo isan-karazany any Kambôdza. Asehon'ny sary etsy ambany ny fanitsakitsahana ny...

Espaina: Fitokonana Faobe Taorian'ny 100 Andro Niasan'ny Governemanta

  31 Marsa 2012

Taorian'ny fahatapahan'ny famatsiam-bola ho an'ny tolotra ara-tsosialy, ny fampianarana, ny fikarohana sy ny fampandrosoana, ny fahasalamana ary ny angovo azo havaoziana, ary indrindra ihany koa ny fikendrena ny mpiasa amin'ilay Fanavaozana ny Lalàna mifehy ny Asa vaovao, izay manamora ny fandroahana mpiasa sy mampihena ny zony ary manome tombony ho an'ny mpampiasa,...

Goatemalà: Diaben'ny Tambanivohitra Sy Ny Vazimba Teratany Hiarovana ny Taniny

  31 Marsa 2012

An'arivony ireo Vazimba Teratany sy campesinos (tambanivohitra) goatemalteka no nandray anjara tamin'ny diabe naharitra enina andro hiarovana ny taniny, hanoherana ny famindra-toerana, ary miantso ny ijerena ny lohahevitra hafa misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ambanivohitra. Manazava ny  Cultural Survival: Nomanin'ny Comite de Unidad Campesino, (CUC) [Komity Fampiraisana ny Campesino] ny diabe...

Mankalaza Ny Fifidianana Vita Am-pilaminana I Sénégal Ka Mampistsiriritra Ireo Mpifanolo-bolodirindrina Aminy

  30 Marsa 2012

Toarian'ny fahareseny nanoloana ny praiministrany teo aloha sady mpifaninana taminy, Macky Sall, tamin'ny 25 martsa 2012, ny Filoha Me Abdoualye Wade dia niantso an-telefaonina ilay efa azo antoka ho mpandresy mba hiarahaba azy.. Mankalaza ny fifidianana natao tanaty filaminana ry zareo Senegaly, izay nahafahana namoaka ny fifandimbiasana politika. Na izany aza dia misy ihany ny mampanahy manoloana ireo herisetra nialoha ny fifidianana.

Madagasikara : fandripahana tamin'ny 1947, hatramin'izao dia tsy mbola fantatra ny antsipirihan'izay nitranga

  30 Marsa 2012

Ny vohikala TanaNews no mitatitra fa nangatahin'ny Praiministra Beriziky ny hampodian'ny Frantsay ireo rakitry ny tantaran'i Madagasikara mikasika ny fandripahana olona mahatratra 100 000 isa tamin'ny taona 1947 [fr] tamin'ny ho famaizana ny tolona hoamin'ny fahaleovanten'i Madagasikara. I Olivier Herviaux dia manolotra fanampim-panazavana manodidina izany vanim-potoan'ny fandripahana izany [fr]. Tamin'ny alalan'ny sioka...