Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Novambra, 2010
Madagasikara: Ny fizotry ny fanongam-panjakana tsy nahomby raha zohina arak'ireo Tweets
Ary satria efa toa zary isan-taona mihitsy no itragan'ny tetika fanonganam-panjakana any Madagasikara, ny fandefasana Twitter ataon'ireo mponina any an-toerana dia ahitana taratra ny fivoatry ny fiokoan'ny manamboninahitra maromaron'ny tafika, ny sasantsasany amin'ireo vao avy nandray anjara tamin'ny fanonganam-panjakana nahomby tamin'ny taona 2009. Avylavitra no nandrohy Tweets ho vakana ahafahana manaraka mandritra ny andro mifanesy izay fizotr'ity fanongam-panjakana tsy nahomby ity.
Fiji: Inona no tian'ny fanjakana atao amin'ny Rano FIJI?
Marika iray anisan'ny manankarena indrinda manerantany ny Rano Fiji, zava-pisotro lafo anaty tavoahangy. Mila ny sombontsombin'izany ve ny fitondrana miaramila Fijiana?
Teknolojia ho an'ny Mangarahara: Andraikitry ny Governemanta any India
Aretina mikiky izao tontolo izao ny kolikoly ary mahakasika na ny firenena mandroso na firenena andalam-pandrosoana, ny sehatra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, ary ny fikambanana tsy mitady tombony ara-bola sy mpanome fanampiana. Navoitran'ny tatitra isan-taona an'ny Transparency International tamin'ny 2010 vao tsy ela izay fa mila mampiditra fepetra...
Madagasikara : Antenaiko ho “pont” hatramin'ny faha-16 mihitsy aza!
Ny mpiblaogy Lay Andriamialy dia mitatitra ireo fomba fijery samihafa ananan'ny sarambambem-bahoaka manoloana ity fitsapan-kevibahoaka momba ny lalam-panorenana vaovao ity: - Est-ce que le 17 Nov sera férié? – J'espère et même que le 16 soit pont “- Ho andro tsy fiasana ve izany ny faha-17-n'ny volana Novambra? – Antenaiko...
Shina: Sondro-bidy sy zaridaina an-tafontrano
Ny sondrom-bidy tao Shina dia nanosika ireo mpivarotra hitady ny metimety kokoa any Hong Kong, nefa hitondra mankany amin'ny fanjifàna maharitra ve ry zareo amin'izany?
India: Obama bemanadala
Any India, anisan'ny firenena teteziny any amin'ny faritra maharitra folo andro any Azia, amin'izao fotoana izao ny filoha Amerikana [Etazonia] Barack Obama ary nahaliana ny olona 1,2 lavitrisa ao amin'ity firenena ity izany. Voatantaran'ny fampahalalam-baovao Karana Indiana avokoa ny fihetsika kely ataon'i Obama any India ary dia miresaka momba izany ihany koa ny mpiserasera Karana Indiana
Maorisy: Vakio ny tontolom-bolongana maorisiana
Fantaro sy vakio miaraka amin'ny Mauritius Blog Tracker ny bolongana, lahatsary sy sary ary ny valan-tserasera Maorisiana [izay tsy famakintsika eto matetika loatra].
Iran: ny tanànan'ny Teheran amin'ny alina
Sangany amin'ireo blaogin-tsary Iraniana i Kosoof, manapariaka andian-tsary maneho ny endriky ny tanànan'ny Teheran amin'ny alina.