· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Avrily, 2010

Costa Rica: Blaogin'ny fahazotoan'komana sy ny fahaiza-nahandro

  30 Avrily 2010

Mampiseho ny fitiavan'izy ireo manokana ny fikarakarana nahandro ao anatina karazana blaogy maromaro mahasarika ireo mpitoraka blaogy any Costa Rica, feno ireo fomba arahina sy ireo sary. Misarika ny maso sy mampahazoto homana ireo mpamaky blaogy Ireto karazana sakafo mahasalama, mamy, sy efa voafantina ireto. Miainga amin'ireo efa mpahandro mankany amin'ireo mpitoraka blaogy tsotra liana amin'ny sakafo ireo mpitoraka blzogy manoratra mikasika izany, izay tsy mikasa ny hampiseho ireo fomba fanaovana sakafo ihany, fa mandrisika ihany koa ireo mpamaky hizatra hanao sakafo.

Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy

  26 Avrily 2010

Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.

Iran: Nihen-danja ve ny fitorahana blaogy hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena?

  19 Avrily 2010

Moa nanova ny fampiasana ireo fantsona sy fitaovana median'olon-tsotra ve ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana? Iraniana iraikambinifolo mpitoraka blaogy sy matihanina amin'ny fampahalalam-baovao mahasolotena ny firehana politika rehetra no namaly ny andiam-panontaniana mikasika ny fivoaran'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny Iraniana olon-tsotra Iran hatramin’ny fifidianana.

Repoblika Dominikana: nandresy tamin’ny Carribean Series ny Leones

  10 Avrily 2010

Taorian’ny "baseball" fanao rehefa andro ririnina any amin’ny Repoblika Dominikana, izay nahitana ireo tarika roa lehibe mahazatra tsy tafita ho amin'ny lalao famaranana, ny Aguilas Cibaeñas (Cibao Eagles) sy ny Tigres de Licey (Licey Tigers), dia ny Leones del Escogido (Lion'ny Voafidy) no naka ny toeran'izy ireo, ekipa iray mpanao baseball izay nandrombaka ny amboara ny taona 1992, nandresy tamin'ny fifanintsanana anatiny ary nahazo ny toerana tamin’ny Caribbean Series. Nampiditra fiovana lehibe ara-pitantanana sy ara-drafitra ho an'ny taom-pilalaovana 2009-2010 ny Loenes avy ao Santo Domingo ary dia nahitam-bokatra izany.