Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka
Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan
Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.
Manakombom-bava ny manampahefana ao Azerbaijan manoloatra ny famonoana vehivavy trans
Amin'ny ankapobeny, ho an'ny olona LGBTQI+ maro izay miatrika fanavakavahana sy herisetra, dia kely ny fanavotana azon'izy ireo [mg] avy amin'ny polisy na avy amin'ny fantsona ara-pitsarana ofisialy
Tsy miaro ny mpanao gazety ny tontolon'ny fampahalalam-baovao any Tchad
Roa volana latsaka mialoha fifidianana filoham-pirenena amin'ny 6 Mey 2024 any Tchad, tsy mitsahatra manenika ny mpanao gazety ao an-toerana ny fandrahonana ho faty.
‘Game changer’: Onjampeo Kenyana mamelona indray ny fiteny teratany ambavahaonan'ny fahafatesana
Ny onjam-peo, Sogoot, izay amin'ny teny indizeny hoe Ogiek dia midika hoe 'ravina', mandeha amin'ny Ogiek manomboka amin'ny 6:00 maraina ka hatramin'ny 11:00 alina. isan'andro, manabe sy manome tari-dalana ho an'olona an'arivony eo amin'ny fiaraha-monina misy azy.
Sarimihetsika malaza ao Kyrgyzstan mampihetsi-po sy mampiseho fifamatorana misy eo amin'ny reny iray sy ny zanany
Araka ny voalazan'ny talen'ny sarimihetsika Ruslan Akun, ny fandrisihana ny olona hifampiantra sy hifanao asa soa no tena tanjony.
Fantaro i Andria Piciau: Fanontaniana sy Valiny ifanaovana amin'ny mpikatroky ny teny Sardiniana
Mihahita taratra hatrany amin'ny habaka anjotra ny fahasamihafam-piteny Eoropeana, izay ampiasain'ireo mpitenim-paritra sy fiteny vitsy an'isa ary vondrom-piarahamonina fitaovana nomerika sy fampahalalam-baovao hitahirizana, hampiroboroboana sy hamelomana indray ny lovany ara-piteny.
Nolazaina tanaty hetsi-panoherana sy filazana ho fisian'hosoka ireo mpandresy tamin'ny fifidianana tao Indonezia
"Heverinay fa mitombina ho an'ny vahoaka ny manontany (misalasala) ny vahoaka amin’ny voka-pifidianana, miainga amin’ny dingana ahiana ho misy hosoka sy miterak'olana."
Deepfake sy ny loza ateraky ny fitomboan'ny fampiasana hosoka amin'ny horonan-tsary
" ... Eo ambavahoanan'ny "fahafatesana" ny fahamarinana noho ny fiparitahan'ny deepfakes, dia ho sarotra kokoa ny hahatakatra ny atao hoe marina."
Stats4Community: Febroary 2024
Ao anaty ezaka hisian'ny mangarahara kokoa momba ny mpamaky anay isam-bolana, dia manohy ny andiany Stats4Community izahay, izay izaranay isam-bolana ny torohay vaovao momba ireo tantara malaza indrindra aty aminay.
Diaben'ny vehivavy ho an'i Palestina sy manohitra ny fanjakazakan-dray ao Pakistan
Nivondrona tamin'ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy ny vehivavy ao amin'ireo tanàndehibe ao Pakistan, toa an'i Islamabad, Lahore, Karachi, ary Multan, nitaky ny fitovian-jo ho an'ny lahy sy ny vavy, ny rariny ary ny fiarovana, nanohitra ny fitsipiky ny fanjakazakan-dray nandritra ny fito taona nisesy.