GlobalVoices anaty

Mediam-bahoaka

Tahiry Lohahevitra · 2802 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Mediam-bahoaka

18/06/2013

Sary Lahatsoratra
Fianakavian'Ireo Voasambotra Tsy Ara-dalàna Maro, Manao Hetsi-panoherana Avy Any An-Tranony

Tohin'ny lahatsoratra

Nanamarika ny Andro Faharoa Ho An'ireo Voafonja ny Zoma 07 Jona, fihetsiketsehana iray nomanin'ireo Fikambanana Mpisolovava tsy mitonona anarana @e3teqal sy ny @almonaseron ho fanairana mikasika ny fisamborana tsy manara-dalàna ao ataon'ny fitondram-panjaka Saodiana. Nametaka sary teny amin'ny trano fonenan'ireo voafonja ny mpanao fihetsiketsehana mba hisarihana ny sain'ny maro momba ny manjo azy ireo.

Tanora Saodiana Voasambotra Noho Ny “Faniratsiràna Ny Fivavahana”

Lehilahy Saodiana roa no voasambotry ny Kômitin'ny Fampiroboroboana ny toetra tsara sy Fisorohana ny toetra ratsy (CPVPV) tany Riyadh renivohitra noho ny faniratsiràny ny fivavahana. Ny Iray amin'izy ireo, Bader Al-Rasheed, dia mizara ny sedrany anatinà bitsika mitohitohy, notaterin'i Hadeel Mohammed.

Sakanan'i Arabia Saodita Ny Rindrambaiko Viber Fandefasana Hafatra Eo Noho Eo

Tohin'ny lahatsoratra

Araka ilay fandrahonan'ny Saodiana hanakana ny rindrambaiko fifandraisana mirakitra isa raha tsy avela hanara-maso ny governemanta, voasakana ilay rindrambaiko fandefasana hafatra eo noho eo ny marainan'ny 5 Jona 2013. Tsy afaka hidirana intsony ny vohikala ary tsy mety mifandray amin'ny aterineto ilay rindrambaiko.

17/06/2013

Sary Lahatsoratra
Brezila: Diabe ho an'ny Fandriampahalemana Notanterahan'ny Tanora tao Fortaleza

Tohin'ny lahatsoratra

An-jatony ireo olona nanao diabe nanerana ny araben'i Canindezinho ao Fortaleza [tanàna faharoa ao avaratr'i Brezila] nandritra ilay fidinana an-dalambe ho an'ny fandriampahalemana, entina indrindra hiampangana ireo famonoan'olona eo anivon'ny...

Trinidad & Tobago : Izay Mety No Ataovy

Tohin'ny lahatsoratra

Na ahoana na ahoana no tianao hamaritana azy - ny foto-kevitra, ny fitsipika moraly, ny toetra - no mamehy ny fitsipi-pitondrantena amin'ny fanaovana izay mety. Miaraka amin'ny fitsingidingidinan'i Trinidad sy Tobago ho any amin'ny laharana faha-80 amin'ny Fandaharan'ny Transparency International tamin'ny taona 2012 mikasika ny Fomba fahitàny ny Kolikoly, bilaogera vitsivitsy avy ao an-toerana no nifanakalo hevitra momba ny resaka fahamendrehana.

14/06/2013

Video Lahatsoratra
Resadresaka Tamin'i Anne, Iray Amin'ireo Mpandray Anjara Amin'ny Vaovao An-dahatsary “Manao ahoana any Bamako?”

Tohin'ny lahatsoratra

Amperin'ady any Mali i Frantsa. Nanapa-kevitra ny handefa amin'ny YouTube vaovao an-dahatsary iray mikasika ireo resadresany tamin'ny Skype i Anne Morin any Parisy sy ilay vehivavy namany Awa Traoré any Bamako. Te hahazo ireo vaovao mikasika ny faritra sy ireo namany i Anne. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Anna Gueye, niresaka betsaka mikasika io gazety io sy ny fifandraisany amin'i Mali izy .

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Hatezerana Noho Ny Herisetra Tamin'ny Fisamborana Ireo Mpaka Sary Mpanao Gazety Espaniola Roa

Tohin'ny lahatsoratra

Nozaraina be tao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra hoe #RaúlLibertad ireo vaovao momba ny fisamborana ilay mpaka sary mpanao gazety Raúl Capín, tany Madrid. Voasambotra ihany koa i Adolfo Luján, mpaka sary mpanao gazety. Hafatra maro maneho fahatezerana sy manohitra ny famoretana ny mpanao gazety izay mitatitra ny fikomiana ara-tsosialy no mifanaretsaka ao amin'ny aterineto.

12/06/2013

Ireo Mpijirika Any Amin'ny Tanàna Arabo : Aterineto Miadam-pandeha Sy Girl Power Any Alzeria

Tohin'ny lahatsoratra

Navoakan'ny Global Voices ny ampahany amin'ny bilaogin'i Sabline Blanc sy Ophélia Noor : “Les hackers dans la cité arabe” noho ny fahitàna ny ataon'ireo mpanao aterineto any Afovoany Atsinanana sy any Afrika Avaratra. Ankehitriny hitany ny tontolon'ny aterineto any Alzeria niaraka tamin'ny tanora geek roa avy ao amin'ny Fianarana ambony momba ny Informatikan'i Alger.

Sambany Manana Sarintanin'ny Lalan'ny Bus Ny ao Dhaka Renivohitr'i Bangladesh

Tohin'ny lahatsoratra

Sambany ankehitriny ny mpitondra bus ao an-drenivohitr'i Bangladesh ao Dhaka, fonenan'olona 15 tapitrisa sy fifamoivoizana mavesatra dia mavesatra, no manana sarintany eny am-platanany hijereny izay lalana horaisiny.

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Fanemorana Sy Saritaka Politika Mandravarava Raha Mihamanatona ny Fifidianana Eto Madagasikara

Tohin'ny lahatsoratra

Kizo ara-politika, Resaka fanohanana ara-bola, ary ny vato misakana eo amin'ny fampitaovana no ahiana hampibolisatra ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena hotontosaina eto Madagasikara, ny voalohany hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 2009 nampianjera ny nosy ho ao anatin'ny krizy politika.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny