The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Children Sokajy ara-dresaka

RSS ho an ny Children

2008-04-12

Arzentina : Mpianatra sekoly ambony mampiasa lahatsary aseho aterineto hitaterany ny olana mianjady aminy

Te-hisintona ny mason’ny famoaham-baovao[es] hilazany ny olana mahazo azy ny mpianatry ny sekoly ambony arzantina tamin’ny fametrahana lahatsary tao amin’ny YouTube : mila trano lehibe afaka ianarana ry zareo. Amin’izao fotoana izao dia any amin’ny sekoly fanabeazana fototra no mamonjy sekoly ny Ipem 112 “César Iñíguez Montenegro”, any Sebastián Elcano, ...

2008-04-08

Bahreïn: tokony hisaron-doha ve ny tovovavy?

Tsy ela akory izay dia nijery fanehoan-kevitra mahakasika ny olàn’ny mpandeha an-tongotra. eto Bahrein, ny fomba fisainana tsy mandroso anànan’ny tanora Bahraini, ny tsindry (fanerena) mianjady amin’ireo tovovavy momba ny fitondràna saron-doha (voaly) – sy ny ilàna ny fifandraisana bebe kokoa amin’ny Amerikanina ireo mpitoraka blaogy avy eto Bahrein. Mandehàna ...

2008-04-07

Zimbaboe : Raha mba nahazo nifidy ireo ankizy

If only kids could vote then Mugabe would have been really beaten “Raha mba nahazo nifidy ireo ankizy dia ho tanteraka ny fandresena an'i Mugabe” Hoy ny mpiara dia amiko, zazavavy 11 taona. They should let us vote because there are more kids than adults. All my friends at schools want MDC to ...

Jordana: Inona no famakin'ny zanatsika?

"Inona no famakin'ny zanatsika ?" hoy Batir Wardam jordaniana (Ar) manontany, nanoloana ny fangatahan'ity zazavavy iray naniry hividy bokin'ankizy tao amin'ny toeram-pivarotam-boky iray kanefa nodian-dreniny fanina fotsiny. Nandritry ny naha tao amina toeram-pivarotamboky iray azy no nandrenesan' i Wardam ny resaky ny zazavavy iray sy ny reniny: قبل فترة وبينما كنت أشتري ...

2008-03-30

Isiraely: Fankalazana ampifaliana ny PorimaPhotos postVideo post

Ny fetin’ny ny Porima no fankalazana ny fandresen’ny vahoaka Jiosy ireo izay mitady ny fahapotehiny. Ankalazaina amin’ny alalan’ny fomba fiakanjo, firavoravoana, sakafo matsiro, ary fisotroana be ny fetin’ny Porima. Manala azy mandritra ny Porima– Hoy i Hannah ao amin’ny Israelity: Nitombo ny fitiavako ny Porima. Ity angamba ny fety ankafiziko indrindra. Tsy ...

2008-03-20

Etiopia: Mpanao hosodoko manohitra ny fanambadiana aloha loatraPhotos post

Lova Rakotomalala no manoratra ny hetsika ataon'ireo Mpanao hosodoko Etiopiana hanoherana ny fampanambadiana aloha loatra amin'ny alalan'ny zavakanto izay ataon'izy ireo (tsindrio ny rohy hahitanao ny sary).

2008-02-15

Madagasikara : Adihevitr'ireo mpiblaogy mikasika ny “fanalan-jaza” sy ny fiadiana hoan'ireo zon'ny vehivavy

Mandritra ny fety “Saint Valentin,” ilay hetsika manodidina ny fandikana amin'ny teny Malagasy ilay soratra naha-tafintohina ny sasany anefa ankafizin'ny hafa mitondra ny lohateny hoe : The Vagina Monologues | Les Monologues du vagin [izay nezahin'i Jogany nadika ho “Firesakin’ny kitsom-pahafinaretana”] sy ny fitakian'ny Komity mpiaro ny zon'olombelona ny hanavaozan'i ...

2008-02-01

Brezila : Mpiblaogy miara-mihetsika hanohitra ny fanolanan-jaza

Luz de Luma dia isan'ireo mpiblaogy mivoy ny hetsika iarahan'ny mpiblaogy ao anivon'ny Pôrtigalasfera mba ho fanoherana ny fanolanan-jaza, izay hotanterahina ny faha-14 Febroary 2008 : Quando propus a blogagem e usei o termo que a ilustra, fui visitada sistematicamente pelos computadores da policia federal. Sinal de que eles estão atentos a tudo ...

2008-01-31

Mozambique

Ity resaka ity dia tohin'ny lahatsoratra efa navoakan'ny namana Tomavana eo ambanimbany eo. Vaovao farany navoakan'ny tontolom-bolongana, Carlos Serra [pt] no nitatitra fa nahatsikaritra kamiao (fiarabe re a!) nitondra ankizy miisa 40 anelanelan'ny 7 ka hatramin'ny 11 taona niainga avy any Nampula, Mozambique ny polisy ao Inchope. Azo inoana fa nangalarina ireo zaza ireo. “ Ny fahalemen'ny rafi-panjakana sy ny rafi-piaraha-monina no manamora ny fanondranana an-tsokosoko sy ielezany amin'izao fotoana izao. Fanapahan-kevitra maro no tsy maintsy ilaina (ho fisorohana ity hala-jaza) ity ka tafiditra amin'izany ny fanankotrihana (na fanavaozana no teny fantatrao kokoa) ny fitsipiky ny heloka bevava (izay efa tamin'ny taona 1876) sy ny fametrahana mazava ny fanondranana an-tsokosoko (halajaza) ho anisan'ny heloka bevava”.

2008-01-29

Mozambika : Fidiran'ny mpianatra any an-tsekoly, hoan'ny sasantsany ihany

Amin'izao fotoana fidiran'ny mpianatra any Mozambika izao, i Júlio Mutisse no mitatitra ny olana sedrain'ny sehatra fampianarana any an-toerana satria mpianatra marobe no tsy mahita sekoly hidirana: Ainda não estou a falar da qualidade de ensino. Falo, ainda e apenas, do acesso a escola para milhares de crianças e milhares de ...