The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Kilonga Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Kilonga

2009-05-20

Ezypta: Nodimandry ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha

Nindaosin'ny fahafatesana tao amin'ny hopitaly iray tany Paris rehefa narary tao anatin'ny fotoana fohy ny lahimatoa amin'ny zafikelin'ny filoha Ezypsiana Hosny Mubarak antsoina hoe Mohammed. Haingana ny fanehoam-pihetseham-po nataon'ny mpamaham-bolongana noho ny fahafatesan'ity zaza 13 taona ity - nefa tsy nahenoana ny akony velively tamin'ny haino aman-jerim-panjakana raha vao niely ity ...

2009-05-17

Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana

Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis, ...

2009-05-09

Masedonia: Lasa fomba fanao ny fankalazana ny ‘Sakura'

Nankalazaina tany Skopje, any Masedonia, tamin'ny 25 Aprily ny Sakura, fankalazàna isan-taona ny famelanan'ny 'cerisiers' izay fomba fanao any Japana. Somary taraiky kely ihany ny daty nofinidy raha ampitahaina ny tamin’ny taon-dasa satria tsy tian’ny mpandrindra hifanindry amin’ny fankalazàna ny Paska Katolika sy ‘Orthodoxe’ tamin'ny tapa-bolana lasa. Fanaovana ‘Origami’ (kilalao vita ...

2009-05-07

Bubisher: Boky maro eran'ny bus iray ho an'ireo ankizy any andrefan'i Sahara Andrefana

Bubisher..boky ho an’ireo ankizy any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Sahara Andrefana Midika hoe “vorona milaza soa’ ny Bubisher .” Araka ny filazan'i Roge Blog, lohatenim- boky firaketana tononkalo sahraouie ihany koa izy io. Saingy ho an'ireo ankizy anjatony maro mipetraka ao amina toby natao ho an'ny mpitsoa-ponenana ao Sahara Andrefana, dia ...

2009-03-04

Serbia:arovy amin'ireo mpandray zavamahadomelina ny ankizy

Ny vadin'i Jelena fahiny, lehilahy iray miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina, dia tonga tao an-tranony ary nandrahona ny zanany. Nisaraka taminy i Jelena, roa taona lasa izay. Nomen'ny Fitsarana alàlana hahazo mitsidika ny zaza ingahirainy, satria noheverina hanampy ny fitsaboana azy hiala amin'ny fiankinan-doha amin'ny zavamahadomelina izany, nefa kosa tsy mbola nanome ...

2009-02-22

Sodana: Miteny ao amin'ny Horonantsary ny mpandripa-bahoaka ao Darforo.Video post

Mampiseho ny fijoroana vavolombelon’ireo lehilahy efatra milaza fa nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana tao Darforo ny horonantsary navoakan’I Aegis Trust, ary tsy matahotra akory ry zareo milaza fa fandringanana ireny. Natsofoka tao amin’ny zotra Hub ny horonantsary ary antenaina fa hanipy izany any amin’ny hafa ny olona mba hanaparitahana ny antontam-baovao.

2009-02-03

Etiopia: Ny fiovàna entin'ny rano

Tamin’ny faran’ny taona lasa teo, fianakaviana dimy no nanapa-kevitra fa ny fitsidihana an’i Etiopia miaraka amin’ny zanany vavy no fomba tsara indrindra ho azy ireo mba ahafantarany hoe hatraiza no nahafahan’ny fanampiana nomeny hampidirana rano madio sy azo antoka nanova ny fiainan’ny fianakaviana maro sy tanàna iray manontolo. Amin’ny alalan’ny ...

2009-01-30

Sina: Mbola mba misaintsaina ireo ‘zazakely tratry ny vato any anatin'ny voa' ve ny governemanta?

Voafafa tsikelikely niaraka tamin'ny fikatonam-baravaran'ny orinasa Sanlu ny fampitam-baovao momba ny trangan'ny ronono voapozina tany Sina. Tamin'ny Desambra 2008, nanambara ny tetika iaingàna ho fanonerana izany  ny governemanta Sinoa, na izany aza anefa, fahadisoam-panantenana ho an'ny maro tamin'ireo tra-doza no nisy. Ary araka ny tatitry ny gazety mpiseho ao Hong ...

2009-01-27

Madagasikara: fitadiavam-bolan'ankizyVideo post

Green Boy sarin'i Patrick Lahatsary roa roa avy aty Madagasikara no maneho antsika ny fikaratahan'ny ankizy mikarokaroka sy mamoron-javatra ary fahasahiana kely mba hihoirany eo amin'ny fiainana. Voalohany amin'izany i Toky izay mampiasa kapoaka sy fitaovana hafa efa nampiasaina hanaovana fiara kapoaka, ny iray hafa indray mampiseho an'i Green Boy, izay ...

2008-12-17

SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovanaVideo post

Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.