Global Voices teny Malagasy » Kilonga
Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana
Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambàra fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovy fihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”
“Ny lalànan'i Jim Crow” izay nitaky ny fisarahan-toeran'ny Amerikana fotsy sy mainty dia foana tamin'ny 1965, ary ireo lalàna manohitra ny fifangaroan-karazana fihodirana izay nandrara ny fifanambadiana olona tsy mitovy fihodirana na ny firaisana ara-nofo dia foana nanerana ny firenen-drehetra nanomboka ny 1967.
Nefa mbola misy hatrany ny fanavakavaham-bolon-koditra. Na dia hoe tsy hita mitsikafona aza izy ireny matetika, misy kosa fotoana anandratany ny lohany mahatsiravina amin'ny fomba  tsy takona hafenina; nahatonga lohateny lehibe maro manerana an'i Etazonia ity tantara ity, niteraka lahatsoratra blaogy maro avy amin'ny fiaraha-monina ao an-toerana sy ivelany.
Ho valin'ny “fiarovan-tena” nataon'i Bardwell hoe mampivady olon-droa mainty foana izy, nampiseho ny hatezerany ilay blaogy manohitra ny fanavakavahan-bolon-koditra, Stuff White People Do, amin'ny fitenenana fa:
Hay, toa tsara fanahy tokoa ianao, Atoa mpitsara Bardwell. Ny fiarovanao tsy lazaina intsony.
Raha ny tranon'i Bardwell no resahina, izay mino aho fa feno vahoaka keli-na zazakely fotsy sy mainty miara-milalao dia tokony hiteny an'izao koa izy:
Manana namana mainty hoditra maro dia maro tokoa aho. Mankanyany an-tranoko ry zareo, Mampivady azy ireny aho, ampiasain'izy ireo ny trano fidiovako. Raisiko tahaka ny olon-drehetra ry zareo.
Hay moa, namana mainty hoditra koa, maro be. Hatrany amin'ny trano fidiovany!
Mpametraka hevitra iray ao amin'ilay blaogy Siditty (izay nanoratra ny lahatsorany manokana koa  ato), dia nikitika ny momba ny eson-tenin'ny hatezeran'i Bardwell:
Manontany tena foana aho hoe fa naninona ny lehilahy avy any Louisiana, izay manan-tantara goavana momba ny fifangaroana fihodirana (volon-koditra), na amin'ny alalan'ny rafitra fametrahana na amin'ny kolontsaina kiriolona (créole), no toa niditra tamin'ny fiahiana ny ankizy tampoka teo? Tsy niasa saina momba izany ry zareo tany amin'ny taona 1700 tany, tsy tokony koa izy ankehitriny.
Ny blaogy Racism Review dia nanohitra ny “fiasàn'i Bardwell saina momba ny taranaka” tamina porofo momba ireo zaza teraka avy amin'ny fiarahan'olona tsy mitovy fihodirana:
Ary, mba handalinana kokoa ilay porofo, tsy mijaly ireo zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana raha ampitahaina amin'ireo zaza hafa raha miaina anaty tontolo manaiky ny fahasamihafana sy ny zaza teraka tamina fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy ireo. Raha sendra fanavakavahana ireny zaza teraka tamina fifanambadiana tsy mitovy fihodirana ireny (sy tsy fitoviana ara-drafitra hafa), dia mety hisedra adin-tsaina izy ireo, ary koa aretina mifandraika amin'izany adin-tsaina mitombo izany, toy ny fidorohana sy ny fibobohana. Izany no vokatry ny fanavakavahana, ary antony iray hafa tokony hanaovana izay hahafoana ny fanavakavahana.  Fa  tsy tokony ho antony – raha atsimbadika ny lojika – hanamafisana ny fanavakavahana izany.
Ary Black Girl in Maine koa dia niresaka  tsara momba ilay fanontaniana  “ahoana ny momba ireo zaza?”, ka nilaza ny zava-niainan'ny zanakalahiny izay metisy:
Ary ho an'ireo ankizy, ahoana ny momba azy ireo? Eny, indraindray ireo ankizy metisy dia ampijalian'ny hafa nefa tsy matetika izany, ary izaho aza mieritreritra fa amin'ny tanora ankehitriny dia efa saika mahafinaritra izany hoe metisy izany. Araka ny nolazain'ny namako ahy dia tsy mijaly noho ny tsy fananany namana lahy na vavy,  ny zanako lahy. Amiko, ny fotoana mety hananan'ireo zaza metisy olana goavana dia rehefa tsy misy na iza na mba  hiresahany momba izay razambeny. Amiko rehefa mifandray amin'ny razambeny sy ny foko ara-tantara ireo ankizy dia mamorona toeram-piadanana ho azy ireo izany.
Any Etazonia, misy lalàna maro manohitra ny maha-metisy any amin'ireo firenena maro, mandràra ny fanambadiana eo amina Amerikana fotsy hoditra sy Amerikana mainty hoditra (ary Amerikana avy amina fihodirana hafa).  Raha tany amin'ireo firenen-kafa kosa, nofoanana nanomboka tamin'ny taona 1780 ireny lalàna ireny, tany amina firenena enina ambin'ny folo tsy nofoanana ireo lalàna ireo raha tsy taorian'ilay tranga Loving vs. Virginia tamin'ny 1967, izay nisamborana tany am-pandriana mpivady tsy mitovy fihodirana, nivady tany Washington, D.C..  Tonga hatrany amin'ny Fitsaràna Avon'ny Etazonia ny ady ara-dalànan'izy ireo, ary nofoanana tamin'izay ireo lalàna.
Mpitoraka blaogy maromaro no niresaka momba ny endrika araka ny lalànan'ity raharaha ity. Misy mpitoraka blaogy iray, Jay Says, manoratra:
Amin'ny maha-Mpitsara misahana ny fandriampahalemana azy, tokony hahafantatra izy fa tsy voarara intsony ny fanambadiana tsy mitovy fihodirana – nambara ho tsy araka ny lalampanorenana, 40 taona lasa izay. Ity ohatra miavaka ity dia nipoitra taorian'ny Diabem-pirenena  ho an'ny Fitovian-jo tamin'ity herinandro ity, ka nanadihadiako fohy mpifankatia tsotra tsy mitovy fihodirana, ry Newmans (horonantsary) ny momba ny antony anaovan'izy ireo izany diabe izany.
Ny fanavakavahana volon-koditra, sokajy, lahy na vavy, fankahalana vahiny, tsy fandeferana ara-pinoana sy ny sisa dia afaka ary misy eo amin'ny fiaraha-monintsika, nefa tsy tokony hisy izy ireny ho arovan' ny  lalàna. Mahasosotra ny famelàna mpiasan'ny governemanta mikarama amin'ny hetran'ny “olona afak'i”  Etazonia (na amin'ity tranga iray ity, firenena iray any Etazonia) hampiasa ny faharesendahatra azy manokana mba hanapahana ny momba ireo olana izay tantanin'ny lalàna sivily. Raha tsy manaiky ny fifanambadian'ny tsy mitovy fihodirana izy dia tokony hitady asa vaovao – mety hoe Lehiben'ny  Ku Klux Klan ohatra?
Farany, nisy mpitoraka blaogy iray nanaraotra ka namadika ity trangan-javatra iray ity ho fotoana hakàna lesona. Ilay mpitoraka blaogy, manoratra ilay blaogy Inona no mba haiko? [What Do I Know?], dia nangataka ireo mpamaky mba hieritreritra ny fihetseham-pony tsirairay avy momba ity resaka ity:
Raha manahy ianao fa mbola velona anatintsika rehetra ny fanavakavaham-bolon-koditra, eritrereto ny tenanao mivady amin'ny olona iray tsy mitovy fihodirana aminao, indrindra raha fotsy hoditra ianao dia mainty hoditra ilay olona. Eny e, tsy haninona izany ho an'ny olon-kafa, nefa tsy hahita antony tsara sy mitombina ve ianao hoe mety hanasarotra lavitra ny fiainany ny zanakao vavy rehefa hitondra ny fofombadiny mainty hoditra ho any an-trano izy? Aza mihatsara velatsihy e. Na dia miteny aza ianao hoe “Ts'isy olana” tsy ho nisalasala na dia kely fotsiny aza ve ianao? Raha tsia dia olona tsy dia fahita loatra ianao.
Amin'izao Bardwell miteny izao fa tsy hiova hevitra izy ny momba an'io, zavatra iray no tena azo antoka: tsy maintsy ho maro ny vaovao ho avy.
Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonja
Manana ny zony feno ve ny vehivavy bevohoka rehetra, sa tsy manan-jò intsony rehefa voafonja?
Izany no fanontaniana tonga ao amin'ny tena rehefa mieritreritra ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja hamelona sy hitaiza ny zanany raha voaheloka amin'ny heloka sasantsasany izy:
Tahaka ny ahoana moa amin'izy ireo izany hoe bevohoka na mananjanaka [mbola kely] nefa voafonja izany?
Tsy maintsy hoe laharam-pahamehana ve izy ireo raha misy ny vehivavy hafa tsy voafonja tsy mahazo fanaraha-maso ara-pahasalamana?
Ny maha-reny ve no mandrava ny lalàna hafa rehetra mba iantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka?
Etazonia: Tsy azo ekena intsony ny fametahana menôty eo ampiterahana.
Azonao eritreretina ve izany vehivavy hiteraka izany ka voapetaka menôty arakitra amin'ny fandrianany ny tanany sy ny tongony? Miteny amintsika amin'ity fomba fanao any Etazonia hatramin'izao fotoana izao ity i Malika Saada Saar, mpanorina sy tale mpanatanteraka ny Tetikasa Rebecca miaro ny zon'olombelona, fa efa fahazarana any amin'ny toera-pamonjana sasantsasany any Etazonia ny mametaka menôty ny vehivavy bevohoka mandritra ny fisafoana sy ny fiterahana, na dia mety hitera-doza amin'ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza aza izany. Manaraka etoana ny lahatsary fanadihadiana miaraka amin'ny lahatsoratra ho an'ny RH Reality Check, tambajotran-tserasera iray miresaka sy manadihady ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="430" height="264" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="430" height="264" src="http://www.youtube.com/v/CWj1uHdxnt8&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Inona no mitranga ho an'ny zanaka voafonja rehefa teraka?
Samy manana ny lalàny avy ny isam-pirenena momba ireny zaza teraka tany am-pamonjana ireny. Any Arzantina, ohatra, araka ny lazain'ny Ajintem, fampahalalam-baovao an-tserasera mampahafantatra ny momba ny fifindra-monina, dia nisy lalàna manokana ho an'ny vehivavy bevohoka voafonja nolaniana tamin'ny herintaona, izay mametraka fa mahazo mamita ny saziny any amin'ny fonenany saingy mahazo alalana vao mahazo mivoaka sady arahi-maso ny vehivavy manan-janaka latsaky ny dimy taona na manana zaza sembana. Mahasoa tsy ny reny ihany izany lalàna izany, satria tsy hahazo fikarakarana ara-pahasalamana azo antoka ho azy izy mandritra ny fotoana itondrany vohoka, fa ny zaza ihany koa, izay mety ho notezaina tao anatin'ny tontolo tsy misy fahafahana sady tsizarizary ny sakafo sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, na mety hotezaina lavitra an-dreniny, izay mety hiteraka olana maro isan-karazany ihany koa. Na izany aza dia hafatra ampitaina amin'ny Mpitsara io hanarahany ny hevitry ny lalàna sy hanomezany alalana ireo vehivavy tsy tafiditra amina heloka miharo herisetra, ary hanomezana toky ihany koa ny mponina sivily fa tsy lalana malalaka ivoahana ny fonja tsy akory ny fitondrana vohoka.
Any amin'ny nosy Canary indray, araka ny filazan'ny bolongana Prisiones y Penas, izay miresaka ny momba sy ny lohahevitra mahakasika ny toera-pamonjana, dia mahazo alalana hitazona ny zanany hatramin'ny faha-3 taonany hiray efitra aminy ao am-ponja ny vehivavy, saingy miaraka amin'ireo vehivavy hafa miara-voafonja aminy ihany koa, izay tsy ny tontolo tsara indrindra. Avy amin'izany dia efa nilazana ny vehivavy bevohoka na manana zaza latsaky ny 3 taona hiditra ny fonja fa tsy mahasoa ny zaza ny mitombo any ambadiky ny fefy vy, ka omena safidy izy ireo ny hamoaka ny zanany ho any amin'ny fianakaviana. Tahaka izany ihany koa no mitranga any Peru sy Rosia. Any Etazonia dia toera-pamonjana roa ihany no manome alalana tahaka izany, any New York sy any Nebraska, araka izay nolazain'ilay mpaka sary malaza Jane Evelyn Atwood ao amin'ny sary fanadihadiana misy fizarana 3 nataony ho an'ny Amnesty International,  antsoiny hoe Too Much Time[na: Ela loatra], izay nitsidihany toera-pamonjana ampolony manerantany sy nandraketany sy nanangonany fanadihadiana ny fiainan'ny voafonja.
Nahoana moa ny rafi-piarenana [fandraharahana ny fonja] any Etazonia amin'ny ankapobeny no mtsy mamela ny vehivavy hitazona ny zanany hiaraka aminy? Nohazavain'i Atwood fa tsy navela natao izany noho ny mety hisiana fanaovana takalon' aina. Ao amin'ny Prison Photography Blog no hanaovan'izy ireo izao filazana izao:
Tsy mahazo miditra ny fonja afa-tsy amin'ny toerana roa  ny kilonga any Etazonia. Eo amin'ny fiarovana no ambara fa anton'izany: aina marefo lalandava sy mety ho lasa takalon'ania mandrakariva izany kilonga any am-ponja izany. Mihanjahanja izany fanambarana izany rehefa itodihana ny rafi-piarenan'ny firenen-kafa.
Ny ango-panadihadian'i Atwood ao amin'ny songadin'ny vohikalan'ny Amnesty International no ilazany izany miteraka mipetaka menôty izany araka izay efa navoakan'i Vanessa's Baby sy ny momba ny rafi-piarenana sy ny fiainana maha-reny, omban'ny sary mandritra ny hamakiany ny lahatsoratra miresaka ny zavatra hitany tany am-pitsidihana fonja isan-karazany sy nakany saripika.
Entina mifampiraharaha ve ny fitondrana vohoka?
Nahoana no mampiroanahana tahaka izany ny zon'ny vehivavy bevohoka voafonja? Ao amin'ny Russia Today, televiziona Rosiana iray, dia voatonona ity lohahevitra ity rehefa noresahina ny momba ny zaza teraka sy nobeazina tany amin'ny rafi-piarenana rosiana:
Misy ny mihevitra fa manao izay hahabevohoka azy fotsiny ny reny sasantsasany hahamora kokoa ny fiainany any am-pamonjana. Miaina any amin'ny Hopitaly, manana fotoana be dia be voarafitra ahafahana miaraka amin'ny kilonga – tsara kokoa izany rehetra izany noho ny mipetraka anaty tranovato, hoy ny filazan'izy ireo.
Ary misy ny vehivavy taratra ihany fa ny fitondrana vohoka no lalana tokana ahafahana miala amin'ny fanefana sazy, tahaka izay nitranga tamin'ny volana jona teo, raha nogadraina sy nohelohina ho faty ny vehivavy anglisy iray  tany Laos noho ny raharaha zavamahadomelina fa bevohoka tany am-pigadrana izy, rehefa tsy mamono ho faty ny vehivavy bevohoka ny fitondrana any Laos.  Ny filazana nataon'ny Daily Express, gazety anglisy iray, no nahafantarana fa natsaika tamin'ny fomba artifisialy ravehivavy mba hanavotana azy.
Mitantara ny amin'ny zanany sy ny fiainana voafonja araka ny fiteniny ny vehivavy
Geraldin Rodríguez, Arzantiniana voafonja any Ekoatera noho ny fanondranana zava-mahadomelina no niresaka tamin'i Marcos Brugiati, mpanoratra sady nampiroborobo tamin'ny famoahana an-tserasera ny resaka zavakanto Plastica-Argentina, ny tantaran'ny fanaovana teathra any am-pigadrana, izany bevohoka any am-ponja ary ny nananany zaza. Nahazo alalana ny hitazona ny zanany hiaraka aminy izy saingy naleony mihalehibe  any ampahalalahana ny zanany:
“Decidí que salga para vivir, tenía miedo que sufra de grande los traumas que hoy tengo. Se lo llevó al año mi hermano quien se hice cargo con su esposa”.
Nanapa-kevitra aho fa aleoko mandeha izy mba hiaina, matahotra aho fandrao miaina ny takaitra izay iainako ihany koa izy. Herintaona taoriana dia nalain'ny anadahiko sy ny vadiny izy hotezainy.
Migadra any amin'ny fonja Espaniola i Juvinete, ary bevohoka rehefa nohidiana noho ny resaka fanondranana zava-mahadomelina. Nitantara ny fiainany tamina gazetim-paritra NorteCastilla izy. Telo taona taorian'ny niterahany ny zanany tany am-ponja dia tsy maintsy nosarahina taminy ny zaza, ary nalefa tany amin'ny fianakaviana vonon-kandray ny zaza. Mifankahita amin-janany vavy isaky ny 15 andro i Juvinete ary mahazo alalana hivoaka 2 herinandro hiara-miaina aminy isaky ny roa volana. Saingy mety tsy hihatsara ny toe-draharaha: Mety halefa any amin'ny firenena niaviany any Brezila manko i Juvinete, ary manahy ny mety ho fiantraikan'izany fiovana izany amin-janany. Ary dia nanome soso-kevitra  ho an'ny vehivavy rehetra mihevitra ny hitondra vohoka any am-ponja izy:
-Intento convencerlas para que no se queden en estado dentro porque ver a un niño privado de libertad es muy duro, es irresponsable. Ellos no tienen que pagar nuestros errores.
Miezaka aho ny mandresy lahatra azy ireo tsy ho bevohoka am-ponja izany fa manohina tokoa ny mahita ny kilonga tsy manam-pahafahana, maneho tsy fahaiza-mandray andraikitra izany. Tsy tokony hosaziana noho ny fahadisoantsika izy ireny.
Ao amin'ny Woman and Prison,[ny vehivavy sy ny fonja] vohikala natao hanairana ny mhatra amin'ny vehivavy any amin'ny toera-piarenana, no iresahan'i Kebby Warner ny nitondrany vohoka tany amin'ny fonja amerikana, nitantarany ny nanaovana azy nandritra ny nitondrany vohokan niterahany sy ny taorian'izany, rehefa nalaina taminy ny zanany. Toy izao ny notsongaina tamin'izay nosoratany teo ampiterahana:
Tsy misy mahazo miditra ao an'efitra mandritra ny fiterahana. Tsy nahalala ny niterahako zazavavy akory ny fianakaviako raha tsy efa nandao ny hopitaly aho. Mipetraka ao an'efitra ny mpiambina nandritra ny telo andro, saingy mimenomenona matetika ry zareo rehefa asain'ny mpitsabo mpanampy hivoaka ny efitra. Efa reko ny tantara mampihorokoditra milaza fa petahina menôty eo am-pandrianany ny vehivavy. Faly tokoa aho fa tsy mba nanaovana izany. Maro tamin'ny mpitsabo mpanampy no nikarakara ahy amin'ny mahaolona fa tsy amin'ny mahavoafonja ahy.
Mbola misy tantara hafa azonao vakiana momba ny fitomboana miaraka amin'ny havana any am-ponja sy ny fiantraikany isan-karazany amin'ny zanaky ny  vehivavy voafonja koa ao amin'ny Women and Prison[vehivavy sy ny fonja].
Koa ahoana ary ny eritreritrao? Mahita ireo vehivavy bevohoka manerantany tsy mahazo fikarakarana ara-pahasalamana, mbola tokony hisy ve ny ezaka fanampiny omena ireo vehivavy voafonja? Misy ve ny fahasamihafana eo amin'ny vehivavy mamita sazy sy ireo izay ivelan'izany? Tokony hokarakaraina manokana ve izy ireo?
Ny sary nampiasaina handravaka ny lahatsoratra dia “17 de noviembre” an'i daquella manera.
Juliana Rincón Parra
Sina: te-ho lasa “mpiasam-panjakana voatsolotra” ny zazavavy kely mpianatra
Nanadihady ny mpianatra madinika ao amin'ny sekoly ambaratonga voalohany ny amin'ny tanjon'izy ireo eo amin'ny fiainana ny Gazety mpivoaka isan'andro Southern Metropolitana any Guangzhou ny andro voalohan'ny  taom-pianarana vaovao any Sina (1 Septambra), Southern Metropolitan Daily.Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny iray amin'izy ireo fa ny nofiny dia ny ho”lasa mpiasam-panjakana”. Raha nanontany azy ny mpanao gazety hoe mpiasam-panjakana inona no tianao, dia namaly izy hoe ” ho lasa mpiasam-panjakana voatsolotra”.Manana tombontsoa betsaka ny mpiasam-panjakana voatsolotra.”
Efa mandeha amin'ny youtube izao ilay horonantsary, notakonana ny endrik'ilay zazavavy kely:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="448" height="285" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/_sZ0P_R2LIo&hl=zh_TW&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="448" height="285" src="http://www.youtube.com/v/_sZ0P_R2LIo&hl=zh_TW&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Niely nanerana ny haino aman-jery sy ny blaogy  Sinoa ity valinteny ity. Mihevitra ny sasany hoe fanamarihana kisendrasendra ihany ny an'ity zaza, fa maro kosa no nitazona ny heviny fa fitaratry ny tena zava-misy eo amin'ny fiaraha-monina izany. Naneho karazana fanamarihana vitsivitsy ny resaka ao amin'ny ifeng :
rviflss 2009-9-4 14:16: 童言无忌
Tsy tokony ho raisintsika matotra ny tenin-jaza.
joanna-jin 2009-9-4 12:46: 可悲可恨啊，越长大越了解社会的黑暗
Mampalahelo sy mahatezitra izany, miha mahafantatra ny lafy ratsin'ny fiaraha-monina ianao rehefa miha-lehibe.
上來看看的 2009-9-4 13:20 : 我倒是觉现在的孩子才叫懂得什么叫现实，学校教的那一套就如同走过场一样，如果按照学校教的走向社会，那你只能回家了
mino aho fa efa fantatry ny ankizy amin'izao fotoana izao ny tena zava-misy marina. Tsy misy intsony ny soatoavina ampianarina any an-tsekoly. Raha manaraka ny fitsipika ianarana any an-tsekoly ianao ary miezaka ny hiaina izany ao anatin'ny fiaraha-monina, ny sisa anjaranao dia ny mody any an-trano.
toplong6450 2009-9-4 16:26: 只是说出了实话啊！！！！ 大人应该好好检讨 我难过啊
Miteny ho azy ny marina! Tokony handini-tena ny olon-dehibe. Mampalahelo ahy izany.
wangbaozhu 2009-9-8 21:21: 皇帝的新装，只有孩子才说句实话。老师们，不要自欺欺人了，从小学做起，教他们学做贪官和奸商吧。
Ao anatin'ny tantaran'ny Akanjo Vaovaon'ny Amperora, zaza iray ihany no milaza ny marina. Ry mpanabe, aza mandainga amin'ny tenanareo intsony. Nanomboka tany amin'ny sekoly ambaratonga fototra ianareo no nampianatra ny ankizy ho lasa mpiasam-panjakana voatsolotra sy ho mpanao afera.
Ny mpanoratra mavitrika ato amin'ny serasera i Shihua (施化),tao amin'ny lahatsoratra vao haingana, dia nanamarika ny momba ny valintenin'ilay zazavavy mpianatra , ary nanome anarana ny fipariahan'ny trangan-javatry ny kolikoly any Sina ho ny hoe ” fahefam-bahoaka nasionaly” tsy misy fetrany:
这个六岁小女孩说出了成年人心里想说又不敢说的话。这句话里有两个事实，一个是，只有官才能贪，贪腐依靠权力，只听说过贪官，没听说过贪民的；一个是，要想有很多东西，在中国别无它径，最好是做官。
Ity zaza enin-taona no nahasahy nilaza ny zavatra tsy sahin'ny olon-dehibe lazaina. Zavatra roa no asehon'izay. Voalohany, ny mpiasa-panjakana ihany no manana fahefana ny hanao kolikoly (tsolotra); ny mpiasam-panjakana voatsolotra ihany no misy fa tsy misy ny hoe vahoaka voatsolotra. Faharoa, raha te hankafy zavatra tsara ianao any Sina, ny làlana tsara indrindra dia ny lasa mpiasam-panjakana.
贪污必须先做官，也就是行使国家公权力。但是，国家公权力（National Public Power）指的是公共权力，而不是国家机构自己的权力。也就是说，公权力强调的不是国家行政对社会、对人民的“管理”，而是对人民神圣不可侵犯的私有权力的保护。
Mila lasa mpiasam-mpanjakana aloha ianao raha te hiditra hanao kolikoly, izany hoe, ny fanatanterahana ny  ” fahefam-bahoaka nasionaly” . Nefa midika hoe fahefan'ny vahoaka maro ny  ” fahefam-bahoaka nasionaly” , fa tsy hoe fahefan'ny rafitry ny governemanta. Tsy fanaraha-maso ataon'ny governemanta amin'ny vahoaka sy ny mponina akory ny  ” fahefam-bahoaka nasionaly” , fa fiarovana ny fahefan'ireo tsy miankina.
由于中国长期实行单一的公有制和计划经济，不可能自发产生私法观念和私权观念，所形成的唯一只有公法、公权观念…… 人民和企业的一切行为都须得到国家的许可，国家拥有绝对不受限制的权力。这样一来，本来应当保护私人的公权力就开始向私人领域伸出贪婪的手。
Tsy afaka mivelatra ho azy amin'izao ny fananana tsy miankina amin'ny fanjakana satria efa ela i Sina no nampiasa ny drafitra ara-toekarena voafaritra sy ara-tsosialy. Ny fahefam-bahoaka sy ny fitsipika no fanehoana mibahan-toerana… Mila eken'ny fanjakana avokoa ny hetsika rehetra ataon'ny mponina sy ny mpanao afera; manana fahefana tsy misy fetrany ny fanjakana. Na izany aza, ny  ” fahefam-bahoaka nasionaly” , izay natao hiaro ny zon'ny tsy miankina tany am-boalohany, dia nanitatra ny hatendàny sy ny kolikoly ho amin'ny tontolon'ny tsy miankina.
一旦公共权力的形成，不是由全民经由民主方式，而是由某个独大的政党采取的强制方式，公权力在一夜之间就被偷换。腐败是和过度使用的公权力并存的，但不常存在于私权力。
Diso avy hatrany ny fandikàna ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” raha tsy nalaina avy amin'ny dingana ara-demokratika izy, fa nofehezin'ny antoko politika tokana mavesa-danja. Miara mitoetra amin'ny fanatanterahana mihoampampana ny ” fahefam-bahoaka nasionaly” ny kolikoly, fa havitsiana amin'ny fahefan'ny tsy miankina.
Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza
Zineb Chtit any amin'ny hopitaly
Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.  Hoy ny nosoratan'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) momba ny voina mahazo azy ao amin'ny lahatsorany iray:
Zainab looked emaciated. Her body was bruised and bleeding from beatings. She was branded on her lips with a red-hot iron. She was burned with boiling oil on her chest and private areas. She was illiterate. She never experienced the joy of playing with friends. Her future was decided for her: trudge around the mill till the day she dies. And a few days ago, she almost did.
Hita ho kaozatra i Zainab. Feno fariparitra sy dian-daroka ny tenany. Mena mivaivain'ny vy ny molony. Nodorana ny menaka ny tratrany sy ny faritra saro-pady. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy. Tsy mba niainany veliely izany miara-milalao amina namana izany. Efa voafaritra ny ho aviny: mihaodihaody manodidina ny laona mandra-pahafatiny. Ary efa saiky lasana tokoa izy.
Indrisy fa tsy tranga manokana ny mahazo an'i Zineb.  Mahatratra 177 000  ny isan'ny zaza latsaky ny 15 taona miasa any Maraoka, ka ny 66 000 dia mpanampy an-trano.  Eny fa na dia efa nanasonia ny Dinan'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'ny kilonga aza i Maraoka, mametra ho 12 taona  raha kely indrindra vao mahazo alefa hiasa ny olona, fetra farany ambany ao an-toerana.  Maro ny tatitra momba ny fampijaliana mpanampy an-trano, tahaka ity iray izay nosoratan'i Tingis tonian'i Anouar Majid ity.  Nefa dia mbola mivarotra ny zanany vavy amin'izay mahasahy ambony indrindra ihany ny fianakaviana maro fa entin'ny fahantrana, ampiasaina ho mpanampy an-trano izay indraindray miasa tontolo andro sy tontolo alina.  Mitantara ny mpanjò ny ankamaroan'ny mpanampy an-trano ny mpamaham-bolongana Sarah Alaoui:
Noho ny fahantrana mianjady dia tsy manan-tsafidy hamelomana ny ankohonany sy ny zanany ankoatra ny mandeha ho mpanampy an-trano  any amin'ny mpanankarena ireo vehivavy tsy nandia fianarana any ambanivohitr'i Maraoka. Mbola asongadin'ny karazan'asa ataony - mpanampy an-trano  natao ho hita fa tsy natao horenesina-  ny holatry ny fahantrana efa naraikitra taminy teo am-piterahana. Miasa any ambadiky ny sehatra tahaka ireo mpanompo an-trano fitantaran'i J.K. Rowling any amin'ny boky tantara foroniny izy ireny.
Maro ny ankohonana any Maraoka no miezaka ny manome  trano fialofana ho an'ny mpanampy an-tranony fa tsy toera-mpiasana ihany. Nanara-maso ny zanaky mpanampy an-tranony hatrany ny renibeko  mba hahazoan'izy ireny fitaizana sy fampianarana tahaka ny an'ny zanany sy ny zafikeliny— Iray sekoly amin'ny anadahiko (cousin) i Naima, raha niasa tao amin'ny renibeko ny reniny. Saingy indrisy moa aleo tsorina fa tsy mitovy fikarakarana ny mpanampy an-tranony tahaka izany ny ankapoben'ny mpampiasa eto amin'ny firenena.
Ao amin'ny fitateram-baovaon'ny [FR] La Vie éco dia samy voampanga ho nanao heloka bevava avokoa na rangahy na ramatoa mpampiasa an'i Zineb, fa araka ny tolo-kevitry ny mpamaham-bolongana Reda Chraibi, dia tokony hisy haingana dia haingana ny fiovana. Namelabelatra [FR] soso-kevitra maro hisorohana ny fandefasana ny ankizivavy hiasa mbola kely ny mpamaham-bolongana.  Santionan'ny tolo-keviny:
Accorder des aides sociales aux familles les plus pauvres afin qu’elles ne soient pas contraintes de faire travailler les enfants au lieu des le envoyer à l’école. La scolarité pour cette catégorie de la société devrait être totalement gratuite tant pour l’enseignement que pour l’équipement scolaire. A ce propos, l’opération de distribution de cartables équipés est une bonne initiative qui devrait être étendue dans tout le Royaume.
Donner à l’Association « Touche pas à mon enfant » (touche pas à mes enfants) ou à une institution publique le droit de recenser et de contrôler le travail des enfants servantes, le droit d’entrer dans les maisons pour discuter avec elles et vérifier si elles sont traitées dignement. Encourager leur éducation et leur alphabétisation. Ouvrir et faire connaitre un centre d’accueil pour les enfants servantes qui veulent fuir d’urgence le foyer dans lequel elles travaillent, afin que plus aucune Zineb Chtet n’èrre dans la rue dans le sang en demandant l’aide d’inconnus…
Manome fanampiana ara-tsosialy ny fianakaviana tena mahantra mba tsy hahatery azy ireny handefa ny zanany hiasa fa tsy hianatra. Tokony ho maimaim-poana na ny fampianarana na ny kojakojam-pianarana ho an'ireny sarangam-piaraha-monina ireny. Eo amin'izay indrindra dia tokony hatao manerana ny fanjakana ny fanapahan-kevitra mety hizarana kitapo efa misy kojakoja ao anatiny [FR]. Manome alalana ny fikambanana “Touche pas à mon enfant” (Aokanao ny zanako) na sampan-draharaham-panjakana hafa hanisa sy hanara-maso ireo zaza miasa tsy fidiny, manan-jò hiditra any an-trano hiresaka amin'ireny kilonga ireny hanamarinana raha voakarakara ny mahaolombelona azy. Handrisihana ny fitaizana sy fampianarana azy ireny hahay mamaky teny sy manoratra. Manokatra sy mampahafantatra ny fisian'ny toerana fandraisana ireo zaza te-handositra ny trano iasany, mba tsy hisy intsony Zineb Chtets feno ratra mirenireny eny an'arabe mitady fanampian'olon-tsy fantatra….
Nofehezin'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) toy izao moa ny lahatsorany:
I am reminded of a speech Mr. Eliezer “Elie” Wiesel gave at the White House in 1999 “The political prisoner in his cell, the hungry children, the homeless refugees — not to respond to their plight, not to relieve their solitude by offering them a spark of hope is to exile them from human memory. And in denying their humanity, we betray our own.”
Tsaroako ny kabarin'Atoa Eliezer “Elie” Wiesel tao amin'ny Trano Fotsy tamin'ny 1999 nanao hoe “Ny gadra politika ao amin'ny efi-pamonjana azy, ny ankizy noana, ny tsy manan-kialofana - manoka-monina azy ireny ho tafala amin'ny tsiaron'olombelona ny tsy mamaly ny hetahetany, na tsy manome tara-panantenana ho azy ireny. Raha mandà ny maha-olombelona azy ireny isika dia mamadika ny maha-antsika antsika.
Jillian C. York
Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday
Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao amin'ny andininy faha-33n'ny  “Lalàna mikasika kilonga eto Ishikawa” [ja, pdf] fa “Tsy maintsy miezaka ny hanakana ny kilonga any amin'ny fanabeazana fototra, ambaratonga faharoa fototra, ary any amin'ny fanampim-pianarana tsy hampiasa finday ny mpiambina afa-tsy amin'ny fampilazana mialoha loza ho avy, na heloka bevava mety hitranga na antony hafa manokana.” Hihatra ity lalàna vaovao ity manomboka ny voalohan'ny Janoary 2010.
Misalasala ny amin'ny hahatontosa ny fampiharana ity fitsipika ity i Chuei ao amin'ny Mainichi Blog .
これによって、「子供の携帯電話を解約しよう」とか考える親は余りいないだろうね。大体、携帯電話でもパソコンでもウェブ閲覧やＥメールができるのに、何で携帯電話だけ規制なんだろうね？携帯電話の通話機能がいけないとも思えない。
家庭用の火災報知器を設置する義務も、罰則が特にないために設置が進んでいないようだし、この条例が施行された所で効果のほどは知れているだろう。 多分今後携帯電話が絡んだ小中学生の事件が発生した時の県の言い逃れ（学校に責任なし）とか、そういうことに利用されそうな条例だ。
Mahasahy manao fanamby aho fa tsy hisy ray aman-dreny hanafoana ny fananan'ny ankizy finday noho io. Nahoana no asiana lalàna amin'ny antso finday nefa efa afa-mandefa mailaka sy miserasera na amin'ny finday na amin'ny solosaina? Sarotra ny mino fa noho ny resaka antso am-pinday no anton'ity lalàna ity. Tsy manantena loatra ny hisian'ny vokatra amin'io lalàna io tahaka ny tamin'ny fanerena hametrahana fanairana fahamaizana ny trano aho satria tsy misy ny fanasaziana manokana na onitra aloa. Angamba azo ampiasaina ity lalàna ity indray andro any raha misy toe-draharaha mifandraika amin'ny  finday sy sekoly fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa fototra izay  ahafahan'ny prefektiora miala andraikitra, (i.e. tsy misy andraikitry ny sekoly).
Manolo-kevitra i Usagi Inu ao amin'ny Manya Hompo fa ny fampiasana finday mametraka fahana mialoha no vahaolana.
私が思うには、ネットに繋がらないプリペイドの携帯電話を持たせたらいいと思います。プリペイド携帯は決められた度数を越えて使う事ができないため、使いすぎを防止するにはいいと思います。
しかし、不景気の時勢に親が子どもの携帯電話の料金を払うなんて時代が変わりました。自分が子どもの頃は携帯もなく、親に連絡する時は小銭を持ち歩いて公 衆電話を探していましたけど、今では公衆電話を探すのに苦労するから、子どもに携帯電話を持たせるのも仕方ないのでしょうか。
Mieritreritra aho fa ny fanaovana tolotra finday ampidirana fahana mialoha tsy misy fidirana aterineto no vahaolana. Rehefa tsy afa-mihoatra ny fetran'ny fampiasana azy ianao dia ahafahana misoroka ny fampiasana azy tafahoatra izay. Na izany aza efa miova ny toetr'andro ka sarotra ho an'ny ray aman-dreny ny handoa vola ny findain'ny ankizy mandritra ny fitotongan'ny toe-karena. Tsy nisy finday nandritra ny fahazazako. Tsy maintsy nitady sofindavitra andoavam-bola aho rehefa te-hantso ny ray aman-dreniko. Ankehitriny, sarotra ny ahitana ny misy sofindavitra andoavam-bola ka tsy azo ialàna ny manome finday ny kilonga.
Malahelo noho ity lalàna ity ny Mpikambana mifindrafindra misolovava #1 ny SATT izay manome tolotra kojakojam-pianarana an-tserasera.
持つこと自体を禁止してしまうと、たとえば「公教育の中にケータイを取り入れる」といった試み自体ができなくなってしまいます。
Raha rarànao hatramin'ny fananana finday, dia mamono fahafaha-manatratra tajona tahaka ny fampidirana ny finday ho ao anatin'ny curriculum-n'ny fampianaram-bahoaka.
Nampiany fa tokony tany amin'ny mety ho azo atao no nifantohan'ny mpanao lalàna fa tsy tany amin'ny famerana.
ケータイは、日本においてこれだけ普及し、データ通信部分も含め世界に誇れる技術の固まりなので「制限」から入るのではなく、「何ができるのか」といった可能性に目を向けてほしかったと思います。
Satria manko efa malaza dia malaza eto Japana ny finday ary efa zavakanto mahazo vahana manerantany ny teknolojia, ka tafiditra amin'izany ny fivezivezem-baovao, dia faniriako raha mba any amin'ny hoe I wish they would have focused on a possibility of “inona no azontsika ampiasaina amin'ity,” no ifantohan'izy ireo kokoa fa tsy any amin'ny “famerana an'ity.”
Tsy azon'ity ray manan-janaka mirahalahy antsoina hoe Kimme ity ny antony ilàn'ny kilonga finday mialoha be.
我が家は長男が携帯を持ったのは大学に入ってからだ。次男はプリペイド携帯を持たせているが、インターネットを利用出来るようなプランには一切なっていない。いや、別に長男にしろ次男にしろ、自分でバイトして携帯代金払えるなら使って良いと私は思っている。
でも、小学校や中学校の間ははっきり言えば、必要ないと思っていたりする。こんな条例が出来る前から、我が家じゃ小中学生に携帯持たせる気なんてさらさらない訳だ。
でも、条例が出来ちゃうぐらいなんだから、持ってる子供もそれなりにいるって事なんだろう。
防犯の目的で携帯を持つって意味が個人的にはわからない。いや、確かに迷子になって携帯持ってたら探せたりするかもしれない。不審者に連れ去られたら連絡が出来るのかもしれない。塾の帰りが１０時とかだったりするのかもしれない。
でも、防犯のタメに携帯を持たなくちゃならない社会の方が間違っていると私は思うのだけれど。
それよりも、小中学生に携帯電話を持たせる事で引き受けるリスクの方が、よほど大きいとは思わないのだろうか？
Nahazo ny findainy voalohany ny lahimatoako rehefa hankany amin'ny Lisea izy. Nomenay finday ampidirana fahana mialoha kosa ny zandriny, saingy tsy dia be loatra ny fahafaha-manaon'ilay kazaram-pinday tahaka ny tsy ahafahany miserasera an'aterineto ohatra. Mino aho fa mahavidy izay karazam-pinday tiany ry zareo rehefa manana asa an-tselika sady mahaloa izay laniny rahateo. Fa tsy misy ilàn'ny any amin'ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa ireny mihitsy. Tsy nanana eritreritra ny hanome finday ny kilonga mbola kely loatra ao amin'ny fianakavianay izahay na dia talohan'ny nivoahan'io lalàna io aza.
Azoko eritreretina anefa fa matoa navoaka ny lalàna tahaka izao dia betsaka izany ny kilonga no mikarataka ny hanana finday ho azy.
Tsy azoko ny dikan'ny hoe manana finday entina misoroka izay mety hisian'ny fanaovan-keloka. Eny, mety hanampy ny finday raha very izy ireo. Angamba mety hanampy ny finday raha misy maka an-keriny ny kilonga. Na angamba koa ho tonga any an-trano izy ireo amin'ny folo ora alina aorian'ny “fanaovana cours d'appui”.
Fa heveriko kosa fa diso ny fiaraha-monina raha voatery hitondra finday ny kilonga hisorohana izay fanaovan-dratsy mety hihatra aminy.
Mifamadika amin'izany ary, moa ve tsy voaeritreritrao fa  mampidi-doza kokoa ny fanomezana finday ny kilonga any amin'ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa?
Saeko Robinson
Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina
Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra  sy mahay mifandefitra kokoa ny ‘Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io, ary ny zavatra tokony ataony dia ny mamokatra horonantsary maharitra eo amin'ny 1 ka hatramin'ny 5 minitra ao anatin'izany ny lohateny sy fampidirana momba ny fifindra-monina, fahasamihafàna ary fandeferana, ary lohahevitra hafa mifandraika amin'izany. Ny fanazavana feno ny fizotry ny fifaninanana  Plural + dia hita ao amin'ny vohikalan-dry zareo ary hita amin'ny teny Anglisy, Espaniola, Frantsay ary Arabo
andiany mpanao horonantsary nalain'i extranoise http://www.flickr.com/photos/extranoise/155085339/
Manolotra ny fanasàna izy ireo ao amin'ny vohikalany:
Satria fantatra fa anisan'ny singa mahatonga fiovana ara-tsosialy eo amina tontolo miavaka amin'ny tsy fisian'ny fandeferana sy ny fizarazarana ara-kolotsaina sy ara-pivavahana  ny tanora, ny tanjon'i PLURAL+ dia ny hampandray anjara an'ireo tanora amin'ny famahàna ireo olana any amin'ny fiaraha-monin'izy ireo momba ny fidiràn”ireo mpifindra monina, ny firotsahana an-tsehatra, ny maha-izy ny tena, ny fahasamihafana, ireo zon'olombelona ary ny firaisankina sosialy. Ireo fandraisan'anjara mivantan'ireo tanora - na mpifindra monina ry zareo , na taranaka faharoa avy amin'ireo mpifindra monina na tsia – dia afaka mandeha tsy amin'ny fahafantarana an'ireo lalàna ihany fa amin'ny fanasongadinana rivo-panajàna sy fideràna ny tsirairay koa, manampy amin'ny fitadiavana ny làlana mankany amina hoavy mamirapiratra kokoa.
Tsy voatery natao ho an'ity fifaninanana ity ireo horonantsary, fa tokony horonantsary vita taorian'ny Janoary 2008 izy ireo. Ny tsy mampitovy an'ity fifaninanana ity amin'ireo teo aloha izay notanisaintsika tao amin'ny Global Voices dia ny hoe tsy amin'ny alalan'ny fitaovana amin'ny aterineto no hamoahana an'ireo horonantsary, fa tsy maintsy alefa any amin'ny  biraon'ny ‘UN Alliance of Civilizations' any New York ny DVD. Tsy maintsy amin'ny teny Anglisy ireo horonantsary, na misy dikateny Anglisy ery ambaniny. Tsy maintsy voaray alohan'ny 30 Septambra ny tsanganasa vao afaka mandray anjara.
Noho izany araraoty ity indray mitoraka ity, ka raha mifanaraka amin'ity fifaninanana ity ny taonanao, na mahafantatra olona toy izany ianao, dia entano izy handray anjara, ka raha manaiky izy ireo, dia ampafantaro anay raha mamoaka dika mitovy amin'ilay horonantsary amin'ny aterineto ianao, ary apetrao eny amin'ny sokajin'ny tsikera.  Aza adino ny mijery ny FAQ, ny ireo fepetran'ny Fizotran'ny lalao ary ireo vaovao manan-daja hafa momba ilay fifaninanana.
Shina: Ho vita hatreo ve ny politikan'ny zaza tokana?
Araka ny voalazan'ny Time magazine, dia mety hiova ny politikan'ny zaza tokana, anankiray amin'ny maha shina an'i Shina ankehitriny. Taorian'ny fandrisihan'ny tompon'andraikitra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana avy any Shanghai tao amin'ny gazetim-panjakana ny mpivady hiteraka roa vokatry ny fahanteran'ny mponina sy ny tahotra tsy hisian'ny ho avy mamiratra izany. Kanefa manoloana ny resabe naterak'io fanambarana io tany ivelany dia nametraka arofanina ity tompon'andraikitra ity ny 25 jolay 2009 ary nilaza fa efa nekena tany Shanghai ny fiterahana zaza 2 hatramin'izay ary tsy mampirisika ny kaominina handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny an'ny fanjakana akory izy.
Efa taranaka 3 nifandimby izay dia namelona zaza tokana hatrany ireo ray aman-dreny shinoa satria izay no notakian'ny lalàna momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tany an-toerana. Kanefa ny fihetsiky ny kaominina any Shanghai izay mandrisika ny mpivady tanora hiteraka anankiroa hisorohana ny fahanteran'ny mponina ao aminy, tsy dingana voalohany ho an'ny mpitondra sinoa hanova ny politikan'ny fandrindram-piterahana ve izany?
Azo lazaina fa mandinika ity politikan'ny zaza tokana ity i Beijing ankehitriny, politika izay nitondra vokatra teo amin'ny fivelarana ekonomika niaraka tamin'ny fanovana nataon'i Deng Xioping 30 taona lasa izay, kanefa novidiana lafo ihany tamin'ny fanerena teo amin'ny lafiny ara-tsosialy izay navesatra sy toa nifanipaka.
Niteraka resaba teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ity vaovao ity, tahaka ny maha resabe azy ihany koa any amin'ireo gazety maro any an-toerana. Ao amin'ny Foreign Policy dia milaza i James Downie fa fanovana lehibe no miandry ireo tanàn-dehibe sinoa:
Dingana lehibe ny fampidirana ity fanovana ity any amin'ireo tanàn-dehibe sinoa, ary hahaliana ny hahafantatra ny fe-petra horaisin'i Chine hialana amin'ny politikan'ny zaza tokana (politika mbola malaza).
Azo lazaina f a miteraka fikorontanana eo amin'ny mponina any Shanghai ity politika ity. Milaza ny momba ny vesatra holanjain'ny taranaka ho avy i Brendan Malone:
Mampatahotra an'i Shanghai tokoa ny tsy fahampian'isa, satria tsy ampy intsony ny tanora lahy sy vavy hiahy ny fahanteran'ny mponina.
Mpitoraka bilaogy hafa indray no milaza fa tsy ny lafiny ekonomika ihany no ovain'ity politikan'ny zaza tokana ity:
计划生育政策是我们的国策，但不是永远的办法。在上个世纪70年代推行计划生育政策时，中央和国务院的许诺是30年，现在30年已经到了，就应该承诺。
Politika nasionaly ny politikan'ny zaza tokana. Kanefa tsy midika izany fa tsy misy kianina ny momba azy, ary tsy natao ho mandrakizay koa izy io. Tamin'ny taona 70 dia nilaza ny governemanta sy ny solombavam-bahoaka fa natao haharitra 30 taona ihany ity politika ity, 30 taona aty aoriana, fotoana tokony hanajana ny teny nomeny amin'izay izao.
Satria  tsy mety raha ny tanànan'ni Shanghai irery ihany no mahazo miteraka mihoatra ny anankiray:
凭什么上海想生二胎就可以生，难道上海不属于中国，上海经济有特权，难道人也有特权吗？老龄化可以放开户口限制，坚决抗议。
Fa nahoana no Shanghai irery no mahazo manao izany? Fa angaha tsy ao anatin'i Shina izy? Efa nahazo tombony ara-ekonomika izy, ary ankehitriny koa dia mitady tombony amin'ny fahazoana miteraka mihoatra noho ny olona hafa? Laviko an-kitsirano izao ny hoe fihenana noho ny fahanterana.
Vehivavy iray avy any Sichuan, vavy tokan'ny ray aman-dreniny, dia mahita fa mafy tokoa izany hoe tsy afaka hiteraka afa-tsy anankiray ihany satria tsy mipetraka any Shanghai:
如果准许生二胎 那么任何夫妇都应该可以生 为什么要有那么多条条框框呀？不成了特殊群体的特殊权利了吗？我老公有个哥哥 我是独生子女 我们都在外地工作 家也安在外地 有个儿子 我还想着生个女儿呢！
Raha avela hiteraka fanindroany ny ray aman-dreny dia tokony ho mahazo manao izany daholo ny mpivady rehetra eran'ny firenena. Fa maninona no ametrahana fe-petra sy lalàna be ohatr'izany eto amin'ny firenentsika afa-tsy Shanghai ihany? Manana rahalahy ny vadiko fa izaho kosa vavy tokana. Miasa sy monina lavitra ny misy anay izahay miaraka amin'ny zanakay lahy tokana. Te hiteraka vavy koa anefa izahay!
Milaza kosa ity mpitoraka bilaogy iray ity fa raha samy hiteraka fanindroany daholo ny sinoa dia misy fiantraikany koa izany:
中国这个世界人口大国，难道还嫌人口不够多？事实上，鼓励二胎的努力，主要目的是为了平衡劳动力的变少和老龄人口的增多。多年来，中国的计划生育政策一方面取得了巨大的成功，另一方面似乎又非常失败。它有效控制了人口，但却又导致了强制堕胎现象出现。
Te hitombo bebe kokoa ihany angamba ity firenena efa be mponina indrindra eto ambonin'ny tany ity. Ity fijery vaovao ity, izay natao hampitoniana ny ahiahy lehibe ny amin'ny fahanteran'ny mponina sy ny fihenan'ny olona afaka miasa dia fihetsika ofisialy hanoherana ilay politika izay noheverina ho mahafa-po kanefa koa nahitana lesoka goavana. Raha natao fa handanjalanjana ny fitomboan'ny mponina izy ity, dia nitarika koa ho amin'ny fanalan-jaza antery.
Milaza i Chen Jibing mpanao gazety ao amin'ny bilaoginy fa ity fanovana ity dia miteraka ahiahy ihany ho an'ny mponina teratany avy any Shanghai:
我个人认为，这里还有更深层次的心理原因——“你想不想生二胎”这个问题背后，隐含的其实是上海乃至整个中国东南沿海发达地区的一种文化焦虑。
Araka ny hevitro manokana dia misy antony eo amin'ny fisainana ny fanontaniana hoe “Mbola te hiteraka ve iaanreo?” Avy amin'ny tahotra eo amin'ny lafiny ara-koltoraly izany, mahakasika an'i Shanghai manokana sy ireo faritra any an-tsisin-tany mifanakaiky aminy.
在上海，我相信每个像我这样年龄的中青年父母都会有一个不大不小的烦恼——孩子不愿也不会说上海话。按照目前的这种趋势，恐怕不需要再过30年，曾一度被全国人民拿来作为讽刺小品素材的上海方言将会基本消失。
Any Shanghai, heveriko fa manahy ireo ray aman-dreny tanora tahaka ahy ny hahita ny zanany tsy hahay hiteny Shanghai intsony. Raha mitohy izao zava-misy izao dia azoko antoka fa ao anatin'ny 30 taona dia tsy ho heno intsony ny teny Shanghai, izay teny fampiasa amin'ny tantara kely isan-karazany.
George Sun
Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy
Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy .
Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna azy  any  amin'ny  tobim-pahasalamana; Nanoratra momba ny fihaonany  tamin'ny  mpitsabo tao  amin'ny toeram-pitsaboana izy:
“يا مدام… دي نضافة عشانه”
آه… ده انت جاي لرزقك بقى، باعتبارنا في القرن الرابع للهجرة وما عندناش مية ولا صابون ولا “وِت وايبس” جونسون وجونسون
فكرت أن أشرح للطبيب الأنيق إنه في أغلب الظن حمار لا يقرأ ولا يعرف سوى ما قرأه في “كتيب الاستخدام”. فكرت أن أشرح له أيضا إنني لن أسمح لليهود أن يقرروا التقطيع من جسم رضيع أنا مسئولة عنه. إنما عدت وتذكرت: بالنظر لإنه حمار ولم يقرأ سوى كتيب الاستخدام ولا يعرف عن اليهود سوى إنهم أحفاد القردة والخنازير … إيه احتمالات إنه يفهم؟
Hoy ny mpitsabo: “Fepetra ho an'ny  fahadiovana ara-pahasalamana  ho azy  izy  io”
Hoy ny navaliny: “Eny e! .. satria ao anatin'ny taona faha 4-n'ny Hijri [fanisàn'andro Arabo] isika ary tsy mbola naheno mihitsy izany atao hoe savony, shampoing, ary ny lafika Johnson & Johnson natao ho an'ny zazakely?”
Nihevitra aho ny hanazava tamin'ilay mpitsabo,  izay angamba tsy mahafantatra firy ny momba ny tenan'olombelona ankoatr'izay nampianarina azy toy ireny anaty  boky “Ho an'ny mpampiasa [user manual]” ireny . Tao an-tsaiko ihany koa ny hiteny taminy fa tsy hamèla Jiosy mihitsy hanery ahy  hanapaka na dia singam-bolo iray amin'ny tenan-janako aho saingy niniako nohidiana ny molotro  - noho izy mety tsy mahafantatra zavatra firy momba ny Jiosy ankoatra izay rèny momba an-dry zareo hoe taranaka rajako sy kisoa… inona no mba vintana anànany hanakatra ny amin'izay tiako hambàra azy?
Avy eo nanopy maso an-janany izy no sady niteny  hoe:
لا أعرف النقطة التي خرج عندها الطبيب الأنيق تحديدا، كان الولد ملفوفا بعمر يوم واحد يكاد لا يلاحظ لو طويت عليه معطفي وهم يريدون أخذه ليوخزوه بالإبر ويقصوا من جسده المنهك بالمقص، ويعذبون أيامه الأولى بالبول الحمضي السائل على جرحه المفتوح. آه يا جزارين يا مجرمين يا جهلة. ما تخافش يا واد، ولا حد يقدر يلمسك وأنا موجودة، أمال إنت فاكر إيه؟ لما تكبر ابقى قطع في روحك زي ما أنت عايز، إنما لحد ما تكبر لك عندي أسلمك لنفسك صاغ سليم.
Tsy haiko hoe rahoviana ny mpitsabo no tena hamèla anay saingy inona no tena mba ao an'eritreritr'izy ireo rehefa te-haka ny zanakolahy izay vao iray andro monja ka hanindrona fanjaitra ity vatana keliny  mbola marefo sy hanàpaka ampahany aminy aminà hety mamanàla iray? Ireo mpanimbin-kena ireo dia te-hampangirifiry anao dieny aty amin'ny andro voalohany iainanao eto amin'ity tany ity ary hampangirifiry mafy anao rehefa injay mahakitika io fery misokatra io ny pipy [amany] .. Ireo  mpanimbin-kena vendrana ireo! Aza matahotra azy ireo izany zanako lahy malalako izany, tsy misy olona afaka hanainga ny tanany aminao raha mbola velona koa aho. Rehefa lehibe ianao dia azonao atao ny manapaka izay tianao tapàhana amin'ny tenanao … mandrapahatongan'izany tsy misy olona afaka hikitika anao.
Eo ampisainana ny zanany vao teraka, dia naniry izy hoe:
كنت أود أن أعده إن تلك هي المرة الأخيرة التي سيتهدده الجهل والقسوة فيها، ولكنني كنت أعلم إنها ليس كذلك، وإن هذه ليست سوى الموقعة الأولى … فحسب.
Tiako tokoa ny hampanantena anao hoe ity  no farany hikirakirana anao ao anaty tsy firaharahiana sy halozàna saingy, indrisy, fantatro loatra fa tsy izany no fizotry ny tantara …Vao ny dingana voalohany ity!
Emad ao amin'ny  Something for the Soul nanoratra hoe:
الحمد لله نجحت حملة أوقفوا ختان الأولاد … ليس فقط البنات و إنضمت إلينا الدكتوره سهام عبد السلام و هى باحثه و مؤلفة لاحد الكتب و فى السابق أجرى موقع العربيه معها لقاء و نشره تحت عنوان باحثة مصرية ترى ان ختان الذكور جزارة ارتبطت بالمجتمع الذكوري وان الاسلام لا علاقة له بالختان و عنوان فرعى الختان جزاره لا طهاره و فتحت علينا كنز من معلوماتها العليمة و عن طريقها إتصلت بنا منظمه أمريكيه إسمها نوسيرك تتخصص فى محاربة ختان الأولاد تلك العاده التى أخذت تقل فى الولايات لمتحده
Misaotra ny Tompo, ny  Fanentanana nataontsika tao amin'ny Facebook ho fanoherana ny famoràna ny zazalahy dia nahasarika ny sain'ny mpikambana marobe  tokoa. Dr. Seham Abdel Salam - mpikaroka iray sady mpanoratra - dia nanohana ny fitakiantsika tamin'ny filazàna fa ny famoràna zazalahy dia asan'ny mpanimbin-kena tsotra izao ary ny fototra nipoirany mivantana dia avy  amin'ny fiaraha-monina anjakan'ny lehilahy; tsy misy idiran'ny Silamo mihitsy ao anatin'izany fomba izany. Ny  NOCIRC ihany koa - fikambanana Amerikana iray miady amin'ny famoràna ny zazalahy - dia nila resaka tamintsika.
Ao amin'ny Facebook-ndry zareo, tonga dia nokianin-dry zareo  ka nanaovany hitsin-dàlana ny resaka maro mifandray amin'ny fanoherana izay anaovan'izy ireo fanentanana; fivavahana, Siansa, SIDA, ary ny fahadiovana.
Ny mpitoraka blaogy Ahmad Al Sabbagh indray dia leo amin'ny karazana fanentanana toy itony ka  nilaza fa:
ثم فجاءة وعلى حين غرة وفى غفلة من الزمن وقد توقفت الساعة عن الدوران وجدت من يعبث بذكورتى .. أسف لا أعنى هذا المعنى الأبيح الذى برز إلى مخيلتك .. لكننى وأثناء جولة فيسبوكية إعتدت أن اقوم بها كل عدة أيام .. فوجئت بأن هناك حملة كبرى تم تدشينها للدعوة إلى وقف ختان الذكور وفوراً !!
ليس هذا فقط بل إن الجروب مدعم بالصور والرسومات التوضيحية التى تبين فظاعة جريمة ختان الذكور !!
طبعاً .. لن أخوض فى تفاصيل أخرى لإننى لست بعالم دين .. لكن يكفى بأن أقول أنك إذا حدثت أول شيخ أو عالم دين تقابله فى طريقك عن وقف ختان الذكور فى مصر فانه بالتأكيد سوف يتخلى عن وقارة ولربما ينصحك بإعادة الختان ..
أرحمونا يرحمكم الله
ختان إيه اللى نوقفه للذكور ..
على أى نص دينى تستندون ؟
على أى قاعدة علمية تستندون ؟؟
أم أنكم تعاطفتم مع الرجل فأردتم مساواته بالمرأة التى مُنع ختانُها ؟
هل إنتهت قضايا حقوق الإنسان فى مصر ، وأصبح للعضو الذكرى الحق الوحيد فى المطالبة بوقف ختانه ؟
السادة والسيدات أعضاء المجلس القومى للمرأة والرجل والطفل وكل المجالس القومية لكافة الكائنات الحية ..
عشان خاطر النبى،
أرحمونا يرحمكم الله ..
Tampotampoka eo ary amin'ny fotoana toa mampilamina ny zavatra rehetra, tafajabaka taminà vondrona  Facebook iray tsy mankasitraka ny famoràna zazalahy aho! Nandefa sary vitsivitsy momba ny fizotry ny famoràna mihitsy ilay vondrona mba hanehoany  ny endrika habibiana ananan'ity fomba ity.  Mazava loatra fa tsy hiditra amin'ny antsipirihany aho satria izaho tsy olona mpivavaka saingy heveriko fa raha mihazakazaka manàkana olona mpivavaka eny an-dàlana eny ianao mba mangataka azy  hizara ny fomba fijeriny ny amin'ny fandraràna ny famoràna zazalahy, azoko antoka fa tsy hahafaly azy velively ianao ary tsy ho tompon'ny tenany izy hiteny aminao ny mba hampiasanao saina tsara!
Mamindra fo aminay! Avelao  izahay hilamina.. feno ny kapoakanay!
Fototra toy inona no anorenanareo ny fitakianareo? Ara-pivavahana sy ara-tsiantifika? Sa fialonana ny vehivavy dia nanapa-kevitra ianareo hitaky fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy nony injay hoe famoràna no resahana? Efa lany balan'ny fiarovana ny zon'olombelona ve isika eto Ejipta ka tsy hiresaka intsony afa-tsy iny lohan-javatra kely iny?
Mamindra fo aminay ..Mitalaho aminao aho!
Japana: Fitadiavam-bady!
Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny  konkatsu 婚活 (fanafohezana ny  kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza shûkatsu (就活 fitadiavan-kasa), afaka adika tsotsotra hoe ‘fitadiavam-bady'.
Tsy teny vaovao monja ihany ny Konkatsu Konkatsu fa trangam-piarahamonina nipoitra tsikelikely ka nahatonga ny Japone ‘hanome anarana’ sy hanaiky azy, ary koa haneho azy anatina tantara an-tsary mitohy [ja] sy fandaharana amin'ny fahitalavitra [ja].
Sary avy ao amin'ny Flickr-n’i Kalandrakas
Fantatra amin’ny maha-iray amin’ireo firenena ahitàna taham-piterahana kely indrindra eran-tany, miatrika olana hafa ihany koa i Japana, mety ho noho ny farim-piainana ambony kokoa: ny fisondrotrin’ny isan’ny olona tokan-tena, izay tsy manana eritreritra hamotsotra ny faniriany momba ny asa sy ny fahaleovantenan’izy ireo mba hanangana ankohonana.
Araka ny fanadihadiana ao amin’ny ‘Ny zava-misy eto amin’ny firenena' [ja] nataon’ny National Institute of Population sy ny Social Security Research, nandritra ny 30 taona teo anelanelan’ny taona 1970 sy ny taona 2000, nisondrotra avo telo heny ny tahan’ny vehivavy tsy manam-bady (20-30 taona) raha 18% dia lasa 54% ary ny tahan’ny lehilahy tsy manam-bady (30-40 taona) koa dia nisondrotra ho 43% raha 12 % teo aloha.
Noho izany, toa tsy dia mifanaraka amin’ny lamaody ny fitadiavam-bady, nefa, mety ho noho ny olana ara-toekarena na mety noho ny tsindry ara-tsosialy zakain’ireo tokan-tena ankehitriny, indrindra ny vehivavy, maro ireo vehivavy sy lehilahy azo lazaina ho efa   matotra no nanapa-kevitra ny hamoritra tanan’akanjo ary hitady vady.
Konkatsu@net, vohikala natokana ho an’ny konkatsu dia manome toro-hevitra mba hahombiazana amin’ny ‘fitadiavam-bady’.
『就活』には「会社説明会の参加」や「面接」などの会社との接触だけではなく、「資格を取る」「自分の長所・短所を探す」「情報を集める」「SP対策を行う」といった前段階の活動が含まれますよね。
Nandritra ny fotoan’ny ‘fitadiavan-kasa', tsy dia ny manana fifandraisana amin’ilay orinasa tianao iasàna fotsiny ihany no ilaina mba hahafahana manatrika ireo fikarakarana fihaonana ho fampahafantarana omaniny sy hahazoana dinidinika fandraisana mpiasa. Misy savaranonando tena manan-danja koa, toy ny fahazoana fahaiza-manao manokana, ny fahafantaranao izay tena hery mampiavaka anao sy izay fahalemenao, ny fitrandraham-baovao ary ny fiomanana amin’ny fanadinana an-tsoratra mahazatra.
それと同じように、『婚活』にも様々な活動が含まれます。
男性なら「体を鍛える」「服選びのセンスを磨く」「話題を増やす」「メンズエステに通う」、女性なら「エステやネイルサロンに通う」「料理の勉強や習い事」まで、全てが結婚活動の一部と言えます。
しかし、『婚活』において最も重要な活動は「出会いを増やすこと」です。
Toy izany koa, miankina  amin-javatra maro samihafa ny ‘fitadiavam-bady’.
Ny lehilahy dia ‘hanazatra ny tenany, ‘hanatsara ny fitiavany eo amin’ny fifidianana akanjo', ‘hampitombo ny karazan-javatra horesahana' ary ‘hakany amin’ny trano fikarakarana hatsaran-tarehy'. Toy izany koa ny vehivavy dia ‘hikarakara ny vatany sy ny hohony' ary ‘hianatra nahandro'. Noheverina ho nilaina daholo ireny fepetra ireny ho an’ny  konkatsu.
Na izany aza, ny tena zava-dehibe dia ‘ny fampitomboana ny isan’ny fotoana ahafahana mifanena amin’olona maro'.
Chii, vehivavy 37 taona mpiasa am-birao, dia mitantara ao amin’ny vohikalany ny zavatra niainany amin’ny maha-mpitady vady azy nisoratra anarana tamina ‘orinasa mpanampy amin’ny fanambadiana'.
Nanazava ny antony nandraisany anjara tamina fandaharan’asa  konkatsu izy ao amin’ny teny fampidirany. Ny tena niavaka dia ny nanehoany tamin’ny fomba mampihomehy kely ao amin’ny pejy anaovany fandalinana sy anaovany kisarisary ireo olona hafahafa naroson’ny masoivoho mpanampy amin’ny fitadiavam-bady taminy ka nandiso ny fanantenany hahita ny ‘silam-panahiny'.
27歳から32歳まで付き合っていた彼氏にまさかの別れを告げられ、その後は「何とかなるか・・・」という気持ちを心の拠り所に独身生活を続けています。
今の職場もかれこれ10年以上勤めているのである意味お局様状態なのですが、私よりも大御所が何人かいるのでプチお局様程度のキャリアです。
そしてこんなままではあの大御所に追いついてしまう！（追い越すことはありませんが・・・）という危機感から、一念発起して『結婚相談所』に入会したという訳です。
Nanana olon-tiana aho nanomboka tamin’ny faha-27 ka hatramin’ny faha-32 taonako. Nefa hatramin’ny nilazany tamiko fa te-hisaraka amiko izy, nanohy ny fiainako toy ny tokan-tena aho ary nieritreritra fa na izany aza dia hihatsara ihany ny toe-draharaha.
Niasa birao efa ho 10 taona mahery aho ary amin’ny lafiny iray, izaho NO vehivavy mitana toerana ambony nefa ny ahy dia ‘asa kely’ ihany raha mitaha amin’ny an’ireo olon-kafa izay lehibe ato amin’ny orinasa misy ahy.
Ka mba hisorohana ny fijanonana ela eto miaraka amin’ireo olona ireo (tsy ho voasongoko na oviana na oviana ry zareo…), nanapa-kevitra aho hisoratra aminà ‘orinasa mpanampy amin’ny fanambadiana'.
確かに結婚相談所では私の条件に見合った男性を毎月紹介してくれます。
でも・・・、でも違うんです。
データ上の数字（年齢・年収・体型）は合格なんです。
でもでも・・・違うんです。
別に高望みはしません。普通の人でいいのです。
そう・・・普通の人。
Lehilahy hafa isan’andro mahafeno ireo fepetra napetraka no ampihaonin-dry zareo amiko.
Nefa…toa mbola misy zavatra tsy mety foana.
Raha mijery ny momba azy ireo (taona, fidiram-bola, toe-batana ivelany) dia ao tsara ry zareo.
Nefa, nefa…mbola misy zavatra tsy mety.
Izaho tsy miandry zavatra manokana. Olona tsotra no ilaiko.
Eny … olona tsotra.
Ankehitriny, hita eny amin’ny biraom-bahoaka koa ireo dokam-barotra momba ny masoivoho mpanampy amin’ny fitadiavam-bady, araka ny tenenin’i Bon amintika.
区役所で結婚相談という広告が目に入る
戸籍謄本が必要で発行される間、多くの広告が目に入る中で１ヵ月過ぎた先日、ふらっと広告を貰いに
そして、電話してみた
来週、登録へ
Tao amin’ny biraon’ny distrika aho ary nisy dokambarotra iray momba ny orinasa mpanampy amin’ny fitadiavam-bady nisarika ny saiko
Andro vitsivity teo aloha, iray volana taorian’ny nahitako voalohany ilay dokambarotra ary nandritry ny fikarakaran’izy ireo dika mitovin’ny bokim-pianakaviana, tsy tamim-pieritreretana loatra no nandikako iray tamin’ireny dokambarotra ireny.
Avy eo aho niantso azy ireo
Hisoratra anarana aho afaka herinandro
Nefa momba ireny karazana masoivoho ireny sy ny tranga toy ireny amin’ny ankapobeny, tonga avy any amina renim-pianakaviana Japone nanoratra tamin’ny teny anglisy ny tsikera vitsivitsy:
Mila manao fanadihadiana sy fanadinana ve ry zareo mba hifankahitany amin’ny olona hiarahany? Mila manao akanjo tsara mba ho toy ny olom-banona ve?
Tsy maintsy manana fisainana ambadika ny olona namorona ireo teny vaovao ireo. Mitsara ireo tanora izy mba hahatonga azy ireny ho maika hanambady sy ho resy lahatra ho any amin’ny
masoivoho mpanampy amin’ny fitadiavam-bady [ja]!
Aza dondrona, tompokolahy sy tompokovavy! Aza maimaika ary aza mamita-tena!
Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana
hunger
Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana.  Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo lahatsary mitondra anao hiresaka ny momba ny hanoanana omaly, ankehitriny ary amin'ny fotoana ho avy.
Ity lahatsary manaraka ity dia efa vonona ao amin'ny Culture Unplugged vohikla iray mampiroborobo ny lahatsarim-panadihadiana, fohy na sarimihetsika finday, ary manome loka amin'ny alalan'ny vola ireo izay tena  malaza. Eo ho eo amin'ny 6 minitra eo ny faharetan'i Chicken A la Carte ary ny fisongadinan'ny an-tsary ao aminy no mahatonga azy mahahoatra ny fisakanan'ny tsy fifankahazoan-teny:
<object width="400" height="300" data="http://www.cultureunplugged.com/swf/embedplayer.swf" type="application/x-shockwave-flash"><param name="name" value="cultureUnpluggedPlayer" /><param name="align" value="middle" /><param name="flashvars" value="video=http://cdn.cultureunplugged.com/lg/CHICKEN_ALA_CARTE.flv&m=1081&u=0&thumb=http://cdn.cultureunplugged.com/thumbnails/lg/1081.jpg&sURL=http://www.cultureunplugged.com&title=Chicken a la Carte&from=Ferdinand Dimadura" /><param name="src" value="http://www.cultureunplugged.com/swf/embedplayer.swf" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><param name="quality" value="high" /></object>
Jereo ao amin'ny cultureunplugged.com ity lahatsary ity
Maro tamintsika fahakely no nandre ny renintsika hanapitra ny sakafo eo ambiliantsika, sy hoe misy ny ankizy kepaky ny hanoanana any amin'ny faritra hafa eto ambonin'ny tany any: ny marina dia mety hoeo amin'ny manodidina antsika eo dia efa misy ankizy kere.
Ity lahatsary manaraka ity kosa indray izay notontosain'i CarolinaMed dia  mampahatsiahy antsika ny tsy rariny amin'ny fanariana sakafo na fandanilaniana azy amin'ny tsy antony ary mametraka isa raha jerena ny  lanin'ny firenena voalohany manerantany, sy ny isan'ny olona mety hahazo  tombontsoa tamin'ny sakafo nariana.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/LaXUw-g4y64&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/LaXUw-g4y64&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ary avy any Singapore, azahahasupernova no manontany: Inona no fialantsininao amin'ny fandanilaniam-poana ny sakafo, ary omeo ny antony  mety hanimbàny ny tontolo iainana.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/zyv_uR4Ru2M&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/zyv_uR4Ru2M&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Tsy zava-baovao ny hanoanana any Philippines: Misy ny angano mifototra amin'ny fitadiavan-tsakafo hihinanana hialana amin'ny hanoanana: Tahaka izany ity lahatsary ahetsika fohy natao tamin'ny lokorano manaraka ity. Mitantara kely ny momba azy ity ny mpanetsika tokomokolika:
Ny tantaran'i Bontoc dia miresaka hazo iray mijoro eo ekani'ny ony Danum akaiky an'i Sagada. Ity dia angano mikasika vehivavy iray antsoina hoe Maeng, ary ny tena masaka ao an-dohany dia ny hamonjena ny fianakaviany hiala amin'ny hanoanana.
Tantara namboarina avy amin'ny angano Philippine nangonin'i Damiana Eugenio izy io. Ao amin'ny boky dia tsy manana anarana ny olona resahina ao fa ny anaran'ny tanàna niaviany dia hoe Maeng.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/1Zh8VAuKG5Y&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/1Zh8VAuKG5Y&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ny sary hajia dia Give us This… by Mr. Kris
Juliana Rincón Parra