The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Kilonga Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Kilonga

2009-10-31

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

2009-09-08

Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza

Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.

2009-08-15

Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao ...

2009-08-04

Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-moninaVideo post

Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra sy mahay mifandefitra kokoa ny 'Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io

2009-08-02

Shina: Ho vita hatreo ve ny politikan'ny zaza tokana?

Araka ny voalazan'ny Time magazine, dia mety hiova ny politikan'ny zaza tokana, anankiray amin'ny maha shina an'i Shina ankehitriny. Taorian'ny fandrisihan'ny tompon'andraikitra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana avy any Shanghai tao amin'ny gazetim-panjakana ny mpivady hiteraka roa vokatry ny fahanteran'ny mponina sy ny tahotra tsy hisian'ny ho avy mamiratra izany. ...

2009-06-05

Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy . Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny hamoràna ...

2009-05-29

Japana: Fitadiavam-bady!

Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny konkatsu 婚活 (fanafohezana ny kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza shûkatsu (就活 fitadiavan-kasa), afaka adika tsotsotra hoe ‘fitadiavam-bady'. Tsy teny vaovao monja ihany ny Konkatsu Konkatsu fa trangam-piarahamonina nipoitra ...

2009-05-22

Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohananaVideo post

hunger Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana. Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo ...