· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Fanadihadiana Tranga tamin'ny Marsa, 2012

Greencore: Fanasongadinana Ny Feon'ireo Mongôla Momba Ny Fahasimban'ny Tontolo Iainana

Rising Voices  21 Marsa 2012

Ny Greencore.org dia ONG iray avy ao Mongolia izay nitarika ny fanadihadiana tao Matad ao Dornod Aimag teo anelanelan'ny Aprily ka hatramin'ny Oktobra 2011. Ity tetikasa ity dia nitaona ny olona tao an-toerana izay nandray anjara mba hameno ny CRC (Citizen Report Cards, Tatitra an-tSarintany avy amin'ny Olom-pirenena) misy fanontaniana miisa 13 momba ny heviny mikasika ny fahasimban'ny tontolo iainana ao amin'io faritra io. Zaraina voalohany indrindra ao amin'ny bilaogin'izy ireo ny tatitra izay natao tamin'ny fiteny Mongôla.

IndigiTUBE: Fampahalalam-baovao Avy amin'ny Sy Ho An'ireo Vahoaka Vazimba Teratany Any Amin'ny Faritra Lavitr'Andriana Ao Aostralia

Rising Voices  06 Marsa 2012

Ireo vazimba teratany any amin'ireo faritra lavitr'andriana any Aostralia dia mitoetra hatrany ho ny vondrona faran'izay navela ho anjorom-bala eo amin'ny firenena ary miatrika fahantràna sy fanavakavahana isan'andro.IndigiTUBE dia vondrom-piarahamonina ety anaty aterineto ho fifampizaràna sy fidirana amin'ny fampahalalam-baovao natao sy ho an'ireo vazimba teratany any amin'ireo faritra lavitr'andriana ao Aostralia. IndigiTUBE dia sady ahitàna pejy fidirana aminà fampielezam-peo sy tolotra lahatsary averina ampitaina mivantana.

Tetikasa Tsy Azo Montsanina: Mampiasa ny Teny Fanararaotana Mba Hanentanana Sy Hanasitranana

Rising Voices  04 Marsa 2012

Grace Brown, mpianatra iray ao amin'ny Fianarana ambony ny Haikanto natao ho an'ny maso any New York, tohina tamin''ilay famaritana mampihorohoro ny fanararaotana ara-nofo avy amin'ilay niharany hany ka ny Oktobra lasa teo dia nanomboka tetikasa an-tsary antsoina hoe Project Unbreakable izy. Ny hevitr'i Grace amin'izany dia ny fampiasàna ny sary mba hanampiana ireo avotra tamin'ny fanararaotana ara-nofo amin'ny alalan'ny fangatahana azy ireo hitanisa ampahany tamin'ny fitenin'ilay mpanararaotra azy ireo amina peta-drindrina ka maka sary azy ireo mitana izany peta-drindrina izany.

Blogs4Aid: Fampielezan-kevitra Ho Fampiatoana ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy Any India

Rising Voices  04 Marsa 2012

Hiatrehana ny fitombon'ny isan'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy any India, Shemeer Padinzjharedil (29), injeniera amin'ny fanangànana sy mpamorona rindrambaiko teo aloha, nanapa-kevitra ny hihetsika. Nanangana vohikala mipetraka any Ushahidi izy antsoina hoe www.maps4aid.com izay ahafahan'ny tsirairay mitatitra ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy. Nanomboka fampielezan-kevitra iray vaovao ny Maps4aid, Blogs4Aid mba hanapariahana ireo tatitra nangon'ny Maps4Aid sy hampitombo ny fitandremana.

Congo In Focus: Mampahery Ireo Mpianatra Kongôley Amin'ny Alalan'ny Fanaovan-gazetim-Bahoaka Sy Ny Multimedia

Rising Voices  03 Marsa 2012

Anne Medley, mpaka saripika an-gazety sy mpaka lahatsary mipetraka any Etazonia ary ny Hetsika ho an'i Kongô dia namolavola tetikasa fampianarana fanaovan-gazety "multimedia" ho famporisihana ireo mpianatra Kongôley amin'ny fitantaràn'izy ireo ny tantarany ho amin'izao tontolo izao. Notaterahina tamin'ny 2010 io atrikasa io ary nasongadina tao anatin'ilay vohikala 'Congo In Focus" ireo zava-bita avy tamin'izany.