· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Fanadihadiana Tranga tamin'ny Febroary, 2012

Digital Divide Data: Manampy Hananganana Harena Ara-olona Avy Amin'ireo Fiarahamonina Niangaran'ny Vintana

Rising Voices  23 Febroary 2012

Niainga tamin'ny fahitàna ny fahombiazan'ny fanapariahana ny IT tao India, dia niara-nanangana ny Digital Divide Data i Jeremy tamin'ny fametrahana ny hetsika Data Entry tao Kambodza tamin'ny 2001, nifantohana tamin'ireo tanora avy amin'ny rantsana faran'izay mahantra sy tsy nisy mpijery teo amin'ny fiarahamonina. Ny DDD dia nanome fahafahana ho an'ireo kamboty, tantsaha mpifindra monina, ary ireo manan-kilema sy noho izay no mahasamihafa azy amin'ireo tranom-pandraharahàna hafa rehetra.

Somalia Speaks: Manamafy Ny Feon'Ireo Somaliana Tsy Misy Mpihaino

Rising Voices  10 Febroary 2012

Iray amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana izay miafara any anatin'ny tontolon'ny media noho antony ratsy i Somalia: ady sivily, kere, haintany, ireo piraty Somaliana raha tsy hanonona afatsy vitsivitsy. Miaraka amin'ny fanampiana entin'ny sehatra fifanakalozana mipetraka ao amin'ny Ushahidi "Somalia Speaks", manangona feo tsy misy mpihaino avy ao Somalia ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy amin'ny alàlan'ny SMS. Avadika ho amin'ny teny Anglisy ireo valinteny ary amin'ny farany dia raketina anaty sarintany.

Okraina : Sarintany “interactif” Amin'ny Aterineto Manampy Amin'ny Ady Amin'ny VIH

Rising Voices  06 Febroary 2012

Ny Mpanao Asa Soa Okrainiana tsy miankina, Elena Pinchuk ANTIAIDS foundation miara-miasa amin'ny Biraon'ny Google Okrainiana dia namorona tolotra sosialy vaovao maps.antiaids.org. Izany tolotra vaovao izany dia hanampy ireo Okrainiana mpampiasa aterineto hahita amin'ny fomba tsotra sady haingana ireo toerana fitiliana VIH any amin'ny faritra misy azy, ary koa ireo toeram-pivarotana fimailo.