Tantara misongadina mikasika an'i Fanadihadiana Tranga
Mizara Fahalalàna Manerana Ny Tendro Atsimo Ny LibreBus

Mizotra manerana ireo firenenan'i Shily, Arzantina, Orogoay ary Paragoay ny The LibreBus (Fiara Fitaterana Malalaka) ConoSur, mijanojanona ka mikarakara adihevitra sy atrikasa momba ny lanjan'ny fahalalahana miteny, ny rindrambaiko malalaka, ny fizaràna votoaty, ary ireo loharano fanabeazana misokatra.
OpenWatch: Fampiasàna Ny Finday Hahafahan'ny Vahoaka Manara-maso

Ny OpenWatch dia tetikasan'ny mediam-bahoaka fampandraisana anjara izay mampiasa ny teknolojia fitondra mandehandeha mba hampalalaka ny fanaraha-mason'ny vahoaka ny fanaovana kolikoly sy ny famoretana. Mizara roa ny OpenWatch, rindrambaiko anaty finday ho an'ny Android sy ny iOS izay mitahiry feo sy lahatsary an-katakonana, ary rindrambaiko manana loharano misokatra hanangonana ireo tahiry sy mampiantrano azy ireo anatina vohikala azon'ireo mpampiasa tsidihana.
Speak Out Tunisia: Fanofànana Olon-tsotra Hanao Gazety Mba Hisian'ny Gazety Malalaka Sy Tsy Mitanila

Speak Out Tunisia dia tetikasa iray ho fanofanana momba ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra izay mikendry ny hampianatra vondronà olom-pirenena Toniziana samihafa mikasika ny media dizitaly sy ny fanaovan-gazety anaty aterineto.. Taorian'ny Revolisiona Toniziana, Speak Out Tunisia dia mitady izay hamerenana ny tanjaky ny gazety malalaka sy tsy mitanila ho an'ny vahoaka Tonizian. Anne Medley, niaraka tamin'ny Le PaCTE Toniziana, dia nampianatra andian'olona sambany vao niroso ho amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra tany atsimon'ny tanànan'ny Kebili sy andiany iray efa mba mahaihay ihany tao Tunis.
-
IsumaTV: Miaro Ny Median-janatany Ary Mampifandray Ireo Vondrom-piarahamonina Teratany
10/04/2012
-
Greencore: Fanasongadinana Ny Feon'ireo Mongôla Momba Ny Fahasimban'ny Tontolo Iainana
21/03/2012
-
Tetikasa Tsy Azo Montsanina: Mampiasa ny Teny Fanararaotana Mba Hanentanana Sy Hanasitranana
04/03/2012
-
Blogs4Aid: Fampielezan-kevitra Ho Fampiatoana ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy Any India
04/03/2012
-
Congo In Focus: Mampahery Ireo Mpianatra Kongôley Amin'ny Alalan'ny Fanaovan-gazetim-Bahoaka Sy Ny Multimedia
03/03/2012
Tantara farany mikasika an'i Fanadihadiana Tranga
06/03/2012
IndigiTUBE: Fampahalalam-baovao Avy amin'ny Sy Ho An'ireo Vahoaka Vazimba Teratany Any Amin'ny Faritra Lavitr'Andriana Ao Aostralia

Ireo vazimba teratany any amin'ireo faritra lavitr'andriana any Aostralia dia mitoetra hatrany ho ny vondrona faran'izay navela ho anjorom-bala eo amin'ny firenena ary miatrika fahantràna sy fanavakavahana isan'andro.IndigiTUBE dia vondrom-piarahamonina ety anaty aterineto ho fifampizaràna sy fidirana amin'ny fampahalalam-baovao natao sy ho an'ireo vazimba teratany any amin'ireo faritra lavitr'andriana ao Aostralia. IndigiTUBE dia sady ahitàna pejy fidirana aminà fampielezam-peo sy tolotra lahatsary averina ampitaina mivantana.
23/02/2012
Digital Divide Data: Manampy Hananganana Harena Ara-olona Avy Amin'ireo Fiarahamonina Niangaran'ny Vintana

Niainga tamin'ny fahitàna ny fahombiazan'ny fanapariahana ny IT tao India, dia niara-nanangana ny Digital Divide Data i Jeremy tamin'ny fametrahana ny hetsika Data Entry tao Kambodza tamin'ny 2001, nifantohana tamin'ireo tanora avy amin'ny rantsana faran'izay mahantra sy tsy nisy mpijery teo amin'ny fiarahamonina. Ny DDD dia nanome fahafahana ho an'ireo kamboty, tantsaha mpifindra monina, ary ireo manan-kilema sy noho izay no mahasamihafa azy amin'ireo tranom-pandraharahàna hafa rehetra.
Frankofonia : Andro Manerantany Ho An'ny Tenin-dreny

Ny 21 febroary no Andro Manerantany Ho an'ny Tenin-dreny. Ny niandohan'io fanomezam-boninahitra io sy fihodinkodinana kely ao anatin'ny tontolon'ny tany miteny sy mampiasa ny teny frantsay ary ireo teknolojia vaovao.
10/02/2012
Somalia Speaks: Manamafy Ny Feon'Ireo Somaliana Tsy Misy Mpihaino

Iray amin'ireo firenena an-dalam-pandrosoana izay miafara any anatin'ny tontolon'ny media noho antony ratsy i Somalia: ady sivily, kere, haintany, ireo piraty Somaliana raha tsy hanonona afatsy vitsivitsy. Miaraka amin'ny fanampiana entin'ny sehatra fifanakalozana mipetraka ao amin'ny Ushahidi "Somalia Speaks", manangona feo tsy misy mpihaino avy ao Somalia ny Al Jazeera amin'ny teny Anglisy amin'ny alàlan'ny SMS. Avadika ho amin'ny teny Anglisy ireo valinteny ary amin'ny farany dia raketina anaty sarintany.
06/02/2012
Okraina : Sarintany “interactif” Amin'ny Aterineto Manampy Amin'ny Ady Amin'ny VIH

Ny Mpanao Asa Soa Okrainiana tsy miankina, Elena Pinchuk ANTIAIDS foundation miara-miasa amin'ny Biraon'ny Google Okrainiana dia namorona tolotra sosialy vaovao maps.antiaids.org. Izany tolotra vaovao izany dia hanampy ireo Okrainiana mpampiasa aterineto hahita amin'ny fomba tsotra sady haingana ireo toerana fitiliana VIH any amin'ny faritra misy azy, ary koa ireo toeram-pivarotana fimailo.
03/01/2012
India: Manangom-baovao Avy Any Ifotony Amin'ny Facebook Momba Ny Fanitsakitsahana Ny Lalàn'ny Fifamoivoizana

India no isan'ny firenena iray amin'ireo vitsy eran'izao tontolo izao izay niditra eo amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy Facebook ireo polisy mpandrindra fifamoivoizana ao aminy, sady mandrisika ny fandefasana vaovao avy eny ifotony momba ny fanitsakitsahana ireo lalàn'ny fifamoivoizana. An'arivony amin'ny mpampiasa no manaraka ireny pejy ireny ary maro no mitondra anjara biriky mizara sary sy lahatsary momba ny fanitsakitsahana ny lalàn'ny fifamoivoizana, ary dia afaka mandray andraikitra ny polisy noho izany






























RSS ho an i Fanadihadiana Tranga 









Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa