GlobalVoices anaty

Fanentanana

Tahiry Lohahevitra · 6 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Fanentanana

10/05/2013

Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy...

07/05/2013

Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.

02/04/2013

Pakistana: Ny Fanentanana “Access Is My Right” (Zoko Ny Miditra)

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny ONG Pakistane Bytesforall mpiaro ny zo amin'ny aterineto dia nanomboka fanentanana ety anaty aterinto mikasika ny fitantavànana sy ny sivana ety anaty aterineto. Ilay fanentanana, antsoina hoe "Access Is My Right," dia mikendry ny hanaitra ny sain'ireo mpampiasa aterineto mikasika ny politika sy ny fomba fampiasa izay mametraka teritery amin'ny zo haneho hevitra malalaka ety anaty aterineto

17/03/2013

Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Manamarika ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto ny 12 Martsa. Tamin'ny 2008 no voalohany indrindra nikarakaran'ny Reporters Without Borders, vondrona iraisam-pirenena mpisolovava ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny Andro Erantany Hanoherana Ny Sivana Ety Anaty Aterineto, izay niantsoana ireo mafana fo, hetsika sy fikambanana maneran-tany handray anjara amin'ny alalan'ny fampahatsiahivana ny olona mandrafitra azy ireo ny lanjan'ny fiarovana ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto.

#FreeBassel: Herintaona Aty Aoriana, Mbola Any Am-ponja Ity Mpiserasera Syriana Ity

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Herintaona omaly no nosamborina sy nampidirina am-ponja ao Damaskosy ilay mpikirakira web sy mpiaro ny teknolojia mivelatra Syriana Bassel Khartabil, mbola any am-ponja izy hatramin'izao. Anisan'ireo mpiaro ny teknolojia misokatra fantatra...

23/01/2013

Video Lahatsoratra
#DELETECONTROL/: Fanentanana Hanoherana Ny Famoretana Aty Anaty Aterineto

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny Sekoly Ambony Misahana Ny Fifandraharahana ao Pays-Bas, Hivos, izay miara-miasa amin'ny Global Voices Advocacy, ny Witness, ny Mideast Youth ary ny Tactical Technology Collective, dia mikarakara hetsika fanentanana antsoina hoe #DELETECONTROL/, hanampiana ireo mpampiasa aterineto tandindonin-doza hiady amin'ny famoretana anaty aterineto.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny