2009-05-30
Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.
Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka ...
2009-05-25
Bahrain: Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra
Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra i Bahrain fa tapitra hatreo ny endrika fanohanana ireo mpiasa vahiny, midika izany fa manomboka amin'ny volana Aogositra dia tsy hiankina amin'ireo mpampiasa azy intsony ireo mpiasa ireo, fa tohànan'ny governemanta mivantana amin'ny alalàn'ny Sampana mpandrindra ny tsenan'asa, àry hahazo alàlana hiova asa tsy ilàna ...
2009-05-20
Volavolan-dalàna vaovao hanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka amerikana any RDC
Manoratra ny momba ny volavolan-dalàna vaovao naroso tao amin'ny antenimieran-doholona Amerikana hanamafisana ny fanaraha-maso ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany ananan'ny Amerikana tombotsoa ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô ny mpamaham-bolongana Kôngôley Alex Engwete.
Napetraky ny senatera Repoblikana Sam Brownback, tohanan'ny senatera Russ Feingold sy Dick Durbin, tamin'ny 23 avrily ny ...
2009-05-02
Timor atsinanana: Nanoratra tamin’ny fomba fanoratana SMS ny mpanao gazety iray mba hamborahana fanaovana kolikoly
Ny volana Oktobra lasa teo, nanoratra SMS momba ny fandosirany i José Antonio Belo, maintimolalin’ny fanaovan-gazety ao Timor Atsinanana, mba hamborahana fanaovana kolikoly nandraisan’ny Ministry ny Fitsarana any an-toerana anjara. Androany, miatrika fanenjehana noho ny fanalam-baraka ilay mpanao gazety.
Manoratra ao amin’ny gazetiboky mpilaza vaovao Tempo Semanal, namoaka ny antsipirian’ilay ...
2009-03-13
Haiti:Na Fetibe [carnaval], na tsy misy
Ny fifandimbiasan'ny loza voajanahary tany Haiti tamin'ny 2008 toy ny orambe narahin-drivotra mahery Ike, Hannah sy Gustav ary ny firodanana mahatsiravin'ny sekoly fanabeazana fototra tamin'ny Novambra, tany Pétionville, dia nahatonga ny fankalazana ny fetibe [ny karnavaly] ho mitombina sy tena ilaina tao Haiti tamin'ity taona ity..
Hatramin'ny 4 Janoary, ny mpitoraka ...
2009-02-28
Kore : fitontongan'ny ekonomia, orinasa iza no manam-bintana indrindra ny ho velona
Raha nanantena ny maro amintsika fa hifarana tsy ho ela ny fitontongan'ny ekonomia dia hita fa mbola ady haharitra ela izy ity. Mampihena ny isan'ny mpiasa ny orinasa na mampidina ny vokany. Mizara ny traikefany ny terantany anankiray izay miasa ao amin'ny orinasa Japone. Karazana fandrefesana ara-bola maro no nampidirina..
일본회사에서 ...
2009-02-25
Ezypta: Nanohina ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ny fakantahaka
Misy ve ny tranga-javatra tahaka ny maka tahaka bolongana? samy manana ny heviny ny mpamaham-bolongana Ezypsiana ao amin'ny fefin'ny Facebook sy any amin'ny bolongany rehefa hitany fa maka ampahan-dahatsoratra tsy nahazo alalana tamin-dry zareo ny gazety iray.
Bella Shereef ohatra nanangana vondrona iray mitory ny gazety El Shorouk noho ny ...
2009-02-17
Tontolon’ny Arabo: Very eny an-dalana ny asa?
Araka ny lohatenim-baovao izay milaza mazava ny faharavan’ny toekarena dia manohy ny famehezan-kibony tahaka ny governemanta ireo orinasa sy ny isam-batan’olona, ireo mpitoraka blaogy manerana an’I tontolon’ny Arabo dia miditra an-tsehatra ary manontany hoe: “ho avy eto aminay ve ny tsy fisian’ny asa?”
Narary kibo tany am-pamangina an’I Manila i “Obama”
Mampiseho ny fitoviana misy eo aminn’ny Filoha Filipianina Gloria Arroyo sy ny Filoham-pirenena Americana Barack Obama ny dokam-barotry ny Televiziona Filipianina. Ilay olo-malaza ao anatin'ny dokam-barotra dia ny Indoneziana Ilham Anas Izay hita ankehitriny fa malaza satria ny fitovian-tarehy misy eo aminy sy Obama.
2009-02-04
Goadelopy: Hetsika ara-tsosialy vaovao
Roambitelopolo, efatrambitelopolo, eninambitelopolo ary izao dia roambidimampolo - ireo no isa manan-tantara tsy mitsaha-mitombon'ireo vondrona sendikaly, ara-kolotsaina sy vondrona niforona tamin'iny volana lasa iny sy ny taloha tany, miombona anaty teny faneva iray: Lyannaj kont pwofitasyon, dikanteny Kiriolona [Creole] ho an'ny hoe “Ndeha hijoro isika hanohitra izay rehetra endri-panararaotana”.
Tao anaty ...




