Global Voices teny Malagasy » Fandraharahana
Fifaninanana Horonan-tsary: Solontenan'ny Mponina amin'ny andron'ny faha-64 taonan'ny Firenena Mikambana
Sary avy amin'i Basykes
Inona no ho lazainao ny mpitondra eran-tany raha omena anjara amin'izany  ianao? Aleo ho fantatr'izy ireo ao anatina horonan-tsary tsy mihoatra ny telo minitra ny faharetany izay heverinao fa ilaina tokony atao mba hanaovana an'izao tontolo izao ho toerana voaaro kokoa sy tsaratsara kokoa ary hahazoanao vintana mety hitsidika ny Foiben'ny Firenena Mikambana amin'ny andro fankalazana ny faha 64 taonany.
Iraky ny Fandriampahalemana avy amin'ny Firenena Mikambana ny mpilalao sarimihetsika  George Clooney, ary ao amin'ity horonantsary manaraka  navoakan'ny fahitalavitry ny Firenena Mikambana ity, manazava ny fomba ahafahanao mandray anjara izy, ary mba ho isan'ny 5 mpandresy  mety hahazo vintana handray anjara amin'ity fotoan-dehiben'ny Olo-manan-kaja ambony any amin'ny Tanànan'i New York ity.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="430" height="264" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/DnIIwV0lqqM&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="430" height="264" src="http://www.youtube.com/v/DnIIwV0lqqM&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Tsotra kely ny fitsipika arahana:
1.Forony ny video-nao, tsy atao mihoatra ny 3 minitra ny faharetany.
2. Alefao amin'ny kaontinao ao amin'ny YouTube ilay video-nao.
3. Ampio amin'ny video jerenao amin'izao fotoana izao izany, toy ny hoe VALIN'NY VIDEO.
4. Fotoana farany fisoratana: 10 Oktobra 2009
Fomba fisafidianana:
1. Ny komity no misafidy ny video 5 tsara indrindra izay napetraka tamin'ny fijerena ny votoatiny, ny maha-tokana azy sy ny famoronana.
2. Tondroina ho Solontenan'ny Mponina ireo mpandray anjara farany ireo ary hasaina any amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana any New York amin'ny fankalazana ny andron'ny faha 64 taonan'ny Firenena Mikambana.
3. Hahazo fitsidihina manokana ny Foiben'ny Firenena Mikambana izy ireo, haka sary miaraka aminin'ny Sekretera Jeneraly Ban Ki-moon ary hahazo toeran'ny Olo-manan-kaja ambony amin'ny kaonseritra ny Andron'ny Firenena Mikambana, izay hatao ny Zoma 23 Oktobra 2009.
Taty aoriana, kely noho ny indray mandraoka amin'ny tanana ny valin'ireo video  nandeha, roa avy amin'ny Etazonia (1 sy 2  ), ny iray avy any Canada ary iray avy amin'ny  Emira Arabo Mitambatra. Amin'ny 10 Oktobra ny fotoana farany, raiso ary ny fakan-tsarimihetsikareo, ary manaova vaovao, feno fahaiza-mamorona, ary fahaiza-mandrafitra!
(eSary avy amin'i  basykes, efa zatra maneho lahatsoratra miankina amin'ny Creative Commons Attribution License )
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io
Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany Gabon satria nolazaina ho mpandresy tamin'ny fifidianana i Ali Bongo, ny zanakalahin'ny filoha maty vao haingana Omar Bongo. Nitarika fandoroana ny masoivohon'i Frantsa ao  Port-Gentil, tanàna misy ny foiben'ny orinasan-tsolika frantsay Total ny herisetra nitranga taorian'ny fifidianana tany.
Eto Madagasikara, toa handamoka indray ny dinika notarihin'ny vondrona mpanelanelana iraisam-pirenena hamerenana ny fandriampahalemana fa henjana ny famoretana nataon'ny mpitondra tetezamita ny mpanohitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny zoma lasa teo. Tao an-drenivohitra Antananarivo ohatra dia nahitana mpanao fihetsiketsehana nisintontsintona  vazaha teo akaikin'ny hotel Glacier rehefa nandrava ny fihetsiketseham -panoherana ny fananganana governemanta tsy iraisan'ny ankolafin-kery rehetra misy araka izay nifanarahana tany Maputo ny hery miaramila.
Ary ny farany ao Maoritania, dia lasa ara-dalàna noho ny nanantanterahana fifidianana heverin'ny mpanohitra tany an-toerana ho feno hosoka ny fahefan'ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, izay nanongam-panjakana tamin'ny herintaona. Ary dia efa nanontany tena moa ny Maoritaniana hoe nahoana moa no i Frantsa no anisan'ny voalohany nanaiky (fr) ny valim-pifidianana.
Fonjan-kevitra efa eken'ny besinimaro amin'ny ankapobeny ny resaka Francafrique hany ka niteny mihitsy ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny  fampandrosoana ny ampitan-dranomasina teo aloha Jean-Marie Bockel tamin'ny Janoary  2008 fa “te-hanasonia ny filazam-pahafatesan'ny Françafrique izy”
Efa ananan'ny maro dôsie ny fomba fiainan'ny mpitondra Afrikana monina ao Frantsa. Porofo mivandravandra iray amin'ny fanaovan'i Frantsa vavany fotsiny toy ny haron-tabebaka ny sarintanin'ny fonenan'ny Afrikana mpanao didy jadona manodidina an'i Paris navoakan'ny Rue89. Nametraka lisitry ny tatitra sy ny sary ao amin'ny flickr ho porofon'ny fisian'ny Françafrique ihany koa ny ONG cellule Francafrique.
Haingana dia haingana ohatra ny nanasongadinan'ny bolongana Malagasy sy Frantsay fa ny Ambasadera Frantsay Chataignier  no diplaomaty vahiny voalohany tamin-dRajoelina ny andro manaraka ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Mampiseho ny fomba fiasan'ny Frantsafrika eto Madagasikara amin'ny alalan'ity lahatsary manaraka ity ny mpamaham-bolongana malagasy NJ:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/npYF-xyNU9o&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/npYF-xyNU9o&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny antony lazain'ny mpamaham-bolongana matetika nidiran'i Frantsa an-tsehatra eto Madagasikara dia ny habetsahan'ny solika azo trandrahana any amin'ny faritr'i Bemolanga. Nahazo ny 60%n'ny toerana ny Total izay heverina hitrandraka solika 180 000 barikana solika isan'andro mandritra ny 30 taona mahery. Nolazain'ny Reuters aza fa ny tahirin-tsolika ao Tsimiroro dia mahatratra hatramin'ny 1,7 miliara barika.
Manjary mivadika ho herisetra matetika izany fihetsika ataon'i Frantsa heverina ho manelingelina ny fivoaran'i Afrika izany.
Mba miezaka ny nanome soso-kevitra isorohana ny fanalàna fo amin'ny  teratany frantsay ho setrin'ny Frantsafrika ny mpamaham-bolongana Malagasy Vony. Nanokatra taratasy ho an'ny mpizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara i Vony (fr):
On dit que vous, Français, venez du pays des droits de l’Homme
Mais on sait aussi que vous vivez désormais dans un pays où la terreur règne,
Parce que Madagascar est aussi une partie de votre histoire, nous vous demandons
solennellement de nous soutenir et nous aider à retrouver notre dignité de
Malgaches et notre fierté de vivre sur cette île [..] Nous Malgaches au pays, en France et à l’étranger faisons appel à votre solidarité envers votre peuple ami et à votre foi en la démocratie et le respect des droits de l’Homme.
Parce que vous êtes aussi menacés par l’avenir sombre et désastreux qui nous guettent tous, , ne détournez pas les yeux mais tendez nous la main pour mieux dénoncer ce que vous ne toléreriez pas dans votre propre pays!
Lazaina fa avy any amin'ny firenen'ny zon'olombelona ianareo Frantsay nefa fantatra ihany koa fa miaina aty amin'ny firenena anjakan'ny horohoro ianareo, satria manko efa tafiditra ho anisan'ny tantaranareo i Madagasikara,
Koa miangavy anareo izahay hanampy anay hamerina ny hasina mahamalagasy sy ny fahamendrehan'ny Nosy […] Miantso ny fiaraha-mientana avy aminareo noho ny fanajanareo ny demaokrasia sy ny zon'olombelona izahay Malagasy. Satria manambana aminareo ihany koa  ny ho avy matroka, aza mangarika anay fa tolory tanana izahay ahafahanay manameloka izay tsy zakanareo ihany koa any amin'ny tany fiavianareo
Niresaka ny herisetra tamin'ny zoma i Tahina sy ny tsiaro ratsy niainany:
My bus line passes through the 13 Mai Square, a hot spot if not the hottest after the Ambohijatovo Park. And this logical question asked to the conducteur before getting on the bus “Do you go till Analakely?”, “Yes, Sir.” Along the street you pay attention to any abnormal things, people gathering at one place, suspicious traffic, you to stretch your ears to over hear others’ conversations. You take out your mobile and try to call someone who’s supposed to be downtown to know if he’s safe and ask him what he’s witnessed. All of that recalls me bad things. Things that I’m likely to live again in the days to come.
Mamakivaky ny kianjan'ny 13 mey ny fiara fitaterana nandehanako, toerana mafana, raha tsy ny mangotraka indrindra taorian'ny kianjan' Ambohijatovo. Tsy maintsy nanontany ny saofera ihany hoe: “Handeha hatrany Analakely ve ianao?”, “Ie!”. Tsikaritrao avokoa ny zavatra hafahafa rehetra nandritra ny dia, tahaka ny fivorian'ny olona tamin'ny toerana iray, ny fifamoivoizana mampiahiahy, tsy maintsy mba mihaino ny resaky ny hafa ihany. Miantso olom-pantatra amin'ny finday amin'izay heverinao ho any afovoan-tanàna ianao manontany raha milamina ny tany ka hitantarany izay hitany. Mampahatsiaro ahy zava-dratsy avokoa izany rehetra izany. Tranga izay mety mbola hiseho indray.
Any Gabon kosa no itantaran'ny mpamaham-bolongana Malagasy Harinjaka, izay mitoetra any Libreville ny mety ho porofon'ny hosoka izay nahatonga ny fandresen'i Ali Bongo:
of the cards featured in the image above, the one on the left is authentic, while the one on the right has been forged. The difference is quite clear - the one on the left has been stamped after the photo was attached, whereas the photo on the right was not stamped with the card, meaning that the photo can be changed - so that several people can vote with the same electoral card.
Amin'ny karatra hita amin'ny sary eo ambony ireo dia  tena izy ny eo ankavia, raha namboamboarina kosa ny eo ankavanana. Mazava ihany ny fahasamihafana - notombohina ny eo ankavia rehefa avy nametahana sary, nefa ny eo ankavanana kosa dia tsy misy fitomboka ny sary, izay midika fa mety ho nosoloina ny sary - mba ho maro ny olona afaka hifidy amin'io karatra iray io.
Ity manaraka ity kosa dia lahatsary ahitana vehivavy Gabonezy miampanga mivantana an'i Lafrantsa ho tompon'andraikitra mivantana amin'ny fanaovana hosoka nandritra ny fifidianana hampandresy an'i Bongo (fr):
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="295" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/f9q08jjGxGU&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="295" src="http://www.youtube.com/v/f9q08jjGxGU&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Nolavina matetika ho tsy misy tahaka ny petrakevitry ny fiokoana (théorie du complot) any amin'ny tany Tandrefana ireny rehetra ireny. Saingy manaporofo ny fisian'ny Frantsafrika mivantana eo imason'ny mpamaham-bolongana sy ny olo-tsotra Afrikana maro ny gidragidra nitranga tany Gabon, Maoritania ary Madagasikara.
Lova Rakotomalala
Ejipta: Manana televiziona roa ny fiangonana kôpta
Rehefa nandamoka hatrany nandritra ny 15 taona ny andrana hametraka  televiziona iray ho an'ny finoana Kôpta (kristiana ôrtôdôksa) dia nody ventiny izany ankehitriny fa nisy televiziona roa nahazo alalana ary misy efatra ihany koa eo am-panandramana.
Nanandratra ny Aghapy TV - avy amin'ny teny kôpta hoe “fitiavana” -  ho fantson-tsary miompana amin'ny fijery kristiana voalohany indrindra any Ejipta ny The Free Copts Blog  tamin'ny 2005.
Efa ela ihany no nikarakarana azy fa dia nandefa fandaharana  vaovao  tamin'ny talata teo ho an'ny mpijery any Etazonia ny televiziona kôpta voalohany indrindra, ny Aghapy TV. Teo ambany fiahian'ny Papa Shenouda III, dia mikendry ny hampiely ny fampianaran'ny fiangonana kôpta amin'ny alalan'ny litorjia, fandinihana ny baiboly, fandaharana natokana ho an'ny ankizy sy ny zavatra maro hafa ho an'ny fianakaviana kôpta manerantany ity orinasan-tserasera miorina ao Heliopolis  ity. “Eo ambany fiahian'ny Papa Shenuda III tenany mihitsy ity televiziona ity, izay nanendry mpitondra fivavahana 13 ho komity mpitantana” hoy ny filazan'ny tale jeneralin'i Aghapy ny mompera Bishoy al-Antony. Nolazainy moa fa miainga avy eo  amin'ny trano fitokana-monina iray avaratra atsinanan'i Le Caire ny fampielezan-tsary.
Nilaza i Khawater fa eo ampela-tanana ihany (Septambra 2009) ny fahazoan-dalana hampiely ny sary sy feo
وكانت الحكومة المصرية رفضت مؤخرا منح قناة ‘أزهري'، التي أطلقها الداعية الإسلامي الشيخ خالد الجندي، حق البث على القمر الصناعي المصري الـ'نايل سات'.وبدأ بث قناة ‘أزهري' في اواخر آب (اغسطس) من خارج مصر، لكنها متاحة على قمر نايل سات.وقال الجندي اوائل آب (اغسطس) الماضي ‘الحكومة أبلغتنا بأنها قد أخذت قرارا بعدم إصدار أي تصاريح لقنوات دينية تبث من على الأراضي المصرية'.وأشار إلى أن الدولة أخذت هذا القرار مؤخرا لأن الإخوة المسيحيين كانوا يريدون إنشاء قناة خاصة بهم تبث من مصر، وعندما رفضت الدولة قالوا لماذا هناك قنوات دينية للمسلمين في مصر وليست هناك قنوات مسيحية للمسيحيين، فأصدرت قرارا بأنه لن تصدر قناة دينية من مصر سواء كانت إسلامية أو مسيحية. وقناة ‘أغابي' هي أول قناة أرثوذكسية قبطية بدأ بثها رسميا في تشرين الثاني (نوفمبر) عام 2005. وتبث على القمر الصناعي الامريكي بسبب رفض الحكومة المصرية في السابق لعرض أي قناة مسيحية على النايل سات
Nolavin'ny governemanta Ejipsiana ny fangatahan'ny Sheikh Khaled El Guindy hampiely ny sary sy feon'ny televiziona vaovao AZHARI ao amin'ny NileSat nanomboka niasa tamin'ny faran'ny volana Aogositra 09 izay miainga avy any ivelan'i Ejipta saingy vonona kosa ao amin'ny NileSat. Nolazain'ny Sheikh Khaled El Guindy moa fa lavin'ny governemanta avokoa ny fangatahana fahazoan-dalana avy amin'ny fampielezantsary sy feo mifandraika amin'ny fivavahana rehetra. Notsongain'i El Guindy avy amin'izany moa ny tena fanapahan-kevitry ny fitondrana fa tsy nahazo alalana hanana fantsona manokana ny kristiana ka ny iray amin'ny fanontaniany dia nanao hoe: Nahoana no maro ny fantsona ho an'ny Silamo eto? Hatramin'ny Novambra 2005 ny Aghapy no niely tamin'ny alalan'ny zanabolana Amerikana.
Nanindrahindra ny televiziona faharoa indray ny Arab Church Forum (Diniky ny Fiangonana Arabo)
الحكومة وافقت على بث القناة الثانية التابعة للكنيسة “سى.تى.فى” التى يمتلكها رجل الأعمال المصرى ثروت باسيلى، وتم البدء فى بث برامج القناة على القمر الصناعى “نايل سات” على التردد 11355- 27500 “عموديا”، إلى جانب القمر الصناعى الأمريكى، وتم التعاقد مع القمر الصناعى والشركة المصرية على البث من بداية سبتمبر الحالى. وبذلك تكون المرة الثانية خلال أسبوع واحد يتم فيها بث قناة مسيحية على النايل السات، بعد أزمة استمرت لأكثر من عدة سنوات لبث القنوات المسيحية على النايل سات. وتستعد 4 قنوات أخرى مسيحية، على رأسها قناة الحياة وسات 7 والمعجزة البث على النايل سات خلال الأسابيع القادمة.
Neken'ny governemanta ny  CTV - fantsona faharoan'ny Fiangonana ôrthôdôksa Kôpta izay an'ny mpandraharaha Ejipsiana malaza Tharwat Bassily. Nanomboka niely tao amin'ny NileSat (maridrefy 27500 - 11355 mijadona) mifanila amin'ny zanabolana Amerikana ny CTV ny fiandohan'ny volana septambra. Taorian'ny Krizy izay naharitra an-taonany niadian-kevitra momba ny fantson'ny (maridrefy) Kôpta ao amin'ny NileSat, dia nahazo alalana tao anatin'ny herinandro ny roa. Mbola misy efatra ihany koa eo am-panandramana; Al Hayah, Sat 7, Miracle.
Bikya Masr kosa mamaham-bolongana ny momba ny antso hampiraisana (fiaraha-miasa) ny televiziona mifandraika amin'ny fivavahana ao Ejipta:
Efa tafiditra ao anatin'ny andavanandron'ny fiaraha-monina Ejipsiana ny televiziona miompana amin'ny fivavahana, saingy mampisy fanantenana hamarana ny fifandonan-kevitra ara-pivavahana kosa ny ezak'ilay mpahay lalàna mampiady hevitra Naguib Gorbail, filohan'ny federasionan'ny mpiaro ny zon'olombelona ejipsiana. Nolazainy ary tamin'ny herinandro  lasa teo fa hitondra ny soso-keviny any amin'ny Al-Azhar’s Grand Sheikh Sayyed Tantawi sy ny Papa Kôpta Shonouda izy mba hisian'ny televiziona iraisana.
Nolazainy fa ny tanjon'ny televiziona dia “ny handefasana fanambarana miaraka ho an'ny Silamo sy ny Kôpta amin'izao ankatoky faran'ny volana Ramadany izao.” … Nohazavainy ihany koa fa ny antony hafa manetsika azy hanao izao tolo-kevitra izao dia ny hanairana ny fisian'ny televiziona hita avy amin'ny zanabolana miantso ho amin'ny extremisme ara-pivavahana sy hamerana ny fandaharana ho amina fivavahana iray, na Islam na Kristiana  “fa samy manaratsy ny fivavahana hafa avokoa na ny an'ny Islam na ny an'ny Kristiana ao amin'ireo televiziona ireo.”
Marwa Rakha
Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza
Zineb Chtit any amin'ny hopitaly
Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.  Hoy ny nosoratan'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) momba ny voina mahazo azy ao amin'ny lahatsorany iray:
Zainab looked emaciated. Her body was bruised and bleeding from beatings. She was branded on her lips with a red-hot iron. She was burned with boiling oil on her chest and private areas. She was illiterate. She never experienced the joy of playing with friends. Her future was decided for her: trudge around the mill till the day she dies. And a few days ago, she almost did.
Hita ho kaozatra i Zainab. Feno fariparitra sy dian-daroka ny tenany. Mena mivaivain'ny vy ny molony. Nodorana ny menaka ny tratrany sy ny faritra saro-pady. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy. Tsy mba niainany veliely izany miara-milalao amina namana izany. Efa voafaritra ny ho aviny: mihaodihaody manodidina ny laona mandra-pahafatiny. Ary efa saiky lasana tokoa izy.
Indrisy fa tsy tranga manokana ny mahazo an'i Zineb.  Mahatratra 177 000  ny isan'ny zaza latsaky ny 15 taona miasa any Maraoka, ka ny 66 000 dia mpanampy an-trano.  Eny fa na dia efa nanasonia ny Dinan'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'ny kilonga aza i Maraoka, mametra ho 12 taona  raha kely indrindra vao mahazo alefa hiasa ny olona, fetra farany ambany ao an-toerana.  Maro ny tatitra momba ny fampijaliana mpanampy an-trano, tahaka ity iray izay nosoratan'i Tingis tonian'i Anouar Majid ity.  Nefa dia mbola mivarotra ny zanany vavy amin'izay mahasahy ambony indrindra ihany ny fianakaviana maro fa entin'ny fahantrana, ampiasaina ho mpanampy an-trano izay indraindray miasa tontolo andro sy tontolo alina.  Mitantara ny mpanjò ny ankamaroan'ny mpanampy an-trano ny mpamaham-bolongana Sarah Alaoui:
Noho ny fahantrana mianjady dia tsy manan-tsafidy hamelomana ny ankohonany sy ny zanany ankoatra ny mandeha ho mpanampy an-trano  any amin'ny mpanankarena ireo vehivavy tsy nandia fianarana any ambanivohitr'i Maraoka. Mbola asongadin'ny karazan'asa ataony - mpanampy an-trano  natao ho hita fa tsy natao horenesina-  ny holatry ny fahantrana efa naraikitra taminy teo am-piterahana. Miasa any ambadiky ny sehatra tahaka ireo mpanompo an-trano fitantaran'i J.K. Rowling any amin'ny boky tantara foroniny izy ireny.
Maro ny ankohonana any Maraoka no miezaka ny manome  trano fialofana ho an'ny mpanampy an-tranony fa tsy toera-mpiasana ihany. Nanara-maso ny zanaky mpanampy an-tranony hatrany ny renibeko  mba hahazoan'izy ireny fitaizana sy fampianarana tahaka ny an'ny zanany sy ny zafikeliny— Iray sekoly amin'ny anadahiko (cousin) i Naima, raha niasa tao amin'ny renibeko ny reniny. Saingy indrisy moa aleo tsorina fa tsy mitovy fikarakarana ny mpanampy an-tranony tahaka izany ny ankapoben'ny mpampiasa eto amin'ny firenena.
Ao amin'ny fitateram-baovaon'ny [FR] La Vie éco dia samy voampanga ho nanao heloka bevava avokoa na rangahy na ramatoa mpampiasa an'i Zineb, fa araka ny tolo-kevitry ny mpamaham-bolongana Reda Chraibi, dia tokony hisy haingana dia haingana ny fiovana. Namelabelatra [FR] soso-kevitra maro hisorohana ny fandefasana ny ankizivavy hiasa mbola kely ny mpamaham-bolongana.  Santionan'ny tolo-keviny:
Accorder des aides sociales aux familles les plus pauvres afin qu’elles ne soient pas contraintes de faire travailler les enfants au lieu des le envoyer à l’école. La scolarité pour cette catégorie de la société devrait être totalement gratuite tant pour l’enseignement que pour l’équipement scolaire. A ce propos, l’opération de distribution de cartables équipés est une bonne initiative qui devrait être étendue dans tout le Royaume.
Donner à l’Association « Touche pas à mon enfant » (touche pas à mes enfants) ou à une institution publique le droit de recenser et de contrôler le travail des enfants servantes, le droit d’entrer dans les maisons pour discuter avec elles et vérifier si elles sont traitées dignement. Encourager leur éducation et leur alphabétisation. Ouvrir et faire connaitre un centre d’accueil pour les enfants servantes qui veulent fuir d’urgence le foyer dans lequel elles travaillent, afin que plus aucune Zineb Chtet n’èrre dans la rue dans le sang en demandant l’aide d’inconnus…
Manome fanampiana ara-tsosialy ny fianakaviana tena mahantra mba tsy hahatery azy ireny handefa ny zanany hiasa fa tsy hianatra. Tokony ho maimaim-poana na ny fampianarana na ny kojakojam-pianarana ho an'ireny sarangam-piaraha-monina ireny. Eo amin'izay indrindra dia tokony hatao manerana ny fanjakana ny fanapahan-kevitra mety hizarana kitapo efa misy kojakoja ao anatiny [FR]. Manome alalana ny fikambanana “Touche pas à mon enfant” (Aokanao ny zanako) na sampan-draharaham-panjakana hafa hanisa sy hanara-maso ireo zaza miasa tsy fidiny, manan-jò hiditra any an-trano hiresaka amin'ireny kilonga ireny hanamarinana raha voakarakara ny mahaolombelona azy. Handrisihana ny fitaizana sy fampianarana azy ireny hahay mamaky teny sy manoratra. Manokatra sy mampahafantatra ny fisian'ny toerana fandraisana ireo zaza te-handositra ny trano iasany, mba tsy hisy intsony Zineb Chtets feno ratra mirenireny eny an'arabe mitady fanampian'olon-tsy fantatra….
Nofehezin'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) toy izao moa ny lahatsorany:
I am reminded of a speech Mr. Eliezer “Elie” Wiesel gave at the White House in 1999 “The political prisoner in his cell, the hungry children, the homeless refugees — not to respond to their plight, not to relieve their solitude by offering them a spark of hope is to exile them from human memory. And in denying their humanity, we betray our own.”
Tsaroako ny kabarin'Atoa Eliezer “Elie” Wiesel tao amin'ny Trano Fotsy tamin'ny 1999 nanao hoe “Ny gadra politika ao amin'ny efi-pamonjana azy, ny ankizy noana, ny tsy manan-kialofana - manoka-monina azy ireny ho tafala amin'ny tsiaron'olombelona ny tsy mamaly ny hetahetany, na tsy manome tara-panantenana ho azy ireny. Raha mandà ny maha-olombelona azy ireny isika dia mamadika ny maha-antsika antsika.
Jillian C. York
Repoblika Dominikana : Halatra tariby sy vy
Maro tamin'ireo lohateny vaventy an-gazetin'ny Repoblika Dominikana tato ho ato no nivaky toy izao, “Halatra tariby tamin'ny tetezan'i  Duarte ,” “Voasamantsamaka ny tahirim-bakok'i Peña Gómez,” ary “ Tsy misy herinaratra ny Sekoly La Salle.”  Ireny lohateny vaventy ireny dia samy milaza zavatra mitovy maha-sanganehana ny olon-drehetra avokoa: ny halatra tariby sy vy manerana ny tanàna renivohitr'i  Santo Domingo sy ireo tanàn-dehibe hafa manerana ny firenena. Raha zohiana, izy ireny dia amidy amin'ny vidiny lafo tokoa avy eo.
Car: izingiziniko fa nisy tetezana teto aninkeheo maraina. Entin'ilay fiara vaventy ho any amin'ny Mpividy Vy ny tetezana. Sarisary nataon'i  Cristian Hernández avy ao amin'ny El Nacional ary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlan'ny mpanakanto.
Nanomboka tsimoramora teny ireny halatra ireny tany amboalohany, miaraka amin'ny fanjavonan'irony saron-tatatra sy takelaka manaingo sarivarahina tamin'ny faritra maro nanerana ny tanàna irony. Tany am-piandohana, tsy dia nisy niraharaha loatra ny momba azy io satria toa zavatra tsy dia manaitra. Saingy, araka ny fandrosoan'ny fotoana no nitomboan'ny saron-tatatra mihanjahanja, sy nitomboan'ny isan'ireo sarivongana voatsiratsira manerana ny tanàna, teo vao nanomboka nibaribary koa fa misy zavatra mitranga any.  Megamonchy avy amin'ny  El Rincón del Mega [es] dia manoratra mikasika toerana vitsivitsy nitrangan'ny halatra, toy ny jiro  50 nanazava ny manodidina ny  Jacobo Majluta Avenue, izay ilàna grues sy fitaovana goavana mihitsy vao mahetsika azy ireo:
Ahora se estan robando los rieles de los trenes que funcionaron una vez en el país y en los ingenios. Ahora yo me pregunto ¿Es tan difícil dar con estos ladrones de metales, que lo usan para fundirlos? NO Simplemente no hay voluntad para acabarlos. Pues cuantas compañías en el país tienen la capacidad para fundir estos metales. Lo que hay es vigilarlas.
Si los representantes de guinness world records visitaran el país de seguro que le adicionarían varias páginas a la próxima impresión del libro donde los dominicanos estaríamos bailando.
Amin'izao fotoana ry zareo  dia mangalatra indray ny lalamby fandehanan'ny fiarandalamby namakivaky ny firenena sy ny tany fambolena fary fahiny. Manontany tena aho ankehitriny, tena zavatra sarotra be mihitsy ve ny manàkana ireny mpangalatra vy ireny e, iza no mandrendrika ny vy? TSIA. Ny marina dia ny finiavana hanàkana azy ireny no tsy misy. Orinasa firy manerana ny firenena no mànana fahafahana handredrika an'ireny vy ireny? Tokony haraha-maso izy ireny.
Raha misy solontenan'ny  Guinness World Records tonga mitsidika aty amin'ny tanàna, azo antoka ny hanampian-dry zareo  pejy vitsivitsy ao amin'ny boky havoakany, ahitàna ireo Dominikana mandihy (fa nahazo ny  record amin'ny habetsahan'ny vy nisy nangalatra).
Taoriana kely, nivoaka ny tatitra mahakasika ireo halatra tariby, ahitàna ny tariby mpitondra herinaratra, hatramin'ny fibre optique mahatonga ny tena hisaina fa mahasarika kokoa ny varahina, izay aondrana mankany Sina avy eo fa any no be ny tinady.  Héctor Minaya ao amin'ny  Diario Digital RD [es], manao famintinana ny fanondrànana entana toy izao manaraka izao  sy ny fanaovan'ny governemanta masobe tsy mahita:
Para detener el saqueo de cables, tapas, placas y monumentos de cobre que comenzó el año último alentado por el alto precio del metal, es necesario que se prohiba la exportación de cobre y otros metales, los cuales no son de producción nacional. De aquellos metales que se extraen en el país, se presume que el Gobierno, a través de la Dirección General de Aduanas y otras instituciones, tiene algún control y hay un registro para los exportadores. Se ha publicado que semanalmente viene un barco, al parecer ante la indiferencia de las autoridades, para llevarse material producto del saqueo de estos metales.
Mba ho fisorohana ny halatra tariby, saron-tàtatra, takelaby sy sarivarahina izay nanomboka tamin'ny taon-dasa noho ny fisondrotry ny vidin'ny vy, ilaina ny handraràna ny fanondrànana  varahina sy ireo karazam-by hafa, izay tsy vokarina eto an-toerana. Ho an'ireo vy trandràhana eto an-toerana kosa, ilaina ny hanànan'ny Governemanta, amin'ny alàlan'ny ladoany sy ny sampan-draharaha hafa, fomba azo anaraha-maso sy rejistra momba ireo mpanondrana entana. Isan-kerinandro,  mampahafantatra ry zareo fa hoe misy sambo tonga, mandalo eo ambany vavoron'ny manampahefana [tsy raharahainy], mba haka ireo entana avy amin'ny halatra vy ireo.
Noho ireny halatra ireny, làlankely maro, avenues, tetezana ary  làlambe maro ao  Santo Domingo sy manerana ny tanàna no miaina anaty haizina, mahatonga fifaninanana amin'ny fahatapahan'ny herinaratra izay efa niainana ampolon-taona maro tsy nisy vahaolana. Rehefa latsaka anaty haizina ny arabe sy ny avenues,  tsy misy asany  koa ny jiro fandrindràana fifamoivoizna, ka miteraka fikorontanan'ny fivezivezena.
Ary mba ahoana ny amin'ny orinasan-telefaona? Joan Guerrero avy amin'ny Duarte 101 [es] dia manoratra fa ny sehatry ny fifandraisan-davitra ao amin'ny Repoblika Dominikana dia isan'ny iharam-pahavoazana amin'ny firongatry ny  “orinasan”-ny halatra tariby sy kojakoja, izay miantraika mivantana any amin'ny mpanjifa. Ireny orinasa ireny dia nikajy fa ny fitambaran'ny  fatiantok'izy ireo dia  53 tapitrisa pesos [es] (eo ho eo amin'ny  1.5 tapitrisa dollars eo) tamin'ity taona ity fotsiny. Rehefa raisina miaraka amin'io ireo fitarainan'ny mpanjifa, dia lasa olana goavam-be ilam-bahaolana izy ity. Guerrero koa dia nanamarika fa ny orinasam-pifandraisan-davitra Tricom dia nikitika ny  YouTube mba hamoaka video mikasika ireo halatra ka hanome valisoa ho an'izay vaovao mitarika ho amin'ny fisamborana ireo mpangalatra tariby:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/v3wixCuKs6M&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/v3wixCuKs6M&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Na teo aza ny fepetra napetraky ny governemanta hanavahana ny vy notsimponina amin'ny vd halatra, i Diario 27-F dia nanindry fa sarotra be ny hanasaraka ireo vy ireo. Nisy ihany fisamborana vitsivitsy ary olona roa no nentina teny amin'ny fitsarana. Kanefa, mitohy ihany ny fandrobàna, toy izay nitranga tao amin'ny  Sekoly  La Salle ao  Santiago tamin'ny fiandohan'ny herinandro,  izay voatery nampiatoana ny fampianarana mandritry ny fotoana tsy voafetra.
Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra
Nangonin'i Tarek Amr tamin'ny lahatsoratra teo aloha ny fihetsika voalohany nataon'ny tontolom-bolongana Ejipsiana teo am-pandrenesana politikan'ny fahaiza-mampiasa soratra fototra [TE-Data] (FUP) , narahina hetsi-panoherana. Niova hevitra ihany avy eo ny Minisiteran'ny Fifandraisana sy ny Teknolojian'ny Serasera Ejipsiana.
Maro ny lahatsary noforonina sy navoaka hanesoesoana ny  FUP; Nanoratra ny manimba ny fiainanao… ET Data i Ashraf Hamdy ary i Adham namoaka ny Lahatsarin'ny fakana tahaka an'i Hitler hanoherana ity fanapaha-kevitra tsy rariny ity.
Namoaka lahatsoratra manandratra ny fandresen'ny mpampiasa aterineto i ElLeithy :
استجابة للمطلب الجماهيري برفض قرار سابق حول تحديد الانترنت في مصر، قرر وزير الاتصالات الدكتور طارق كامل بابقاء جميع العقود الحالية لمشتركى الانترنت سارية بدون تعديل وأن نظام الانترنت الجديد “سياسة الاستخدام العادل” استرشادى لمدة شهرين للمشتركين الجدد فقط .
Nanambara ny Minisitry ny Fifandraisana sy ny Teknolojian-tserasera, Dr. Tarek Kamel, izay nilefitra teo anoloan'ny fangatahan'ny be sy ny maro , fa tsy hampiharina amin'izay efa mpampiasa azy amin'izao fotoana ny FUP. hanandrana ilay politika mandritra ny ora volana kosa ireo vao misoratra anarana ahafahan'ny governemanta manombatombana ny fomba fampiasan'ny mpiserasera ny aterineto.
Nitatitra ny fihetsiketsehana notontosaina tamin'ny 13 Aogositra kosa i Tarek Ez Alden:
وكان عدد من مشتركي الانترنت في مصر قد نظموا وقفة احتجاجية الخميس في القاهرة عبروا عن رفضهم للسياسة الجديدة للانترنت.
وكان الاقتراح يقضي بوضع حد معين لمشترك الانترنت من التحميل “download” خلال الشهر الواحد، وإذا تجاوز هذا الحد تقوم الشركة تلقائيا بتخفيض السرعة خلال ما تبقى من أيام الشهر.
ورفع المحتجون خلال وقفتهم أمام مقر إحدى الشركات المزودة للخدمة لافتات حملت شعارات “الداونلود مضر بالصحة.. وقد يؤدي إلى الوفاة” ، “ليه تزنق نفسك.. إحنا إللي حنزنقك بمعرفتنا”، “الانترنت المحدود = تخلف بلا حدود.”
Nikarakara fihetsiketsehana hanoherana ny politika vaovao mametra ny troka an-tserasera (téléchargement) ny mpiserasera teto Ejipta. Nitondra sora-baventy isan-karazany izy ireo nandritra ny fitokonana: “Ratsy ho an'ny fahasalamanao ny troka .. mety hamono anao ny troka!”, “Nahoana ianao no hametra anao … ho hitanay ny hamerana anao”, ary “Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra.”
Marwa Rakha
Zimbaboe : Firaisan-kinan'ny mpivarotra
“Mpivarotra eto Zimbaboe, miray hina” hoy ny lohateny lehibe tao amin'ny blaogin'i Kutabana. “Izao no tatitra avy amin'ny olona iray monina ao Harare : Anio tolakandro manodidina ny tamin'ny 2 sy sasany, dia nahita mpivarotra nifanjevo aho, nanary ny entam-barotr'izy ireo ary nihazakazaka namonjy ny ainy. Akaikin'ny Greenwood Park no nitrangan'izany.”
Ghana: Ady hevitra, fientanana ary fanantenana amin'ny fitsidihan'i Obama
Enim-bolana monja taorian'ny fanovana ny fitantanana tao Ghana tamin'ny alalan'ny fifidianana natao tamim-pilaminana ny volana desambra 2008, ary tahaka ny hoe fifanandrifian-javatra fa enim-bolana aty aorian'ny fanovana nankalazaina tamin'ny haino aman-jery tany Etazonia, dia hitsidika an'i Ghana mandritra ny 2 andro ny filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny fiandohan'ny volana jolay ho avy izao mandritra ny fitsidihana voalohany hotanterahany any Afrika Atsimon'i Sahara hatramin'ny nahavoafidy azy.
Nampientana ny mponina rehetra tsy an-kanavaka any Ghana ny fanambarana ity fitsidihana ity tamin'ny volana may lasa teo. Hatramin'ny mpivarotra madinika ka hatramin'ny tanora manam-pahaizana any an-drenivohitra, hatramin'ireo solombavam-bahoaka voafidy vao haingana dia tsy manana resaka afa-tsy izay ihany. Mitantara an'i Mr. Henry Boahene avy any Accra ny sita All Africa,
Tsy hiasa aho amin'izay faran'ny herinandro izay. Hataoko izay rehetra azoko hatao hiarahako amin'ireo vahoaka betsaka hitsena azy amin'io fotoana io - amiko, izay dia hahafa-po ahy.
Fa manerana ny kaontinanta dia maro ireo mametram-panontaniana: “Fa nahoana no i Ghana?” Milaza ny mpandinika maro fa ny safidy hitsidika an'i Ghana voalohany dia fanekena ireo fifidianana notanterahana tamim-pilaminana tany amin'io firenena io, ary mihevitra koa i Etazonia fa ny filaminana sy ny demokrasia no ambony indrindra eo amin'ny fototra mahaolona sy ny tanjaky ny firenena.
Nanoratra ao amin'ny bilaogy nosoratany avy any Atlanta ilay mpitoraka biloagy nizeriana Farooq Kperogi:
Ireo mpandinika sy mpanao politika amerikana sy ny sandan'ny fitsidihana ataon'ny filoham-pirenena dia maneho fa ny fifidianana an'i Ghana hotsidihan'i Obama voalohany any Afrika mainty dia mety ho fanamafisana ny fafandraisana amin'ity kaontinanta ity, izay tokony mbola hamaritany politika mazava tsara.
Ho faritana io, hoy izy ireo, amin'ny alalan'ny fankatoavana ny politikan'ireo firenena izay tsapa fa nanao ezaka goavana hampanjakana ny demokrasia sy fitantanana tsara - sy ny fanombohan'ny vanim-potoan'ny “fitiavana sarotra” miaraka amin'ireo firenena toa an'i Nigeria sy Kenya, izay manimba ny fahaiza-manaony amin'ny firobohana lalina amin'ny kolikoly sy ny fomba fitantanana tsy azo antoka.
Mamerina izay voalazan'ny Maison Blache koa izy tao amin'ny fanambarana nataony izay manamafy ny voalazan'ireo mpanehohevitra:
Mitady hanamafy ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia sy ny firenena anakiray any Afrika Atsimon'i Sahara mendrika itokisana ny filoha Obama sy Ramatoa vadiny, ary notsipihany fa ny fahaiza-mitantana sy ny fiarahamonim-pirenena dia afaka mandray toerana lehibe eo amin'ny fitadiavana izay ho fandrosoana maharitra, hoy ny fanambaran'ny mpanao gazetin'ny Maison Blanche.
Tsy mahagaga, manamafy izany ny mpandinika sasany, fa horesahana any ny solintany izay hita vao haingana tany Ghana. Manontany i Amedor ao amin'ny bilaogy All Voices,
Fitsidihana ara-pirahalahina ve izy ity sa tombotsoan'i Etazonia noho ireo solintany vao hita?
na dia ny ambany indrindra eran-tany aza, 600 tapitrisa barila, dia tsy hanomboka ny famokarana raha tsy amin'ny taona 2010 ary hihoatra ny 1 lavitrisa dolara ny vola hiditra amin'i Ghana isan-taona.
Manontany ny manam-pijery miabo tahaka an'i Elizabeth Dickinson,
Tsy aleo ve mividy solintany any amin'ny firenena manana tantara tsara eo amin'ny lafiny fanajana ny zon'olombelona, ny fitantanana sy ny lafiny ekonomika? Misy fahasamihafana be eo amin'ny mpamatsy solintany an'i Etazonia fahatelo goavana indrindra dia i Nigeria eo akaiky eo izany. Mazava ho azy fa misy tahotra ihany eo amin'i Ghana fa sao sanatria hitovy amin'i Nigeria eo izy, sao dia hanjary firenena mpanangona risitorina eo fotsiny izy, kanefa hita fa tapa-kevitra hiala amin'izay i Ghana. Ary mety ho resahana mandritra ny fitsidihana izany.
Milaza ny teny nataon'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny any Ghana ny sita All Africa:
Aleo miomana fa mety hanontany an'izay ny filoha. Ndeha hojerena vetivety izay hita ao amin'ny Corruption Perceptions Index mamoaka isan-taona ny Transparency International, izay milaza fa misy fifandraisana ny kolikoly, ny fifandirana sy ireo firenena andalam-pandrosoana tahaka an'i Tchad, Soudan, Nigeria ary Angola.
Arosontsika ny hevitra fa tokony hanova ny fifanarahana sy ny lalakombana hahazoantsika tombony ny rafitra eran-tany, hahazoantsika manomboka fa tsy hangataka lava izao:
Afaka mandresy lahatra tsara ireo rafitra ireo i Etazonia araka ny fahafantaran'ny ministera azy. Varotra sa fanampiana? Ahoana no fomba hahafahana manatsara ny fiainan'ny Ganeana tsotra iray amin'ny alalan'ny fifanarahana eo amin'ny 2 tonta - Ganeana tsotra izay miaina amin'ny karama latsaky ny 2 dolara isan'andro - ny fotoana ihany no afaka hilaza izany. Filaminana sy fitantanana tsara - aloha sy aorian'ny fivoahan'ny solintany - dia ampy na iza na iza no hividy azy.
Gayle Pescud
Malezia:Mpanavao ny tsenam-barotra ve ny Praiministra?
Tokony hiandràndra fiovàna ara-politika tampoka amin’ny fitondràna malezianina ve isika? Tsy hoe mandray fotsiny ireo haitaom-bahoaka amin'ny aterineto mba handrisihana ny fandraisan’anjaran'ny olom-pirenena i Najib Razak, mijery ny toerana izay mbola tsy nalehan’ireo nialoha làlana azy koa izy mba hametraka rafitra fanalalahàna araham-pantina, anatin’ny sehatra fitantanam-bola sy ny tolotr'asa tato ho ato. Tonga hatrany amin'ny fanafoanana ny fetra 30% ho an’ny Bumiputra (Foko Malais) ao anatin’ireo sehatra ireo izany mba hisian'ny fifaninanana bebe kokoa. Fotoana izao handalinanan'ny mpamakafaka rehetra ny amin'ity fiovana tsy nisy toa azy ity sady mangetaheta ny mponina te-hahalala hoe htraiza ny fidonan'ny fanovàna nandrasana teo amin'ny teokarena.
Tony Fernandes dia miaiky fa izy ity dia tokony ho fiandohàna mankany aminà fiovàna goavana:
Ny fanafoanana ireo fepetra takian'ny NEP¹ ao amin'ireo seha-pihariana madinika 27 dia fanombohana iray goavana. […] Saingy manantena indriindra indrindra aho mba ho ny fitambaramben’ny toekarem-pirenena manontolo no hasiam-panavaozana. […] Faniriako raha i Datuk Seri Najib no ho lasa Margaret Thatcher vaovao. Amin'izao fotoana, be loatra ireo zo azo, ireo fifandroritan'ny tombontsoa sy ny vesatra ara-taratasy mamono ny famoronana, mampivalaketraka ny fikarohana sy tsy dia mandrisika loatra ireo mpandraharaha hanorina sy hampivoatra orinasa.
M. Bakri Musa dia manolotra tsoa-kevitra mitovitovy amin'izay, hoe fanombohana fotsiny iny fa tsy vahaolana feno, toy izao no fijeriny:
Mba hahazoan’i Najib vaha-olana tsara sy feno, mila mijery ny olana madinidinika sarotra noho izay nahatonga ny fametrahana fetra [fatra] […]. Avoatra ireo dia ho afaka hanalalaka, tsy ny seha-pihariana madinika monja ihany fa ny toekarena manontolo rehetra i Najib, raha tsy ny endri-piainana maleziana rehetra mihitsy aza. Amin'izay, tena tsy ho lavitra ny nofinofiny “1Malaysia” izy.
Chua Soi Lek dia miaiky fa hetsika mampandroso izy ity ary ny Foko Malays dia tsy tokony hieritreritra fa hoe voatohintohina ny zon'izy ireo:
Mino aho fa hisintona fampiasam-bola bebe kokoa sy hisarika ireo matihanina sy ny haitao vaovao ho tonga eto amin'ny firenena ny fanavaozana, ary antenaina fa ho hery manosika ny sehatry ny tolotr'asa izy ity. […] Voarakitra ao anaty lalampanorenana ny zo fototry ny Bumiputra.Tsy misy na iza na iza afaka hanàla izany. Amin'izay, ny fanavaozana ny NEP dia tsy tokony horaisin'ireo Bumiputra ho toy ny fametraham-panontaniana momba ny zo manokana azy ireo, satria efa miraikitra ao anaty lalampanorenana izany.
Malaysia-Finance dia milaza ilay fanovana ho tena mendri-piderana tokoa ary hisarika mpampiasa vola vahiny mivantana (FDI) ho ao anatin'ireo seha-piharian'ny tolotr'asa:
Na dia tsy mbola hitan’ny firenena mivantana aza ireo tombontsoa, ny fitambatambaran'ireo laza tsara dia efa antoka sahady ho aminà tontolom-pihariana azon'ny fifaninanana ivelarana ao Malezia hisarihana ireo fampiasam-bola avy any ivelany. […] Tena ilaina ny fiovàna raha ny fahitàna hoe ho tonga hatramin'ny 60% fara faha-keliny ny fiankinantsika amin’ireo seha-pihariana ireo, izay hampihena ny fiankinantsika amin’ny fanondranana ireo kojakoja elektronika sy ireo akora fototra.
Nefa, ny hevitra hoe ny fanavaozana dia hitondra fiovàna goavana amin’ireo politika efa misy dia tsy iraisan'ny maro. Mihevitra i Tony Pua fa tsy misy na inona na inona afa-tsy ny filazana ofisialy ny amin’ireo politika efa mipetraka ary miahiahy ny amin'izay lazaina fa hoe fiantraikany:
Ny (Depiote)-Minisitrin’ny Varotra Iraisam-pirenena sy ny Indostria (MITI), Datuk Mukhriz Mahathir, niteny ampahi-bemaso fa resaka fotsiny izany fanavaozana izany, tsy ampiana tsy analàna. […] Mukhriz dia tsy hoe nanambara fotsiny ny fikasany hiaro sy hanapariaka ny Pôlitika Ara-toekarena Vaovao (N.P.E), fa niteny koa izy fa ireo fepetra fanalalahana natao vao haingana, nambaran’i Najib, dia fepetra noraisina hifandrindran-daàlana amin'ny zavatra efa misy ao amin’ireo indostrian'ny tolotr'asa. […] Ireny rehetra ireny izany dia fampandriana adrisa fotsiny. Raha ny tena marina, ireo sehatra ireo efa afaka tamin’ireo gejan'ny fmaritana ny fari-panànana. Araka izany, ireo nambaran’i Najib dia tsy hisy fiatraikany loatra amin’ny asa ataon'ny indostria, na tena tsy hisy mihitsy.
Straight Talk dia nanamafy izay fomba fijery izay miaraka amin'ity filazany ity:
Efa niteny aho fa ny sasany amin’ireo fanehoan-kevitra tany am-piandohana no diso nentin'ny fo loatra sy nandeha ho azy. Maro tamin’ireo sehatra ireo no efa nisokatra, talohan’ny fanalalahana. Raiso ho ohatra ny informatika sy ireo tolotr'asa miaraka aminy, ity sampan'asa ity dia tena efa nalalaka tamin'ny ny nametrahana ny MSC². […] Nefa toy ny mahazatra, antoko pôlitika vitsivitsy, manam-pahaizana sy tompona petra-bola vitsivitsy no midera sy manasohaso ny fanavaozana nataon'ny Praiminisitra.
Raha ny haavon’ny fijery miiba sy ny fijery ankapobeny no zohiana dia be no mbola tokony hatao, mbola mila fotoana be i Najib mba hanaporofoany fa izy tokoa ny lehilahin’ny fanavaozana.
Fanamarihana: NEP midika hoe New Economic Policy - Pôlitika Ara-Toekarena Vaovao natao mba hamongorana ny fahantrana tsy hijabahan'ny resaka ara-poko intsony ; MSC mifandraika amin’ny Multimédia Super Corridor - Lalantsara Migodanan'ny Multimedia natao mba hanapariahana ireo TIC ho toy ireo fitaovana fampandroasoana any amin'ireo firenena mandroso
Siria: Manomboka ny fanentanana hanao ankivy ireo orinasan-tserasera ary fangatahana sarany mirary
Sary nindramina tamin'i donknuth
Ao anatina tontolo iray efa tena misandrahaka be, mbola taraiky any aoriana any foana i Siria; nialoha kely ny taona 2000 dia niseho vahoaka ny aterineto ary ny taham-pitsofohana amin'izao fotoana dia manodidina ny 17%. Na izany aza anefa, ny maro amin'ireo mpampiasa ny aterineto dia mbola mitohy mizaka hatrany ny filonan'ny modem 56k noho ny fandrakofan'ny ‘haut-debit' mbola tsy mahenika ny firenena manontolo. Tamin'ny 2001 ireo tamba-jotran'ny finday no nahazo ny fahazoan-dàlana hiasa tao Siria, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany, dia nampita ny akon'ny tsy fahafaham-pon'ireo mpanjifa ireo mpampita vaovao isan-karazany manoloana ny vidin'ny tolotra. Ny fahasahiranana sedrain'ny orinasan-tserasera Siriana dia tondroina ho avy amin'ny ankivy ampiharin'i Etazonia amin'ny firenena no antony betsaka ary koa ny kolikoly misy eny anivon'ireny orinasan-tserasera siriana ireny
Nanapa-kevitra ny mpitoraka blaogy fa leo ireo sarany ankehitriny sy ireo tolotra omen'ny mpandraharaha siriana -  Syriatel sy MTN Syria [ar] eo amin'ny sehatra fifandraisan-davitra izy ireo. Ny fitroatran'izy ireo dia nàka endrika fanaovana an-kivy ireo kaompania ny 01 jona, araka ny tatitry [ar] ny mpampita vaovao any an-toerana.
Ireo nanainga ity hetsika ity dia samy nandefa ity hafatra manaraka ity:
قاطعوا الموبايل في واحد حزيران 2009
ساهموا معنا في الحملة الوطنية للضغط على شركات الاتصالات لتخفيض الفواتير أسوةً بالبلدان المجاورة […] ساهم معنا وانشر الخبر ليصل إلى أكبر عدد ممكن
Fanaovana ankivy ny finday ny 01  Jona 2009
Mandraisa anjara miaraka aminay amin'ny fanentanana manerana ny firenena izay ataonay mba hanerena ireo orinasan-tserasera hampidina ny vidin'ny tolotra ataony hitovy tàntana amin'ireo izay ampiharina any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina […] Mandraisa anjara miaraka aminay ka aparitaho ny vaovao hipàka amin'ny olona maro araka izay tratra.
Anarchist Queer dia nitondra ny fanohanany tamin'ny filazàna fa [ar]:
بالنسبة لي فأنا أقاطع الشركات ليس فقط لأجورها العالية وإنّما أيضاً
لأساليب النصب والاحتيال التي يتبعونها مع زبائنهم, وكنت شاهدة على ذلك
خلال فترة تدريبي في شركة إم تي إن قبل أن أقدم استقالتي.
Ho ahy, manao ankivy ny kaompania aho, tsy noho ny saran'izy ireo lafo fotsiny, fa noho ireo tetika feno fitapitaka ataon'izy ireo amin'ny mpanjifany, [izay] izaho no vavolombelon'izany nandritra ny fianarana asa nataoko tao amin'ny MTN talohan'ny nametrahako fialana.
Ary ao amin'ny  Twitter i Salamm milaza hoe[ar]:
“Tiako be ilay Fanentanana ho fanaovana ankivy ny Finday, ary dia naeliko tamin'ny manodidina ilay izy (ivelan'ny aterineto)  Tsara lavitra kokoa izy ity raha naharitra mihoatra ny andro iray.”
Aty am-parany, Somar avy amin'ny Syria Talk no nilaza ho valin'ny fanamarihana iray fa:
الموضوع الأهم أنو يحس الشباب أنو نحنا كلنا ايد وحدة..بغض النظر عن الدين والطوائف…لازم نجتمع لنغيير الوضع نحو الأفضل…طالما الأفضل هوي لنا جميعاً
Ny tena zava-dehibe, dia ny fahatsapan'ny tanora rehetra fa singa iray ihany isika rehetra, tsy ijerena finoana na vondrom-pinoana sekta, tsy maintsy mivondrona isika mba hanatsaràna ny toe-draharaha iainantsika… raha mbola natao ho antsika rehetra koa ny fandrosoana.