2008-08-13
2008-08-02
Hong Kong (China),
Madagascar
Lova Rabary-Rakotondravony no nanazava fa nandefa solontena efatra tany Hong Kong hanao izay hamerenana ny emeraoda lehibe indrindra sy mavesatra indrindra fantatra ankehitriny [ nomena anarana hoe Fanomezan'ny Lanitra] ary aranty ao amin'ny Baoqu Tang Modern Art Gallery any Honk Kong ny fitondrana Malagasy. Takian'ny fitondrana Malagasy ho anisan'ny fananam-pirenena ny vato izay nahazoan'i Chan SicPo izay aritisita alalana ny hampiranty azy sady nilazany rahateo fa tamin'ny fomba ara-dalàna no nahazoany ny vato izay ana orinasa mpitrandraka vato miorina ao la Reunion antsoina hoe Orgaco .
[naoty avy amin'ny mpandika teny: ao amin'ny rohy dia voalaza fa orinasa Firantsay ity Orgaco ity, ka nahatonga ahy hieritreritra hoe sao dia mbola anisan'ny antony nahatonga ny fandroahana ilay masoivoho Firantsay ihany koa ity vato ity? Niaro ny “azy” manko ny fitsarana Firantsay raha izany]
2008-07-31
Ghana
Emeka no manoratra orinasa iray mampiely amin'izao tontolo izao ny tsironkanina sy ny nahandro Afirikana : “Natsangan'ilay efa nahazo ny loka manokana Felicia Twumasi, (ny orinasa mamokatra) sakafo araka ny fomba Homefoods (vita an-trano), voafono avy amin'ny ravim-boanio mena fanaova-menaka, ny Episy (fanatsarana tsiron-kanina) Afirikana tonga lafatra, mangahazo voatoto, saosy mafana vita amin'ny shito ary voankazo masa-tsiramamy (kaofitora fa tsy kaofiboay).”
2008-07-29
China
Lafo dia lafo ny sarantserasera aterineto ao amin'ny tanàna olaimpika ao Beijing, hoy ny mpanoratra iray ao amin'ny Andrew Lih's AndrewLih.com: “Tsy mampino fa tsy vitan'ny hoe tsy maintsy mifampiraharaha amin'ny Mandaben'i Shina aho, fa mandifotr'olona ihany koa (manempotra) ny saram-pampiasana azy!”
2008-07-21
Sub-Saharan Africa
Théophile Kouamouo [amin'ny teny Frantsay] no mamitimpintina (tsindrio eto) lavalava ao amin'ny bolongany ny boky mitondra ny lohateny hoe La Chinafrique: Pékin à la conquête du continent noir (na Shinafrika : Beinjing te-hambambo ny kaontinanta Mainty) nosoratan'i Serge Michel sy Michel Beuret, Boky miresaka ny ataon'ny Shinoa eto Afrika. Hoy izy: “Tsy anjely nirahin'ny Andriamanitry ny fiaraha-miasa Atsimo-Atsimo ny Shinoa sady mpanavakavaka ihany koa izy ireo, na dia tsy tahaka ny Tandrefana miaiina aty Afrika aza[…] fa tsy devoly ihany koa ry zareo na izany aza”. [naotin'ny mpandika teny malagasy: Mahaliana dia mahaliana tokoa ny mamaky azy io na dia ao amin'ny bolongana aza satria ahitanjavatra sahady toy ny “tsaho” miely ireny Shinoa miasa amin'ny toerana fananganan-javatra ireny dia gadra ampiasaina aty afrika… Toa mandà izany ireo mpanoratra ireo… efa henoko manko ny amin'ity tranga iray ity miaraka amin'ny hoe raha mandositra ka tratra dia tifirina ary “facturer”-na amin'ny fianakaviana ny bala nitifirana azy]
2008-07-20
Ghana
Ghana Unite for Development (Ghana miray ho amin'ny fampandrosoana) no maneho hevitra amin'ilay raharaha niteraka adihevitra any an-toerana momba ny fividianana medaily volamena ka manao hoe Moa ve tena mbola azo tohizana ny fitrandrahana volamena eto Ghana: “Zendana tanteraka aho raha namaky fa ny tetibidin'ny medaily volamena novidiana tamina mpivarotra firavaka iray tany Angiletera dia mahatratra £740,000 (£1 mira 3 130Ar izany hoe maherin'ny 2,3 miliara Ariary) […] Mety ve ny hanohizantsika ny fitrandrahana volamena eto Ghana, amidintsika mora ny bolongam-bolamena avy eo dia vidiantsika lafo dia lafo tamin'ilay nividy tamintsika ihany”.
2008-07-18
China
Toy ny rano atapoka sosoa indroa misesy ny filazalazana entina iarovana ny zon'ny mpamorona, tsy misy mpamaham-bolongana mahazo mametraka sary na mandefa lahatsary mikasika ny lalao olaimpika amin'ny bolongany. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fepetra noraisina hiarovana ny mpanohana ny lalao Olaimpika, hosakanana mandritra ny fanatontosana ny lalao olaimpika ny dokambarotra sasany ( hafa) misy (sarina) mpilalao heverina fa mpitondra marika.
2008-07-17
China
Adrienne Wong avy ao amin'ny Shanghaiist no nanamarika fa ny doka fanoheran'ny Amnesty International ny lalao Olaimpika any Shina sy ny dokambarotry Adidas mandritra ny Lalao Olaimpika dia nolokoiin'ny orinasa iray ihany izay tsy iza fa ny (TBWA).
2008-07-09
Kosovo,
Portugal,
Serbia
Cafe Turco no manoratra fa mbola tsy eken'i Portugal ny fahaleovantenan'i Kosovo - ary lazainy ihany koa ny fihenambidy ataona trano fandraisam-bahiny iray ao Pristina ho an'ireo “mpitsidika avy amin'ny firenena manohana ny fahaleovantenam-pireneny.”





Arzantina:Nolavin'ny loholona ny fampiakarana ny haba amin'ny fanondra...
-
Tena tsy haiko ilay teny fa dia misaotra an'i Luis na izany aza. ...
-
Muy bueno tu sitio, cuando estes muuuuy aburrido pasate por el mi...
Tohiny »