2008-12-05
Ezypta: Sarobidy kokoa ny mahavirijiny noho ny famonoana olona
Voasariky ny tantaran'ny famonoana olona mampihoronkoditra iray indray i Ezypta, mpianatra any amin'ny anjerimanontolo roa ireto nisy namono teny an-tohatra tany amin'ny tanànan'ny 6 oktobra (mampahatsiahy an'i 67ha lahy izy izany!) fivondronan'i Sheikh Zayed ireto. Zanaka vavin'ny mpihira Maraokana Laila Ghofran ny iray tamin'ireo novonoina.
Ity vono olona ity dia nanaraka ...
2008-11-28
Isiraely: vaovao farany momba ireo takalon'aina jiosy any Mumbai
Tsy dia fantatra loatra hatramin'izao ny manjo ireo takalon'aina nandritra ny fanafihana ny Ivotoerana Jiosy Chabad ao Mumbai. Chabad moa dia iray amin'ireo antokom-pinoana jiosy Hasidika Ôrthôdôksa mipariaka indrindra. Ny vaovao tena farany indrindra re mikasika ireo takalon'aina jiosy dimy voatazona tao moa dia ny fahafatesan'izy ireo, hoy i Gilad Lotan. Vakio ary ny fandehan'ny raharaha.
India: Ny fanafihan'ny mpampihorohoro ao Mumbai
Hita taratra mazava any amin'ny tontolon'ny bolongana ny hatezerana mihatra amin'ny fantsom-baovao amin'ny fomba fitantarany ny fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Mumbai. Ho an'ny sasany, dia naka ny paikan'ny “shock and shake” na “mandona sy manontsana” ny mpitati-baovao be mpanaraka izay mifanohitra amin'ny manamarina ny fisian'ny vaovao vao manambara ny fisiany. ...
2008-11-24
Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifanarahan-tany tamin'ny Koerana tatsimo.
Raha inoana ny nolazain'ny Financial Times dia hanofa ny atsasaky ny tany azo volena eto Madagasikara ny Koreana Tatsimo. Niteraka adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana malagasy mikasika ny fiandrianam-pirenena sy ny fampandrosoana ara-toe-karena izany. Mbola tsy mazava moa hatramin'izao hoe efa nosoniavin'ny roa tonta ve ny fifanarahana? Na izany aza dia efa ifandresen-dahatra eo amin'ny mpamaham-bolongana raha azo heverina ho karazana "fanjanahantany vaovao" izao fifanarahana izao.
2008-11-22
Shina: Raharaha maizina vaovao mikasika ny Baidu
Notaterin'ny CCTV ary fa nanaiky nandray vola avy tamina orinasa mpanao fanafody tsy ara-dalàna mba hametrahana ny rohy mikasika azy ho voalohan-daharana rehefa manao fikarohana amin'ny aterineto ny Baidu, izay heverina ho Google Shinoa. Nolazaina tao anatin'izany fitateram-baovao izany fa mahalala izany toe-javatra izany ny mpiasa misahana ny dokambarotra ...
2008-09-23
Shina: Misedra olana ny “Vita avy any Shina”
Tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny hatezerana vokatr’ilay vovo-dronono voapoizina. Ankoatry Sanlu (三鹿), ny fandraharahàna ankapobeny misahana ny fanaraha-maso ny kalitao, ny Fitsirihana ary ny Fisorohana eto amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Shina koa (國家質檢總局) dia nampahafantra tamin’ny 16 septambra fa ampahadimin’ny mpamokatra vovo-dronono natao ho an’ny zazakely eto amin’ny firenena no voarohirohy amin’ilay ...
2008-09-17
Shina sy Taïwan : Hatezerana vokatry ny vovo-dronono voapoizina vita avy any Shina
Ireo vokatra vovo-dronono, novokarin'ny vondron'orinasa Sanlu (三鹿) avy any Shina, dia tsikaritra fa voapoizina tamin'ny alalan'ny melamine taorian'ny nahitàna fa zaza an-jatony no narary tratry ny vato any amin'ny voa [amin'ny teny anglisy] (calculs rénaux). Zaza iray tany amin'ny faritany sinoa ao Gansu no maty noho izany.
25 taonina tamin'ny vovo-dronono ...
2008-09-10
Maraoka: Mpitoraka blaogy nosamborina, avy hatrany dia voasazy
Androany maraina (Alatsinainy 8 septambra 2008), navoakan'ny tranonkala mpampahalàla vaovao Hespress [amin'ny teny Arabo] fa nosamborina tany an-trano fonenany tao Agadir ilay mpitoraka blaogy Mohammed Erraji.Lahatsoratra iray momba ny Hespress nosoratan'i Mohammed Erraji [amin'ny teny Arabo]no toa niaingan'ny fisamborana, nefa samy tsy nisy nanamarina, na ilay fisamborana, na ny fifandraisana ...
2008-08-26
Palestina : Hafaliana noho ny namotsorana ireo voafonja
Hafaliana no nitsenan'ny palestiniana ny famotsorana ireo voafonja 199 tany Israely. Tamin'ny Alatsinainy no nambara ny famotsorana azy ireo, ary mety nokendrena hifanindry amin'ny fahatongavan'i Condoleezza Rice any Israely.
Efa imbetsaka moa no nahemotry ny mpanatanteraka Israeliana ity famotsorana ireo voafonja ity ary nanao fifidianana telo izy ireo mikasika ity raharaha ...
2008-08-21
Ejypta : Taorian'ny afo tao amin'ny antenimiera
Mampihomehy sady mahavery hevitra ny fahitan'ny mponina ny nandevonan'ny afo ny trano tao amin'ny antenimiera androany. Tsy mampino, fa tena misy mihitsy nefa ireo faly noho ny nandevonan'ny afo ilay trano.
Resahin'i Zeinobia ato ny fihetse-pon'ny mponina :
They are happy seriously happy in a way you can’t imagine , of course ...





Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahaf...
- eny tompoko, misaotra anareo nanome ny vaovao mikasika ny fiainam-pire...
Tohiny »