2009-09-30
Voasakana tsy hiteny teo anivon'ny Firenena Mikambana ny solontena malagasy
Nitetika ny hampanaiky ny fitondrany, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, tamin'ny alalan'ny fandraisam-pitenenana teo anivon'ny Firenena Mikambana tao New York, i Andry Rajoelina izay tohanan'ny tafika, raha voasakana tsy hiteny. Miresaka momba izany ny mpamaham-bolongana sy ny mpisioka an-tserasera malagasy.
Honduras: fakana sary mandritra ny tsy fahazoana mivezivezy
Telo volana taorian'ny naharesen'ny filoha Mel Zelaya tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana izay heverin'ny sasany fa rariny ary ataon'ny hafa kosa ho tsy ara-dalàna, dia niverina tany Honduras izy ny 21 septambra lasa teo ary mialokaloka ao amin'ny tranon'ny masoivohon'i Brésil any Tegucigalpa renivohitra. Niteraka savorovoro politika sy tsy fitovian-kevitra eny an-dalana ...
2009-09-18
Indonezia: voamarina fa maty tokoa ilay lehilahy natao savahao indrindra
Voamarina ankehitriny fa maty tokoa ilay lehilahy notadiavina indrindra teto Indonezia, Noordin M. Top, rehefa nifampitifitra tamin'ny mpitandro ny filaminana. Haingana dia haingana ny nitantaran'ny mpisioka an-tserasera Indoneziana ny tantara.
2009-09-17
Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika
Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io
Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany ...
2009-08-26
Grèce: Mandondona an'i Athènes ny afo
Nisy doro tanety nitranga tany avaratra atsinanan'i Attica any Grèce ny zoma alina lasa teo, ary avy hatrany dia nandrava ala maro sy tanin'olona maro. Tao anatin'ny 2 andro monja dia nahazo ny faritra avaratra indrindra any Athènes ny afo, mampahatsiahy ny fahasimbana goavana nateraky ny doro tanety tamin'ny lohantaona ...
2009-07-24
Maoritania: Hosoka tamin’ny fifidianana?
Omaly, 11 volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila notarihan’ny jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, dia nofidin’ny Maoritania ho filoha ny jeneraly, izay mahatonga ireo mpifaninana tamin’i Abdel Aziz niteny fa “sarintsariny” io fifidianana io araka ny voalazan’ny BBC News. Raha mijery ao amin’ny tontolon’ny blaogy Sahelianina dia mahita fa mifandray ny tadin-dokangan’ireo mpifaninana aminy.
2009-07-18
Azerbaijana: Tanora mafana fo, mpitoraka blaogy, voadaroka sy voasambotra
Tamin'ny 8 Jolay, Emin Milli, iray amin'ireo mpanangana ny fototry ny hetsika tanora the Alumni Network ary Adnan Hajizada, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika avy ao amin'ny OL! Youth Movement dia niharan'ny daroka mafy nataon'olon-tsy fantatra raha nisakafo niaraka tamina vondron'olona sivily hafa sy tanora mafana fo tao amina trano fisakafoanana iray tao an-tanànan'i Baku. Taorian'ny nametrahan'izy ireo fitoriana tany amin'ny manampahefana momba ny zava-nitranga dia ry zareo indray no notànana, mety hihoatra ny 48 ora.
2009-07-14
Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson
Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary ...
2009-06-09
Gabon: Manodidina ny fahafatesan'ny Filoha Omar Bongo
Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon, izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana ...





