· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jona, 2013

Voasakana Tany Etazonia dia Nipoitra Tao Rosia Indray Ilay Lalàna SOPA

Niverina ny lalàna Amerikana "Stop Online Piracy Act" (Ajanony ny Fijirihana Anaty Aterneto) - ary efa hihatra afaka herinandro eo ho eo. Tsy ao Etazonia anefa ny SOPA no hivoaka, toerana izay nahitàna fihetsiketseham-bahoaka notontosain'ny fikambanan'ireo orinasa misahana ny aterineto, fikambanana Mpiaro ny Zon'olombelona, ary ireo mpampiasa aterneto mba hitsipahana ny lalàna tamin'ny volana Janoary 2012. Lalàna iray mamolavola sazy henjana ho an'ireo izay manitsakitsaka anaty Aterneto ny zon'ny mpamorona no eo an-dalam-panantanterahana ao Rosia.

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

  30 Jona 2013

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.

Saodiana Mafana Fo Voampanga Hiditra An-tranomaizina Mandritra Ny Valo Taona

Abdulkareem al-Khadar, mpikambana mpamorona ny fikambanana miaro ny zon'olombelona mpanohitra ny Fanjakana, ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Politika Sy Sivily (ACPRA), dia notsaraina ary nosaziana valo taona am-ponja noho ny fanairany ny hevi-bahoaka sy ny fametrahany fikambanana miaro ny zon'olombelona tsy nahazo alàlana, ankaoatr'ireo fiampangana hafa, izay ny dimy taona dia nahantona sy tsy ampiharina raha toa tsy manatrika fivoriana na miditra anatinà fikambanana tsy ara-dalàna io mafana fo io aorian'ny famoahana azy.

Pavel Durov, Tsy Hiditra Am-Ponja Ny Mpamorona Ny Tambajotra Sosialy #1 Any Rosia (Hatreto Aloha)

Toa tahàka ny afaka miverina any Rosia tsy misy didy famonjàna mandindondindona azy i Pavel Durov. Tahàka ny marina aloha izany hatramin'izao, raha nanakatona ny fanadihadina [ru] ireo mpitsongodia ao St. Petersburg mikasika ny filazàna ho nahatafidiran'i Durov tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 5 Aprily izay nanery ilay "Zuckerberg-n'i Rosia" handositra ny fireneny, roa volana lasa izay.

SARIPIKA: Anjatony Manohitra Ny Saran'ny Bus Nosamborina Tao Brezila

  17 Jona 2013

Nifanehatra tamin'ny famoretan'ny polisy tamin'ny endrika ranona dipoavatra atsifitra, bala fingotra ary baomba mandatsa-dranomaso ny fihetsiketsehana fahaefatry ny Hetsika ho amin'ny Sara malalaka, izay notontosaina tamin'ny alakamisy 13 jona tao São Paulo. Araka ny vaovao farany dia olona 235 farafahakeliny no voasambotra nandritra ny fihetsiketseha-panoherana.

Hatezerana Noho Ny Herisetra Tamin'ny Fisamborana Ireo Mpaka Sary Mpanao Gazety Espaniola Roa

  14 Jona 2013

Nozaraina be tao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra hoe #RaúlLibertad ireo vaovao momba ny fisamborana ilay mpaka sary mpanao gazety Raúl Capín, tany Madrid. Voasambotra ihany koa i Adolfo Luján, mpaka sary mpanao gazety. Hafatra maro maneho fahatezerana sy manohitra ny famoretana ny mpanao gazety izay mitatitra ny fikomiana ara-tsosialy no mifanaretsaka ao amin'ny aterineto.

Tiorkia: “Hazo Iray No Maty, Firenena Iray Manontolo No Mitsangana”

Nivadika ho herisetra ny raharaha tany Istanbul rehefa nanaparitaka ny mpanohitra izay nanao izany ampilaminana ny mpitandro ny filaminana ny Zoma 31 May teo. Efa ho dimy andro lasa no nanombohan'ny fitokonana andalam-be ampilaminana nahitàna vondron'olona maro niaraka nanohitra ny drafitry ny governemanta hanavaozana ny tanan-dehibe amin'ny fanalàna ireo hazo maniry ao amin'ilay hany faritra maitso any Istanbul: ny Gezi Park. Ny herisetra nampiharin'ny mpitandro ny filaminana -- entona mandatsa-dranomaso, tifitra rano, totohondry sy kibay -- mba hanaparitahana ireo mpanohitra hiala eo amin'ny kianja no niteraka fanoheram-bahoaka, vantany vao nameno ny tambajotra sosialy ny sarin'ireo olona, ka isan'ireny ireo ankizy sy antitra niaro tena tamin'ny entona mandatsa-dranomaso.