· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2013

Vehivavy Iray Avotra Rehefa Tafahitsoka 17 Andro Tany Ambaninà Orinasa Rava Tao Bangladesh

  20 Mey 2013

Tamin'ilay andro niakaran'ny isan'ny maty ho 1.055 nandritra ny firodananà orinasa manana rihana sivy tany Savar (any ivelan'ny Dhaka, renivohitr'i Bangladesh), dia nisy vehivavy mpiasa antsoina hoe Reshma Begum kosa hita velona taorian'ny nahavoafandrika azy tanatin'ilay trano rava nandritra ny 17 andro, firodananà tranobe nahafaty olona be indrindra hatramin'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro ny 9/11.

Nampisinda Vetivety ny Tsy Fitovian-kevitra Ara-politika Ao Pakistan Ny Ratra Nahazo An'i Imran Khan

  17 Mey 2013

Mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amin'ny kibay) manana ny lazany, niofo ho mpanao politika i Imran Khan, nahasarika tanora marobe sy mpifidy avy ao andrenivohitra ny fampielezan-keviny mampanantena “Pakistana Vaovao” tamin'ny famoriam-bahoaka nokarakarainy ho entina hiatrehana ireo fifidianana ankapobeny ao amin'ny firenena, saingy fotoana fohy alohan'ny hanaovany kabary, nianjera 15 metatra avy eny amiin'ny kalesy...

Fipoahana Etona Fandrehitra Nahafatesana 19 Farafahakeliny tao Meksika

  08 Mey 2013

Nahafatesana olona 19 sy naharatrana olona 36 farafahakeliny ny fipoahana fitoerana gazy iray araka ny tatitra farany. Ny maraimben'ny 7 mey 2013 no nitrangan'izany fipoahana izany tao Ecatepec de Morelos County (Fanjakan'i Mexico). Ao anatin'ny faritra midadasik'i Mexico i Ecatepec. Ny gazety meksikana El Universal [es], ao amin'ny aterineto, no iray amin'ireo sehatra voalohany nilaza ny vaovao mafana:...

LAHATSARY: Famoretan'ny Polisy Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny 1 Mey

  04 Mey 2013

Olo-tsotra 25 sy polisy 22 no naratra nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy Tiorka sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 1 Mey tao Istanbul, lehilahy iray no voalaza fa jamba ny masony ilany satria tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ary tovovavy iray 17 taona kosa naratra teo amin'ny lohany ka nahatonga azy tsy nahatsiaro tena...

Kandidà Tsy Nampoizina Fifidianana Eto Madagasikara

  04 Mey 2013

Fanamarihana : Raha mijery ny lahatsoratra niavian'ity dikan-dahatsoratra ity isika dia tamin'ny 28 avrily no nanoratana ny tamin'ny teny anglisy, nisy ny fanavaozana tamin'ny 29 avrily, nefa tsy nampiova ny zava-misy ny lohateny fa nisy ny kandidà tsy nampoizina na dia efa nampoizina ihany aza tanatin'ity lahatsoratra ity. Tsy maintsy...