· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Aogositra, 2011

Arabia Saodita: Tenifototra Manokana Ho An'ny Mpanjaka Ao Amin'ny Twitter!

Tenifototra iray amin'ny teny Saodiana manao hoe #tal3mrak izay raha adika ara-bakiteny dia manao hoe "Andriamanitra anie hanome tombon'andro anao" na "ny andriamanjaka" raha atao amin'ny teny Tandrefana no nandrakotra ny Twitter androany (28 Aogositra 2011). Zava-tsy nampoizina ho an'ny maro ilay tenifototra, izay tsy nihevitra velively fa ny Saodiana mpiondana aterineto dia hanana faharisihana hiresaka amin'ny feo avo amin'ny fomba tahaka izany rehefa mitodika amin'ireo manampahefanan-dry zareo

Libia : Tànan-Kavanan'i Gaddafi, Abdessalem Jalloud Niondrana Nankany Italia

Ny vaovao avy any Libia dia miparitaka erak'izao tontolo izao, noho ny nahazoan'ireo mpihoko tsikelikely ny tanàna. Ny vaovao lehibe iray nalaza, dia ny fitsoahan' ny olo-maventy faharoan'i Libia teo aloha, Abdessalem Jalloud nankany Italia tamin'ny fiaramanidin'ny zotram-pitateran'i Malta nandalo tany Tonizia, araka ny nambaran'ny olona ambony iray ao amin'ny Governemanta Toniziana ankehitriny. Noraisin'ny olona maro ho mariky ny fiafaràn'i Gaddafi ny fialàn'i Jalloud.

Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”

  22 Aogositra 2011

Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga. Ny Global Voices dia manolotra fantina lahatsary avy amin'ireo fihetsiketsehana.

Tontolo Arabo: “Assad, Ianao no Manaraka an'i Gaddafi!”

Eo andala-pahataperana haingana ny fitondran'ny mpitari-tolona Libyana Muammar Gaddafi, dia mivantana any amin'ny filoha Syriana Bashar Al Assad indray ny fampitandreman'ny mpisera Twitter ary mitaky ny hialany amin'ny fitondrana ihany koa. Misiokantsera i Sultan Al Qassemi avy any amin'ny Emirà Arabo Mitambatra: @SultanAlQassemi: Are you watching Bashar? You're next. #Syria Mijery ve ianao...

Libya: Tapitra ny lalao ry Gaddafi

Miditra any Tripoli renivohitry ny firenena ny revolisionera Libyana. Miavaka mihitsy ny fientanetanana an-tserasera, miaraka amin'ny fitabataban'ny Twitter feno hiaka sy horakora-pifaliana manisa ny segondra farany hiandrasana ny fialan'i Gaddafi eo amin'ny fitondrana. Miely ny feo fa efa nametraka ny fitaovam-piadiany sy nitolo-batana ny andia-miaramila misahana ny fiarovana azy.

Shily : Voasakan'ny Mpianatra Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Mihoa-pefy

  16 Aogositra 2011

Nihetsika mangataka fanavaozana ny rafi-pampianarana ireo Shiliana mpianatra nanomboka tamin'ny Aprily. Anaty lahatsary tsy ela akory izay, azo atao ny mahita tranga tanaty fihetsiketsehana iray, ka nandritra izany dia nifampiraharaha ry zareo ka nahavita nandresy lahatra andian-jiolahim-boto nisaron-tava handao ny toerana. Maneho ny fanohanan-dry zareo ny mpianatra ireo Shiliana any anaty tambajotra sosialy any, amin'ny alalan'ny fivelesana vilany rehefa amin'ny 9 ora alina.