· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2011

Ejipta: Voasazy handoa onitra noho ny fanakanana ny aterineto nandritra ny Revolisiona i Mubarak

Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana Hosni Mubarak sy ny olom-panjakana hafa, araka ny didy nivoaka androany. Araka ny voalazan'ny Reuters, dia nodidian'ny Fitsarana misahana ny...

Pakistana : Fipoahana nisesisesy tao amin'ny tobin'ny tafika tao Karachi

  23 Mey 2011

Re izao fa nisy ny fipoahana nisesisesy tao amin'ny Tobin'ny seranan'ny tafika an-dranomasina tao Pakistana ao Karachi, teo amin'ny manodidina ny  amin'ny 11 ora alinateo ny 22 mey 2011. Ny P.N.S. Mehran (Tobin-tafika an-dranomasina sy an-habakabaka Mehran), foto-drafitrasa ambenan'ny Tafika an-dranomasina pakistaney fatratra ao Shahrah-e-Faisal,  no etamazaoron'ny tafika an-habakabaka. Mpampihorohoro valo...

Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto

  21 Mey 2011

Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa manerana ny firenena. Mifandamina any anaty tambajotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohana, sady mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy hifampizaràna sy hanelezana ny vaovao, hilazàna ny tantarany, ary hiaraha-miasa anaty fifandrimbonana momba ny hevitra, ny fomba fijery syny fandraisana andraikitra.

Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe

  20 Mey 2011

An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espana tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa. "Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny banky ny mpanao politika akory isika," no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 15 May teo, andro vitsy monja mialoha ireo fifidianam-paritra. Hitohy ny hetsi-panoherana sy ny fitorevahana.

Espana: Lahatsarin'Ilay Horohorontany Tao Lorca

  13 Mey 2011

Lahatsarin'olon-tsotra no maneho ny taorian'ilay horohorontany nanana hery hatramin'ny 5.1 sy 4.5 namely ny tananan'i Lorca any amin'ny faritra'i Murcia, Espana ny 11 May. Araka ny Filankevitry ny Tanàna, eo anelanelan'ny 20 000 sy 30 000 eo ny olona natory teny an-dalambe, raha mbola eo an-dalam-panamarinana ireo tranobe ny brigady voatokana ho amin'izany.

Tonizia: Miverina indray Ny Herisetran'ny Polisy

Niverina an-dalambe n itaky indray ny fialan'ny governemanta ry zareo Toniziana, taorian'ireo fanambaràn'ny Minisitry ny Atitany teo aloha Farhat Rajhi nivoaka tao amin'ny pejy Facebook iray fa hoe hitohy hotantaninà governemanta miafina i Tonizia, tarihan'ny naman'i Ben Ali iray, dia i Kamel Ltaief ankoatry ny zavatra hafa. Ary indray mandeha indray, niatrika ny herisetra sy famoretan'ny polisy ireo mpanao hetsi-panoherana.

Nosoloin'i Syria Sertifika Sandoka Ve Ny An'ny Facebook Momba Ny Fiarovana Ireo Mpampiasa Azy?

GV Mpisolovava  10 Mey 2011

Ana Souri [Siriana aho, amin'ny teny Arabo] mpampiasa ny sehatra fitorahana bilaogy tumblr dia manamafy[ar] fa ny Ministeran'ny Fifandraisan-davitra Siriana dia nanolo ny sertifika mikasika ny fiarovana tao amin'ny Facebook tamina iray hafa sandoka izay manamora ny fahafahana mitsikilo ireo mpampiasa azy, mitahiry ny tenimiafina ampiasainy, ary mijery ny vontoaty azy ireo manokana.

Kiobà: Voarara ny Fiverenan'ilay Mpampianatra sady Bilaogera Amerikana

  09 Mey 2011

Ted Henken, mpampianatra ao amin'ny kolejy Baruch ao an-tanànan'ny Oniversité  New York (CUNY), bilaogera mahay manoratra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy  Kiobana, no nampandrenesin'ny minisiteran'ny Fiarovana Kiobàna fa tsy afa-miverina ao amin'ny nosy izy. Nandritra izay 12 andro nijanony izay, niresaka tamina bilaogera maherin'ny 40 momba ny bilaogy sy ny aterineto ao Kiobà...