· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Febroary, 2011

Tonizia: Nametra-pialana ny praiministra taorian'ny vono-olona ny Asabotsy

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana mikasika ny  Revolosiona Tonizia taona 2011. Nametram-pialana ny praiminisitra vonjimaika Mohamed Ghannoushi taorian'ny fatiolona ny Asabotsy tao an-drenivohitra Tunis. Ny fifandonana niseho tamin'ny Zoma alina tao amin'ny lalana Habib Bourguiba, nitarika fahafatesan'olona telo nisy teo amin'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana. Narahina  fampisehona...

Côte d’Ivoire: Fanentanana ao amin'ny Twitter mba hisarihana ny sain'Anderson Cooper

Nitana ny anjara asany ny mpanoratra ao amin'ny Global Voices Anna Gueye tao anatina fanentanana vao hainagana handresena lahatra ny mpitatitra mora resen-dahatry ny CNN Anderson Cooper mba tena hijery ireo mpanohitra any amin'ireo firenena Afrikanina tahaka an'i Gabon sy Côte d’Ivoire, tahaka ny nataony tamin'ireo fikomiana tany Tonisia, Ejipta sy ny tontolo Arabo hafa.

Ejipta: Ho Bokotra Fampandehana Indray Ny Revolisiona Ejiptiana Ve Ny 25 Feb?

Ny omaly no nanamarika ny volana voalohany nanombohan'ny revolisiona Ejiptiana. Voaongana ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, saingy tsy mbola vita akory ny revolisiona. Ireo mpanaofihetsiketsehana ao amin'ny kianja Tahrir izay mangataka ny hanatanterahana ny fitakiany dia nohodidinina sy naparitaky ny polisin'ny tafika. Ho fiandohana onjan-kerisetra vaovao indray ve izany?

Libia: “Tsy mendrika ny ho velona ny vahoaka tsy tia ahy” hoy i Gaddafi

Milaza amin-kambo ireo mpanohana ny any amin'ny Kianja Maitso any Tripoli ny mpanao didy jadona Libiana Muammar Al Gaddafi, manome toky fa mbola ho be ny fahoriana sy ny fahafatesan'ireo vahoaka manohitra ny fanjakany. Tamin'ny fitenenany farany, izay mivoaka anio any amin'ny TV Libiana, niantso ny Libiana hiaro ny fireneny i Gaddafi, nanampy fa hodorany izany raha tsy misy miaro azy ny vahoaka.

Libya: Manainga Ireo Mpitsoa-Ponenana Raha Toa ka Tonga Tsikelikely Kosa Ny Fanampiana Amin'ny Maha-Olona sy Ireo Mpanao Gazety

Raha mbola mitohy miraikitra amin'ny fitondrana ilay jadon-dahy Libiana Muammer Al Gaddafi, mamono ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manohitra azy amin'ny fomba faran'izay henjana sy feno habibiana tsy fahitra hatrizay, ny laharan'ireo olona mitsoa-ponenana miala an'i Libia kosa mitombo hatrany. Ary raha mitohy miakatra hatrany ny salan'isam-pahafatesana, tonga mitsitaitaika ao amin'ny firenena kosa ny fitondràna fanampiana amin'ny maha-olona sy ireo mpanao gazety

Libya: Maty izay rehetra manao zavatra

Vao nanao lahateny tezitra tamin'ny fahitalavi-panjakana Lybiana ny mpanao didy jadona any Libya Muammar Al Gaddafi mampitandrina sy mampatahotra ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny governemanta sy ny mpanara-dia azy, fa hiafara toan'i Afghanistan, Irak, na Somalia i Lybia. Mankahery ny Libiana izy hivoaka ny tranony ary handroaka ny "mpampihorohoro" ary hitaona ireo any amin'ny hery fiarovana mba "hanasaziana azy ireo mandra-pahafatiny".

Iràka: Manomboka ny andron'ny fahatezerana

Androany dia manamarika ny andro ny fahatezerana ao Iraka satria Irakiana an-jatony no nidina an-dalambe mba hitaky fanovana sosialy sy toekarena ary ny fanafoanana ny kolikoly. Na ny mpanohana ny fiovana na ny mpanohana ny fanavaozana na ireo mpanohitra ny governemanta dia nivory manerana an'Iraka androany maraina, mba hifanehatra amin'ny...

Libya: Niteny i Obama, antso tao amin'ny Tweeps

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetseham-bahoaka 2011 Lybia. Nivoaka tamin'ny fahanginany ny filoha Amerikana  Barack Obama noho ny zava miseho ao Libya, nisy ny kabary nataony tao amin'ny Trano Fotsy [Maison Blanche] ny zoma , saingy tsy dia nahafa-po an'ireo izay nihaino Twitter ny hafatra nataony,...