· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Novambra, 2010

Fanampiny momba ny fanenjehana ara-politika eto Madagasikara

  30 Novambra 2010

Fanazavana lavalava ihany no nosoratan'ny mpamaham-bolongana Alain Rajaonarivony momba ny fisamborana mifandraika amin'ny raharaha politika vao nitranga teto Madagasikara (fr). Mitantara ny fandehan'ny fisamborana [na fisavana ny trano] nahazo azy ireo ny havana akaiky an'i Raymond Ranjeva sy ny zanany vavy. Eto moa misy fanangonan-tsonia manameloka izao fanenjehana azy ireo izao (fr)...

Haiti: Fihetsiketsehana hanoherana ny Firenena Mikambana vokatry ny kôlera

  29 Novambra 2010

Telo andro taorian'ny fanambarana ny trangan'aretina kôlera voalohany tany Haiti, The Life and Times of the Mangine Many namoaka tao amin'ny bilaogy: Tena marina? kôlera? Nataoko fa efa tsy nisy intsony ny fivoaran'ny kôlera taty andrefana. Ankehitriny, ny tena ratsy dia eto izy, eto Haiti. Hatramin'izao dia 138 no maty....

Rosia: Mihamaro ny mpanao gazety misy midaroka

Akon  09 Novambra 2010

Igor Podgorny no mitatitra ny nidarohana an'i Sergey Mikhailov, mpanao gazetin'i Saratov, izay nitranga ny 5 Novambra 2010. Kommersant koa manoratra ny nidarohana an'i Anatoliy Adamchuk mpanao gazety avy ao an-tanànan'i Zhukovskiy (faritra Moskoa) sady mpiaro ny  alan'i Khimki . Tamin'ny 7 novambra 2010 moa i Adamchuk no nisy nidaroka.

Kiobà: Fiaraha-mientana an-tserasera taoriana fianjerana voromby

  09 Novambra 2010

Nisy voromby nianjera tany akaikin'ny tanànan'i Guasimal, miorina eo ho eo amin'ny 15 kilometatra avy eo amin'ny faritanin'i Sancti Spiritus afovoan'i Kiobà. 68 ny isan'ny maty. Minitra vitsivitsy toriana dia nifampita vaovao momba ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity tamin'ny alalan'ny Twitter ny Kiobàna.

Côte d'Ivoire: Fifidianana filoham-pirenena an-tsary

  03 Novambra 2010

Nanatontosa ny fandrotsaham-batony tamin'ny alalan'ny fifidianana filoham-pirenena voalohany indray tao anatin'ny folo taona izao ny alahady 31 oktobra teo ny mpifidy voasoratra anarana any Côte d'Ivoire. Indreto ny sary voafantina hita tao amin'ny Twitter nandritra ny androm-pifidianana