· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Oktobra, 2010

Repoblika Dominikana : fepetra hiadiana amin'ny kolera

  31 Oktobra 2010

Maherin'ny 270 no matin'ny kolera tany Haïti ary manodidina ny 3000 no tratry ny aretina. Ny fipariahan'ny valanaretina, izay tao amin'ny tanànan'i Saint Marc no niantomboka, dia niitatra hatrany amin'ny renivohitra haitiana, Port-au-Prince, izay nahitàna tranga iray voamarina omaly. Ireo manampahaizana avy amin'ny OPS [Organisation panaméricaine de la Santé] fa fotoana no isaina dia ho tonga any amin'ny tany dominikana ny kolera. Mihetsika ireo mpitoraka bilaogy.

Arzantina: Nodimandry ny filoha teo aloha Nestor Kirchner

  28 Oktobra 2010

Ny marainabe, ny andron'ny alarobia, ny filoha teo aloha, Nestor Kirchner, sady vadin'ny filoha ankehitriny Cristina Fernandez no nodimandry noho ny aretim-po. Tsy diso anjara tamin'ny resaka momba ity fahafatesana tampoka sy tsy noeritreretina ity ny mpamaham-bolongana Argentina.

Ny voina nateraky ny tondra-drano tao Thailand

  28 Oktobra 2010

Olona mihoatra ny 40 no voamarina fa namoy ny ainy nohon'ny fiakaran'ny tondra-drano tany amin'ny faritra avaratra atsinanana sy afovoan'i Thailand. Efa tratran'ny tondra-drano koa izao ny faritra sasany ao Bangkok, renivohitr'io firenena io. Mitatitra vaovao mifanaraka amin'ny toetr'andro mikasika ny vokatra nateraky ny tondra-drano ny mponin'ny aterineto amin'ny alalan'ny blaogy sy twitter

Setroka be mandrakotra an'i Singapore

  23 Oktobra 2010

Setroka be ao Singapore sy ny Atsimon'i Malezia! Tondroin-dry zareo ho avy amin'ny fandoroana ny hazo tany Sumatra, Indonezia izay fanaon'ireo tantsaha ho fanomanany ny fotoam-pamafazany izy io. Mikohaka sy mitaraina ny mponina. Mahafanimpanina ny besinimaro ilay setroka ary mangotrakotraka momba izany ny aterineto

Madagasikara: tatitra momba ny fifandonan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana farany

  19 Oktobra 2010

Ny mpamaham-bolongana Jentilisa no nanome antsipiriany ny hitany maso [mg] tamin'ny herisetra [fr] nifanaovan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 18 Oktobra teto Antananarivo, Madagasikara.  Mpikambana avy amin'ny mpanohitra heverina ho 1500 eo ho eo no nanao fihetsiketsehana nanoloana ny fitsarana izay niantsoana ny mpitarika. Ity moa misy ny...

Shina: Loka Nobel Fandriampahalemana – Liu Xiaobo

  09 Oktobra 2010

Ora vitsivitsy izay dia nanapa-kevitra ny hanolotra ny loka Nobel Fandriampahalemana 2010 ho an'i Liu Xiaobo ny Vaomieran'ny Nobel Norveziana noho ny tolona tsy manao herisetra lavitr'ezaka nataony hisian'ny fampanjakana ny zon'olombelona fototra any Shina. Fotoam-pifaliana lehibe ho an'ireo Shinoa tafiditra ho amin'io fironana io izao fotoana izao satria i...

Indonezia: Hatezerana an-tserasera noho ny fanafihana ny mpitondra fiangonana

  07 Oktobra 2010

Nisy nanatsatoka antsy tao Indonezia ny mpitondra fiangonana Kristiana miisa roa indray alahady izay nandritry ny fotoana nanatanterahan'izy ireo ny asa fanompoana, izany dia nahatezitra mafy ireo mponina teto amin'ny aterineto. Ho fanehoana ny tsy fankasitrahana izany dia namporisihana ireo mpikambana ao amin'ny facebook mba "tsy hanisy sary" eo amin'ny takelaka misy ny mombamomba azy ireo.

Koweit: Aleo ho lò ny voatabia!

Tomatoes are now eight times more expensive in Kuwait than they were a month ago - and netizens are not taking the change in prices in stride. They cannot find an explanation to why the cost of a box of tomatoes jumped from half a dinar ($1.70) to KD4 ($14) in just a few days.

Kaoety: Mihinàna, Mijere dia Mivavàha

Orinasa goavana mpamokatra sarimihetsika ao Kaoety no nanambara fa mikasa ny hametraka 10 mn ho fakàna aina amin'ny ora fiasany efa voafaritra isanandro mba hanomezana fotoana ireo mpino marobe hanaovan'izy ireny ny maghreb izay fotoam-bavaky ry zareo. Nifangaro be ihany ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter naterak'ilay fanambarana