· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jolay, 2010

Fitorahana blaogy mivantana mikasika ny fanehoan-kevitra momba ny fiparitahan'ny antontan-taratasin'ady any Afghanistan

  31 Jolay 2010

Mihoatra ny 90,000 ireo antontan-taratasin'ny miaramila any Etazonia mikasika ny fanafihana tany Afghanistan naboraka. Ho fitsapana, mampiasa Google Wave isika mba "live blog global blog" iraisam-pirenena sy ireo resaky ny media mikasika ireo "boky mirakitra ireo ady" (#warlogs) nasehon'ny Wikileaks, Der Spiegel, New York Times sy The Guardian vahoaka androany.

Filipina : olana rano ao Manille

  24 Jolay 2010

Saripika avy amin'ny pejy Flickr an'i rickyli99 Miaina olana tsy fahampian'ny rano sedrain'ireo mpampiasa rano an-tapitrisany ankehitriny i Metro Manille, renivohitr'i Filipina. Tezitra amin'ny tsy fahitana rano handroana ny mponina ka  namaky ny fantson-drano ao Malabon. Miezaka mampivoitra ity tsy fahampian-drano ity ireo mpitoraka bilaogy any Filipina. Miahiahy i Blackshama's blog mahita fa...

Oganda: Maneho hevitra momba ireo baomba nipoaka ny mpitoraka blaogy

  16 Jolay 2010

Nifamory tany amin'ireo trano fisotroana sy trano fisakafoanana ireo mpankafy baolina kitra manerana an'izao tontolo izao mba hijery ny lalao farany amin'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany omaly alina. Any Oganda, niato ireo fankalazana ireo rehefa nipoaka ny baomba tamin'ireo toerana roa malaza amin'ny fivoahana amin'ny alina ao Kampala, renivohitry ny firenena.

Egypta: Miketrika valifaty ny Minisitry ny atitany

Nampiasa ny media amin'ny aterineto ireo mafana fo Egyptiana amin'ny fampiharihariana tanteraka ny kolikoly sy ny fampijaliana ataon'ireo mpitandro ny filaminana. Marwa Rakha manoratra mikasika ny fihetsehan'izy ireo niseho vao haingana ary manala sarona ny tranga mikasika ny mafana fo Egyptiana iray voatazona tany Libya ato amin'ity lahatsoratra ity.