· Mey, 2010

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2010

Fifandonana tany Bangkok : tatitra an-tsary, horonantsary ary Twitter

  22 Mey 2010

Avy amin'ny twitpic-n'i wassayos Tsy handefitra ny Praiminisitr'i Thailand Abhisit Vejjajiva, amin'ny nanomezany didy ireo miaramila ny mba hanohizana ny fidinana an-tsehatra manosika ireo mpanohitra avy any amin'ny Lobaka Mena. Manisika mafy i Abhisit fa ho famerenana ny fitoniana ao an-drenivohitra no mampahery vaika ny fanosehana ny mpanohatra. Manameloka ny ampahany...

Madagasikara: Nipoaka ny fifandonana teo amin'ny tafika sy ny mpitandro ny flaminana tsy mitovy hevitra

  22 Mey 2010

Tamin'ny 20 May 2010, dia nisy ny fifandonana teo amin'ireo mpitandro ny filaminana mpifanandrina izay naharitra ora iray tao an-drenivohitr’ i Madagasikara, Antananarivo. Ity krizy ara-politika mitohy ity dia mbola nahitana herisetra indray, araka ny voalazan'ny Croix rouge dia olona telo no naratra nandritry ny  fifandonana (fr). Vondron”olon-tsotra an-jatony tohanan'ireo...

Arabia Saodita: feno orana

  17 Mey 2010

Mitady ny fomba rehetra hanajanonana ny ranobe vokatry ny orana nivatravatra tany Riyadh androany ny mponina any Arabia Saodita. Misy bilaogy manokana natsangana hanangom-baovao avy amin'ny twitter sy ny YouTube, miaraka amin'ny vaovao farany ao amin'ny twitter sy sary mihetsika navoaka tao amin'ny sita YouTube. Mitondra ny lohateny hoe ny...

Rosia: Sarin'ny tondra-drano tany Môskoa

Alexey Yushenkov dia manapariaka andian-tsary nalainy nandritra ny tondra-drano izay nitranga tany amin'ireo lalambe izay isan'ny ivon-tananan'i Môskoa. Mizàra sary sahala saingy tamin'ny taona 2006 koa izy. Misy sary hafa mitatitra izany tondra-drano izany azo jerena ato sy ato.

Tsy handray anjara amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka any Madagasikara i Rajoelina

  13 Mey 2010

Ny filohan'ny Fitondrana Ambony amin'ny Tetezamitan'i Madagasikara, Andriamatoa Andry Rajoelina dia nanambara tamin'ny haino aman-jerim-pirenena [ndlr. RNM sy TVM omaly alina, Alarobia 12 May 2010] fa tsy hilatsaka ho kandidà izy amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka izay [ndlr. kasaina] hotanterahina ny faha-26-n'ny volana Novambra 2010. Ny namana Achille [ndlr. ao amin'ny...