· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Jolay, 2009

Maoritania: Hosoka tamin’ny fifidianana?

  24 Jolay 2009

Omaly, 11 volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila notarihan’ny jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, dia nofidin’ny Maoritania ho filoha ny jeneraly, izay mahatonga ireo mpifaninana tamin’i Abdel Aziz niteny fa “sarintsariny” io fifidianana io araka ny voalazan’ny BBC News. Raha mijery ao amin’ny tontolon’ny blaogy Sahelianina dia mahita fa mifandray ny tadin-dokangan’ireo mpifaninana aminy.

Azerbaijana: Tanora mafana fo, mpitoraka blaogy, voadaroka sy voasambotra

  18 Jolay 2009

Tamin'ny 8 Jolay, Emin Milli, iray amin'ireo mpanangana ny fototry ny hetsika tanora the Alumni Network ary Adnan Hajizada, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika avy ao amin'ny OL! Youth Movement dia niharan'ny daroka mafy nataon'olon-tsy fantatra raha nisakafo niaraka tamina vondron'olona sivily hafa sy tanora mafana fo tao amina trano fisakafoanana iray tao an-tanànan'i Baku. Taorian'ny nametrahan'izy ireo fitoriana tany amin'ny manampahefana momba ny zava-nitranga dia ry zareo indray no notànana, mety hihoatra ny 48 ora.

Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson

  14 Jolay 2009

Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary...