· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Desambra, 2008

Miresaka momba ny Gaza ny tontolon'ny Twitter @ ankapobeny

  31 Desambra 2008

Fomba fitorahana bolongana vaovao (na famahanam-bolongana vaovao) ny Twitter , na mizotra izao ny tantara. Tsy misy mampivandravandra azy ankoatra ny amin’ny fotoanan’ny krizy: nandritra ny fanafihana tany Mumbai, mila ho isa-minitra ny mpampiasa ny Twiter no mamatsy vaovao, ary ankehitriny, satria mitohy ny fandarohana avy eny an-habakabaka Isiraelianina an’ny Gaza dia...

Isiraely: “hamelabela-kevitra” @ Twitter ny Masoivohony any Etazonia

  30 Desambra 2008

Notaterin'ny orinasan-dokambarotra any Boston (USA), HubSpot, tamin'ny herinandro teo, fa mahazo mpampiasa famahanam-bolongana vaovao 5 000 ka hatramin'ny 10 000 isan'nadro ny Twitter. Tsy atao mahagaga loatra izany fitomboan'isa haingana izany satria natao hiadian-kevitra amina toe-javatra lehibe sahala amin'ny nitranga tany Bombay sy Gaza indrindra ny Twitter. Efa miditra amin'ny...

Ghana : miandry izay ho filohany

  30 Desambra 2008

Tato anatin'ny 2 taona farany no nahitana ny fifidianana tsy nanjary indrindra taty amin'ny ilany atsimon'ny faritra Sahara aty Afrika. Ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera tany Kenya tamin'ny herintaona dia nahitana tsy fahombiazana ary niteraka herisetra ara-pôlitika izay narahana fitakiana tsy hita isa.Ny fifidianana tany Zimbaboe ny volana martsa 2008...

Palestina: Ny andro nahalatsahan-drà be indrindra hatramin'ny 1967

  29 Desambra 2008

Dia nanomboka toy ny andro “mahazatra” ihany ny tao Gaza. Fa tamin'ny folakandro, na izany aza, mazava be fa ny 27 Desambra dia ho tsarovana manokana ho ilay andro nahalatsahan-drà be indrindra tamin'ny fifandonan'i Palestina sy Israely hatramin'ny taona 1967. Na dia ny Hamas aza no tena lasibatra nokendren'ny tafika...

Fiji sy New Zealand miditra amina ‘famonoan-tena ara-diplaomatika’

  29 Desambra 2008

Mihenjana ny tady eo amin'ny fifandraisan'i Fiji sy New Zealand nanomboka ny Talata teo raha samy nandroaka ireo Lehiben'ny diploamaty niasa tany aminy avy ny roa tonta. Tanaty vàlan-dresaka ho an'ny mpanao gazety io Talata hariva io, nanambara ny fitondrana foibe ao Fiji fa tsy noho ny fandàvana tsy hanome...

Israely : Ampiomanana hiady

  29 Desambra 2008

Ny 27 desambra, taorian'ny fifanolanana izay tsy nitsaha-nihamafy hatrany taorian'ny fahataperan'ny 6 volana nifanarahana hametrahana fiadiana teo amin'i Israely sy Hamas dia nanafika an'habakabaka an'i Gaza ny tafika Israeliana (FDI). Mankasitraka izany fihetsiky ny tafika izany ny ankamaroan'ny (tontolom-bolongana) Israeliana ary efa miomana sahady fa ho mafy ny ady sady...

Ejypsiana ampangain'i Arabia saodita ho mpitsikilo

  27 Desambra 2008

Any am-ponjan'i Riyadh ampangaina ho mitsikilo eto amin'ny Fitondram-panjaka ankehitriny ny mpandamina fandaharana serasera (internet) sy haitao 27 taona Youssef Al Ashmawy. Manoratra i Zeinobia: Saudi Arabia is detaining Egyptian Internet activist Youssef Al Ashamawy. Youssef is being accused of spying on the kingdom for the Egyptian intelligence!! Youssef is...

Ezypta: Moa ve Palestiniana i Obama?

  17 Desambra 2008

Foko Arabo iray any Al Jaleel no milaza fa iray mpiray foko amin'izy ireo ny filoha Obama ary hoporofoiny izany. Sandmonkey no mandahateny fa: “Voamarina tokoa ny tahotry ny Zon'ny Amerikana sy ny hetsika Sionista: Foko Palestiniana iray avy any Al Jaleel no mitabataba fa Taranaky ny iray amin'izy ireo...

George Bush sy Iràka: Ilay Toraka Kiraro

  17 Desambra 2008

Ho fotoana iray manandanja amin'ny tantara izy ity? Ho avy ve ny andro na ny taona hitantaranao fa izaho, Montather Al-Zeidi, mpanao gazety Irakiana, dia hitantara amin'ny zafikeliko fa efa notorahiko ny kiraroko ny filohan'i Etazonia? Ho ahy moa dia nandeha nampatory ny zanako aho ny nikiry niantso ahy ny raiko fa tokony hamelona ny fahitalavitra avy hatrany aho. Saiky sahalahala amin'izany avokoa ny soratra voalohany nataon'ny mpamaham-bolongana Irakiana indray, rehefa natoritory am-bolana vitsivitsy izay, mba hilazany ny heviny fotsiny.

Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de Janerio

  13 Desambra 2008

Nisy fanafody pesta mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga ka nahafaty 80 taonina trondro, lambondrano, sokatra, vorona ary biby hafa ihany koa. Ny tena naharatsy ny voina dia tao anatin'ny fotoanan'ny fitomboan'ny biby ahiana ho lany taranaka indrindra (fanatodizana sy fiterahana) no nisian'ity loza nataon'olombelona ity. 20 andro taty aorian'ny fampiatoana vao namintimpitina ny toe-draharaha ny orinasa tompon'antoka tamin'ity raharaha ity. Sary sy ny filazan'ny mpamaham-bolongana.