· Mey, 2008

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana tamin'ny Mey, 2008

Malawi : Nogiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ny filoham-pirenena taloha

  27 Mey 2008

Ho tohin'ilay raharaha “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena izay nisamborana olo maro tany Malawi notaterina teto dia re indray izao fa napetraky ny mpitandro ny filaminana ambany figiazana tsy mahazo mivoaka tao an-tranony ingahy Bakili Muluzi izay filoham-pirenena teo aloha. Ny mpanao gazety Bright Sonani avy any Lilongwe sady vavolombelona nanatri-maso, no...

Malawi : Fisamborana olo maro noho ny “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena

  16 Mey 2008

Araky ny tatitra voaray dia manamboninahitry ny tafika sy mpitarika ny antoko mpanohitra maromaro no nosamborina tany Malawi noho ny fiheverana azy ireo ho “nanomana fanonganam-panjakana.” Kondwani Munthali izay sady mpanao gazety no mpiblaogy Malawiana dia mihevitra fa mandalo vanim-potoana mahaliana ary madiva hangotraka ny rano [ilomanozan'ny] pôlitika any Malawi. Avy any Lilongwe izay itoerany...

Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i Shina

  14 Mey 2008

Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny...

Maraoka : hatezerana sy alahelo noho ny orinasa izay nirehitra

  13 Mey 2008

Nisiana haintrano mahatsiravina roa tao an-drenivohitry ny toe-karena maraokana, Casablanca, tamin’ny faran’ity herinandro ity ka ny iray tao amin’ny orinasa mpanao kidoro ary ny faharoa kosa tao amina orinasa fanaovan-damba iray. Ampolony ny olona maty nandritra izany haintrano izany noho ny nanidian’ny mpampiasa ny toeram-piasana (avy any ivelany). Mitafatafa amin’alahelo sy fahatezerana noho io toe-javatra mahonena io no tontolom-bolongana Maraokana.

Libanona: Toy ny voafahirano

  11 Mey 2008

“Mipetraka eto Ras El-Nabeh aho, izay tena nampahery vaika ny fifandonana nandritra ny roa andro farany teo, ary isaorana andriamanitra fa efa mihamiverina ny filaminana ary efa voafehin'ny tafika libaney ny toe-draharaha. Na izany aza anefa dia mbola tsy niasa aho noho ny tahotra fandrao tsy ho tafaverina an-trano eo!...

Myanmar: Milona ny asa famonjena

  10 Mey 2008

Miakatra hatrany ny isan'ny maty tao Myanmar andro maro taorian'ny nandalovan'ilay rivo-doza mahafaty namely ny firenena. Razana maro no ariana (atsipy) any an-drenirano Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny fanampiana saingy ny fitondrana miaramila no mampanano-sarotra ny hetsik'ireo fikambanana mpanampy avy any ivelany. Miharatsy ny toe-draharaha rehefa ny sakafo sy ny fanafody no tsizarizary