Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Vaovao Mafana

21 Oktobra 2014

Inona No Ratsy Indrindra Ho An'i Inda: Ny Rivodoza Hudhud Sa Ny Fisavoritahan'ny Media Momba Azy?

Tao amin'ny Twitter, nitaraina ireo Indiana maro fa ilay fanaingàna fihetseham-po tafahoatra tany anatin'ireo vaovao no tena nahatonga ny fahapotehana be indrindra fa tsy dia ilay rivodoza loatra.

17 Oktobra 2014

Nomen'ny Fitsarana Rosiana Sazy Mihantona 2 Taona Ilay Vehivavy 23 Taona Noho Ny Nizaràny Horonantsary Vetaveta

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Tao amin'ny fitsarana dia nolavin'ilay voampanga ny filazana fa fantany ihany koa fa mizara votoaty vetaveta izy rehefa nisintona ireo horonantsary, kanefa ireo mpampanoa lalànan'i Kemerovo dia milaza fa niaiky ho nahalala izany izy tamin'ny voalohany nangalan'izy ireo ny solosainany nandritra ny fanadihadiana nataony.

15 Oktobra 2014

Mitaky Famerenana Milamina Ireo Mpianatra Natao “Sambo-belona” Ny Meksikana

Olona an'arivony ao Mexico no nanao fihetsiketsehana noho ny fanjavonan'ireo mpianatry Ayotzinapa am-polony tao amin'ny firenena morontsirak'i Guerrero tamin'ny Alarobia 8 Oktobra.

07 Oktobra 2014

Lahatsary Ahitana Ireo Bahrainita Mpikambana Vaovaon'ny ISIS Miantso Bahrainita Hafa Hanatevin-daharana Azy Ireo

Niantso Bahrainita hafa handray fitaovam-piadiana sy hanatevin-daharana ny tolona manohitra ny fitondrana "tsy refesimandidy",ireo Bahrainita efatra niditra mpikambana tao amin'ny vondrona miaramilan'ny ISIS.

02 Oktobra 2014

Mitifitra Baomba Mandatsa-dranomaso Amin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Milamina Manohana Ny Demaokrasia Ny Polisin'i Hong Kong

Notsenain'ny kibay, baomba mandatsa-dranomaso sy tifitra sakay ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky fifidianana madio ara-demaokratika ao Hong Kong tamin'ny andro faharoan'ny fihetsiketsehan'izy ireo ao an-tanàn-dehibe.

30 Septambra 2014

Elo Maroloko No Nandravahan'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohana Ny Demaokrasia Ny Tao Afovoan'i Hong Kong

Azo ampiasaina ho fitaovana hitolomana ho amin'ny demaokrasia ve ny elo? Eny indrindra. Ao Hong Kong, mitaky fifidianana madio demaokratika ireo mpanao fihetsiketsehana milamina mampiasa elo mba hiarovan'izy ireo tena amin'ny tifitra sakay sy ny baomba mandatsa-dranomaso; ary mba tsy ho lena rehefa mitifitra tafondron-drano ny polisy.

25 Septambra 2014

Mbola Tsy Tapitra Akory Ilay Tondradrano Tselatra Mamotika Sy Mandrava Any Pakistana

Efa difotry ny adin-tsaina politika, tsy maintsy miady amin'ny tondradrano mahery vaika i Pakistana amin'izao, izay namindràna monina ny olona aman'alina ary namono aman-jatony.

22 Septambra 2014

Mpikatroka Ejipsiana Ankavia Mahinour El-Masry Noafahana Rehefa Nigadra 125 Tany Am-Ponja

Rehefa nandany 125 andro tany am-ponja noho ny fanitsakitsahana ny lalàna tsy mahazo manao fihetsiketsehana an-dalambe, dia nahazoana didy ny havoaka ny fonja Ejipsiana ilay mpikatroka amin'ny elatra ankavia eo amin'ny tontolo politika antsoina hoe Mahinour El-Masry androany

14 Septambra 2014

Miantso Vonjy Sy Mitady Fanampiana Ao Amin'ny Twitter ny Indiana Noho ny Tondra-Drano

"Mivatravatra tsy misy tahaka izany ny orana ao Kashmir. Difotra ny lalana sy ny renirano. Afindra toerana amin'ny toerana azo antoka kokoa ny olona."

09 Septambra 2014

14 Farafahakeliny ny Olona Naratra tamin'ny Fanapoahana Baomba Tao Amin'ny Garan'ny Metro Santiago

Vehivavy iray miasa amin'ny raharaham-panadiovan'ny Metro S.A., izay very rantsa-tanana havanana, sy olona iray 35 taona maratra lamosina no naratra mafy indrindra tamin'izany.