2009-09-17
Iran: Miomana hihetsika mafimafy kokoa amin'ny andron'ny Quds

Mbola mihaika ny fitondrana islamika amin'ny fomba maro samihafa ihany ny hetsi-panoherana ao Iran, hatramin'ny fiantsoana ‘Allaho Akbar' (Lehibe Andriamanitra) hatreny an-tampon-trano amin'ny alina (fifampiarahabana hatramin'ny fotoanan'ny fanoherana) mandra-pahatongan'ny fihetsiketsehana amin'ny Andron'i Quds (Jerosalema).
Ny andron'i Quds, voambolana Arabo milaza an'i Jerosalema — dia hotontosaina ny 18 septambra amin'ity ...
Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”
Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran' ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "2009 Democracy Now Challenge" (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary ...
2009-09-09
Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly
Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro. Mitantara i Jillian C. York.
2009-09-05
Tontolo arabo: tonga soa ny ramadan
Volana manana ny lanjany eo amin'ny tetiandron'ny silamo ny volana masin'ny ramadan. Kendrena mandritra ny volana ny mampianatra ny mpino ara-panahy hahatsapa ny fangirifirian'ireo tsy mitovy saranga aminy, ka tsy mihinan-kanina ny silamo amin'io, tsy misotro, tsy mifoka ary tsy manao firaisana ara-nofo ny maraina vao miposaka mandrapilentiky ny masoandro, ...
2009-08-30
Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza
Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.
2009-08-18
Bolivia: Fetin'i St Roch ho fanomezam-boninahitra ny alika
2009-08-14
Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohy
Antsoin-dry zareo hoe fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany amina fiaraha-monina midadasika kokoa
2009-08-13
Put it On: Fifaninanana ho an’ireo mpamokatra sarimihetsika
Ny fifaninanana Put It On Picture Show dia mety hahazoana vatsim-pianaranana hianatra any amin’ny New York Film Academy ary ihany koa loka mitentina 5000 dollars amerikanina, ho an’ny court métrage tsara indrindra, na ho an’ny long métrage tsara indrindra, ary koa ho an’ny mpaneho an-tsehatra [interpretation ] mendrika indrindra [Andoavambola ity andiany ity]
2009-08-11
Myanmar(Birmana): Bodista tafintohina tamina sarina mpilalao sarimihetsika
Sary iray manafintohina ahitana mpilalao sarimihetsika iray miaraka amin'ny namany miankanjo rebareba saffron no nisy nametraka tao amina blaogy birmana malaza iray, nampisafoaka ny fiombonamben' ireo mpitoraka blaogy birmana. Tan, mpanoratra ao amin'ny GV no nandika ity lahatsoratra ity avy tamina blaogy Birmana.
2009-08-10
Ekoatora: Ny fahalasanan'ilay mpanoratra Jorge Enrique Adoum
Mitomany ny fahalasanan'i Jorge Enrique Adoum ireo Ekoatorianina, izay nolazain'i Pablo Neruda nahazo ny loka Nobel indray fa "ny ngezalahy amin'ireo poety any Amerika Latina." Maro ny mpitoraka blaogy miombon-kevitra amin'izany, indrindra fa nanolotra fahatsiarovana manokana an'i "Jorgenrique," izay nanampy tamin'ny fametrahana mari-pamantarana ny asa fanoratana teo amin'ny firenena, ireo mpitoraka blaogy ireo, niaraka tamin'ireo mpanoratra sy mpanakanto hafa.




