· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Aogositra, 2012

Video: Hetsika Teto Aho – Asa Soa Madinika Manova Izao Tontolo Izao

  21 Aogositra 2012

Andao hiaraka aminay fa hitanay ny fiovan'izao tontolo izao amin'ny alalan'ireo hetsika madinika natao nandritra ny  Fanentanana Teto Aho amin'ny Andron'ny Firenena Mikambana Ho amin'ny Fanampiana Mahaolona Manerantany. Fomba iray hanekena ny asa vita tamin'ny fanampiana mahaolona manerantany ny alahady 19 aogositra; nanao fanasaha ho an'izao tontolo izao ny Firenena...

Meksika: Manao Amboradara Ho Amin'ny Fandriampahalemana

  19 Aogositra 2012

Miaraka manatontosa ny amboradaran'ny Fandriampahalemana any amin'ny tanàna tahaka an'i Guadalajara, Monterrey ary Mexico City, ny lehilahy sy ny vehivavy avy amin'ny sokajin-taona rehetra hametaka ny anaran'ireo niharan'ny herisetran'ny Ady amin'ny Rongony amina mosoara fotsy.

Lahatsary: Tsy Misy Dobo? Tsy Olana! Misy Ny Vahaolana Iadiana Amin'ny Hafanana

  14 Aogositra 2012

Manery ireo olona marobe hitady fomba ialàna amin'ny fiakaran'ny maripàna na hitady fomba hahazoana aina ny tonontaona mafàna ao amin'ny ilam-bolantany avaratra. Mampiseho ny fomba famoronana sy ny fomba tsotra nataon'ny ireo tanora sy lehibe hoentina hiadiana amin'ny hafanana  ireto sary sy lahatsary manaraka ireto. Miady amin'ny hafanana amin'ny alalan'ny...

Jordania: “Rehefa Nitsiky i Monaliza ” Dingana Iray Mankamin'ny Sarimihetsika Erantany

Vao haingana ireo mpamokatra ny sarimihetsika "Rehefa Nitsiky i Monaliza" dia nizara ho an'ny daholobe ny traikefan-dry zareo tao anaty fijerena sarimihetsika iray manokana tany Amman, renivohitra Jordaniana. Ilay sarimihetsika mahatsikaiky dia mitantara ny tantaram-pitiavana nisy teo amin'i Monaliza, tovovavy tanora Jordaniana, sy Hamdi, Ejiptiana miasa ho fanirakiraka. Maneho hevitra momba ilay sarimihetsika ireo Fordaniana bilaogera.

Meksika: Namoy Ny Ainy Ilay Mpihira Ranchera, Chavela Vargas

  08 Aogositra 2012

Namoy ny ainy ny atoandron’ny 5 Aogositra lasa teo  ilay  mpihira Chavela Vargas, teraka tao Kosta Rika saingy mizaka ny zo maha olom-pirenena  Meksikana, nijanona tsy nitempo intsony ny fony teo amin’ny faha- 93 taonany. Fantatra amin’ny hira toy ny hoe “La Llorona” izy, nanjary nahazo  laza i Chavela tamin’ny fihirany ilay mozika...

Horonantsary: Nofinofy Amin'ny Olaimpika ao Kolombia

  07 Aogositra 2012

Mampiseho  nofinofy feno fanantenana amin'ny fifaninanana Olaimpika ilay horonantsary fohy “Speed” “Haingana” notontosain'ilay mpianatra Esteban Barros avy ao Barranquilla, Kolombia. Ampy ve ny fiezahana mafy, vokatra tsara, sy ny faharetana mba handresena amin'ny fifaninanana? Jerevo ny horonantsary izay maharitra roa minitra.