· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Aogositra, 2011

Ginea-Bisao: Nanimba ny Sekoly ilay Oram-be nifanesy

Rising Voices  27 Aogositra 2011

Eo anelanelan'ny volana Jona sy Oktobra no fotoam-pahavaratra any Guinea-Bissau, izay mety hampisy fiantraikany eo amin'ny fiainana andavan'andro amin'io tanàna io. Misy sekoly mampiasa ilay efitrano ho toeram-pivoriana ho an'ny RV grantee Youth Voices of Bandim sy Enterramento izay niharan'ny fahapotehina mavesatra azo tamin'ilay tatitra mahakasika ilay andro ratsy nifanesy.

Meksika : Fankalazana ny faha 100 taonan'i Cantinflas

  27 Aogositra 2011

Ity volana Aogositra ity i Meksika no mankalaza ny zato taona nahaterahan'i Mario Moreno mpanao hatsikana, diso fantatra amin'ny hoe Cantinflas . Any Meksika, ary manerana an'i Amerika Latina, Cantinflas dia fantatra ho mpilalao lehibe ary iray amin'ireo mpilalao hatsikana tena be mpitia indrindra any Meksika.Cantinflas no nisolo tena ny ankolafy mahantra ao Meksika. Vitany ny nisarika ny sain'ny olona handinika ny tsy fitoviana eo amin'ny mahantra sy ny manankarena taminà fomba tsy nanam-paharoa.

Repoblika Dominikana: Rita Indiana, “Ny Tetikasa Toy Ny Ahy Dia Nandray Betsaka Tamin'ny Tambajotra Sosialy sy ny Aterineto”

  24 Aogositra 2011

Tanaty tafatafa tanteraka noho ny fiaraha-miasan'ny tambajotranà bilaogera sy namana, ilay Dominikana mpanoratra tononkira , mpihira, mpanoratra, ary mpiseho an-tsehatra Rita Indiana dia miresaka momba ny maha-izy azy manokana amin'ny lafiny hira, ny tontolon-javakantony maro sosona, ny tetikasany amin'ny hoavy, ary ny fifandraisany amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra na ny Media sosialy sy ny Aterineto, ankaotr'ireo lohahevitra hafa

Pakistan: Mankalaza ny Fetin'ny Fahaleovantena

  17 Aogositra 2011

14 Aogositra ny Andron'ny Fahaleovantenan'i Pakistan, izay manamarika ny daty nialàna tamin'ny fanjanahana Britanika ary nahatonga azy ho firenena afaka. Amin'ity taona ity, nankalazaina tamin'ny firavoravoana be ny 14 Aogositra, tsy teny an-dalana ihany fa teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ihany koa. Bilaogera mahafatrapo nandefa lahatsoratra momba an'i Pakistan, mivavaka ho amin'ny fandrosoany sy ny fahombiazany.

Global Voices Podcast 2: Manome Lanja ny Fitenintsika

Miarahaba antsika rehetra! Hiresaka momba ny Fiteny indray isika amin'ity  Global Voices podcast andiany faharoa ity. Azonao jerena ny lahatsoratra maromaro momba ity lohahevitra ity “amin'ny fitenintsika sy ny Aterineto“amin'ny fitantarana manokana nataonay. Ny fomba fiteny, fanoratra, fihetsika, ny firesaka ary fifandraisana ataontsika no toa lohahevitra tsara hiadin-kevitra ka sarotra tokoa...