· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Aogositra, 2010

Inde: Fankalazana ny Raksha Bandhan

  28 Aogositra 2010

Omaly , ny andron'ny 24 Aogositra , nankalaza ny Raksha Bandhan i Inde - fety izay hankalazana ny fifamatoran'ny zanaky ny ray aman-dreniny. Maneho ireo fihetseham-pony ny mpiserasera mikasika ity fomba nentim-paharazana ity .

Boligaria : niteraka savorovoro politika ny fahitana ny sisan-taolan'i Masindahy Joany Batista

  27 Aogositra 2010

Tao amin'ny fandaharana iray momba an'i Joany Batista tao amin'ny fahitalavitra Boligara. Ny 1 aogositra dia nanambara ny gazety sy ny fahitalavitra boligara fa nisy hita tany akaikin'ny tanàna amorontsirak'i Sozopol ny sisan-taolan'i Joany Batista. Tsy nahagaga raha niteraka resabe teo amin'ny boligara ity zavatra hitan'ny mpikaroka [arkeology] Kazimir Popkonstantinov ity....

Alzeria: Melohin'ny mpiserasera ny fanakanana ny boky ejipsiana tsy haseho ao amin'ny fampirantiana boky

  26 Aogositra 2010

Sarim-pamantarana ny Salon International du Livre d’Alger (SILA): http://www.sila.dz/ Tsy nahafaly ny Alzeriana ny fanapahan-kevitra tsy hampiditra ny boky ejipsiana ho ao anatin'ny haranty mandritra ny Fampirantiam-boky Iraisam-pirenena eto Alger [Salon international du livre d’Alger (SILA)]. Nisy manko ny antsoavo nataon'olo-tsotra avy amin'ny sarangam-piaraha-monina rehetra nanameloka ny fanapahan-kevitry ny tompon'andraikitry...

Mexico: Oliravin'ny Tontolo 2010 nisarika ny sain'ny rehetra tao amin'ny Twitter

  25 Aogositra 2010

Ny Oliravina Mexico 2010, Jimena Navarrete, no nibata fandresena tamin'ny fifaninanana Oliravin'ny Tontolo tamin'ity taona ity. Naneho ny hafaliany noho ny fandresen'i Navarrete ireo Meksikana maro mpampiasa Twitter; na izany aza, misy ireo sasantsasany manakiana ny fanomezan-danja be loatra ilay hetsika raha miohatra amin'ireo hafa , izay resaka mavesa-danja kokoa. Navarrete koa dia mba nadefa bitsika, nisaorana ny tsirairay noho ny fanohanan-dry zareo ireny.

Video: Fanatontosana raki-kira antsary ambanin'ny 99 USD

  17 Aogositra 2010

Any amina indostria izay mitombo hatrany ny fandaniana, ny fanatontosana sy fandokafana horonantsarin-kira dia mety hanahirana. Ny vohikala 99 Dollar Music Video (horonantsarin-kira amina 9 dolar monja) dia manome fahalalahana ho an'ireo tarika sy mpanao sarimihetsika hamiratra miaraka amin'ireo famoronana horonantsary, alaina anatin'ny andro iray, avoaka ao anatin'ny andro iray ary tsy mihoatra ny 99 US Dollars ny sandany

Kolombia: fankalazana faha-53n’ ny fetin'ny voninkazo any Medellín

  16 Aogositra 2010

Notontosaina ny 25 Jolay hatramin'ny 28 Aogositra ny fankalazana faha-53n’ ny fetin'ny voninkazo any Medellín, Kolombia. Naharitra kokoa ny lanonana tamin'ity taona ity, naharitra 15 andro izany, ary nahitana fampisehoana maro kokoa. Afaka jerena ao amin'ny pejy ofisialin'ny lanonana ny fandaharam-potoana feno amin'ireo fampisehoana ireo. Fanampin'izany, nahitana fiakarana ihany koa...

Tonizia: Rehefa ny mpanakanto toniziana no mihiaka hoe “Ho ela velona i Netanyahu”

  13 Aogositra 2010

Iray amin'ny takelaka Facebook maro nitsangana hanameloka an'i Sherif Niteraka hatezerana sy fahadisoam-panantenana tamin'ny Toniziana ny fivezivezen'ny lahatsary iray ahitana ny mpihira Tonizian Mohsen Sherif mihiaka hoe “Ho ela velona Bibi Netanyahu!” ary manasa ny Jiosy hitsidika ny Nosy Djerba hanao fivahiniana masina El Ghariba. Amin'ny fiteny geek moa izany dia antsoina...

Afghanistan : saripikan'ny mpamaham-bolongana ivelan'ny ady sy ny Wikileaks

  12 Aogositra 2010

Amin'ny alalan'ny fanehoana an-tsary ny endrika isan-karazan'ny fireneny no amoahan'ny mpamaham-bolongatsary Afghan izany Afghanistan ankoatra ny ady sy ny Wikileaks. Nasim Fekrat, ilay mpamaham-bolongana Afghan efa nahazo loka no manolotra antsika ny endrika kanton'i Afghanistan – firenena meva tontolo voahary – sy ny endrika “mikentrona” ao aminy, ny fahantrana. Afghanistan Meva...