· Marsa, 2009

Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Marsa, 2009

Haiti:Na Fetibe [carnaval], na tsy misy

  13 Marsa 2009

Ny fifandimbiasan'ny loza voajanahary tany Haiti tamin'ny 2008 toy ny orambe narahin-drivotra mahery Ike, Hannah sy Gustav ary ny firodanana mahatsiravin'ny sekoly fanabeazana fototra tamin'ny Novambra, tany Pétionville, dia nahatonga ny fankalazana ny fetibe [ny karnavaly] ho mitombina sy tena  ilaina tao Haiti tamin'ity taona ity.. Hatramin'ny 4 Janoary,  ny...

Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana

  08 Marsa 2009

Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.

Morocco: namoaka ny sangan’asa voalohany ny mpanoratra Morokan-Amerikana

  07 Marsa 2009

Efa ho taona vitsivitsy izay no nanoratany ny bokiny voalohany, vokatra azo avy amina fanakambanan tantara mitondra ny lohateny hoe Hope and Other Dangerous Pursuits (Fanantenana sy ny Fanenjehana hafa atahorana), no navoaka. Tafiditra tao anatin’ny mpanoratra fanta-daza ao Morocco I Laila Lalami. Rehefa voadika tamin’ny teny Anglisy ny asa soratra vitsivitsin’ny Marokana, eny fa na ny an’ireo mpanoratra vehivavy vitsivitsy koa aza, dia nameno ny banga eo amin’ny fifandraisan’ny literatiora Morokana amin’ny literaora tandrefana ny bokin’I Lalami voasoratra amin’ny teny Anglisy.

Isiraely: hanaraka ny fivavahana jiosy ve i Lindsay Lohan?

  07 Marsa 2009

Niova hanaraka ny fivavahana jiosy i Lindsay Lohan no malaza ao Isiraely.Voalazany ao anatin’ny pejy Facebook-ny manokana hoe nanantena izy fa ny fiovany dia hitondra azy hanakaiky bebe kokoa ny namany jiosy, antsoina hoe Samantha Ronson. Ankehitriny dia ao Londres I Lohan sy Ronson manatrika ny fotoampivavaham-pianakaviana jiosy, mitzvah. Image...

Fety an-dalambe goavana indrindra eto an-tany: Karnavala Breziliana

  05 Marsa 2009

Na i Barack Obama, na i Fidel Castro sy ny mpanao gazety Irakianina izay nitoraka an'Andriamatoa George Bush tamin'ny kirarony dia samy endrika tsikaritra teny andalamben'ny Brezil, nandritra ny Karnavalonan'ity taona ity. Afaka jerena ireo sary mahaliana tsara indrindra no sady voafantina izay naely eo ambanin'ny Creative Common license.