Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.
Gazetiboky frantsay manasa antsika hamantatra ireo endrika 50 tsy azo lalovam-potsiny amin'ireo tangoronosy Japoney
Na eo aza ireo vina ara-toekarena tsy dia mampaharisika loatra, dia maneho fahalinana be tsy mbola nisy tahaka izany amin'i Japàna ireo frantsay mpamaky.
Palestiniana mpanoratra Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika PEN America noho ny fanoherany
Navoaka an-keriny noho ny fanakorontanana an’ilay mpanohitra fampitsaharana ady Mayim Bialik ny mpanoratra Palestiniana Amerikana Randa Jarrar tamin'ny famakiana ny anaran'ireo mpanoratra Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana tao Gaza.
Ny fihetsiky ny Ghaneana tamin'ny fampindraman'ny UK ny harena sarobidy norobaina tamin-dry zareo
"... ny 90 isanjato be izao amin'ny fananana ara-kolontsaina afrikanina no mipetraka amin'ny Mozea Eoropeana amin'izao fotoana izao. Nihamafy ny fiantsoana ny hamerenana an-tanindrazana ireo vakoka halatra naseho tao amin'ny tranombakoka tandrefana ireo."
Mitrandraka ny fifindràmonina, ny maha-mpikambana sy ny dikan'ny hoe an-trano ao Sri Lanka
Tao amin'ny fampirantiana zavakanto tao an-drenivohitr'i Sri Lanka, nasehon'ilay mpanakanto marolafy, Firi Rahman, ny fijalian'ireo mponina ao amin'ny Nosin'ny Andevo miatrika ny loza mitatao ateraky ny fanilihana tsikelikely ny mahantra.
Tompondakan'ny laza ny andian-tantara Rosiana iray momba ireo andian-tanora jiolahy tamin'ny vaninandro Perestroika, nankahatra ireo ezaka fandraràna azy
Noforonin'ireo Rosiàna mpanome tolotra fandefasana sarimihetsika ny andian-tantara "Slovo Patsana. Krov" na asphalte" (Ny tenin-drazazalahy: rà mameno ny tara). Tanaty volana iray monja, izy no tompondakan'ny laza ao Rosia.
Ao Bénin, lasa hoe “Andron'ny Vodun” izao ilay fetim-pirenena Vodun
Amin'ny alàlan'ny fanovàna ny anaran'ilay hetsika ho "Andron'ny Vodun" nanomboka ny Janoary 2024, tapa-kevitra i Bénin fa hampitombo avo roa heny ny faharetan'ireo fankalazàna ny finoana vodun
Fandaharana iray hafa anaty fahitalavitra ao Tiorkia tafiditra anaty raharaha mivaivay
Anaty firenena iray izay tena misara-bazana lalina ireo olompirenena laika sy ireo mpino silamo ao aminy, nanafintohina ilay seho. Fanontaniana mipetraka, amin'ity indray mitoraka ity, ny hoe mety hitondra fiovàna sa tsia eo anivona fiarahamonina midadasika ny seho iray
Hafanao ny tanako: Tantaran'ny Nepali iray vao vita raharaha
"Ankehitriny, eto Kathmandu, hitan'i Kalpana fa tsy mifanaraka amin'ny fitantarana henony miverimberina tany an-tanindrazany ny fiainana.."
Voarara ao Rosia saingy alefa amin'ny YouTube ilay fanadihadiana mikasika ny mosary tany Volga tamin'ny andian-taona 1920
Noho ny antony tsy mazava, noraran'ny governemanta Rosiana ilay fanadihadiana Rosiana iray mampiseho ny mosary tamin'ny taona 1921 hatramin'ny taona 1923 tao amin'ny faritr'i Volga, saingy azo jerena amin'ny aterineto ao amin'ny YouTube.