Mpandika Jentilisa
· 7:54 pm
· Lesotho · Mozambique · South Africa · Tanzania

Ny Zoma 18 jolay teo no feno 90 taona i Nelson Mandela ary dia nihoatra sisitanin'i Afrika Atsimo izany fankalazana izany ka niarahan'izao tontolo izao niaramihira sy nitehaka ny nahatratra ny fety. Andeha ary hiaramankalaza izany koa isika amin'ny alalan'ity fitetezam-paritra ity hamakiana ny fifaliana misongadina manerana ny kaontinanta afrikana ity.
1 hevitra · Tohiny »
Mpandika Jentilisa
· 8:37 pm
· Brazil · Japan · Malawi · U.S.A.

Natsangana hampisehoana fiainan'olona folo samihafa avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao amin'ny fanarahana azy ireo sy handraisandahatsary azy ireo mandritra ny 24 ora ny Global
Lives Project. Miaraka alefa amin'ny fotoana mitovy anatina toerana voaorina iray ahafahan'ny tsirairay mivezivezy mitsidika efitra 10 samihafa handefasana ny lahatsarin'ny andavanandrom-piainan'ireo nofantenana tsirairay ny 240 ora voangona.
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika Tomavana
· 1:52 pm
· Russia
yustas izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ampahalalana ny tranombarotra Detskiy Mir (”Tontolon'ny kilonga”), fivarotana kilalao any Môskoa izay nakatona omaly noho ny fanavozana izay tombànana haharitra telo taona.
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika Tomavana
· 12:15 am
· Albania · Bosnia Herzegovina · Croatia · Kosovo · Montenegro · Serbia
Michael J. Totten ao amin'ny gazety Middle East Journal no manapariaka lahatsoratra ravahina sary mikasika ny diany farany tany amin'ny faritra Balkanika (93 ireo hafatra voarainy); LimbicNutrition Weblog kosa dia nanoratra ao amin'ny blaoginy ny valin-taratasy atolony an'i Totten.
1 hevitra · Tohiny »
Mpandika Tomavana
· 12:30 am
· Hungary

Ary satria efa herinandro sisa tsy ihavian'ny Global Voices Citizen Media Summit izay hotanterahina any Bodàpestà, rehefa avy nampahalala anareo bebe kokoa momba ireo blaogy mivoy mikasika ireo sakafo Hôngroa vitsivitsy izahay dia mitodi-doha kosa amin'ny blaogin-tsary Hôngroa indray. Maro izy ireny ary samy tena lafatra avokoa ka izay santionany ...
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika Pissoa
· 10:57 pm
·

Asehon'i Safin an-tsary ao amin'ny FunEnclave ireo sary sikotra eny an-jaritaina ao Sina, tafiditra ao amin'ny fanomanana ny lalao Olympika atao any Beijing.
Hoy ny mpamaky iray, patch01 :
Mety mahafinaritra ho an'ireo mpizaha-tany koa, heveriko fa tsy hitolagaga ireo fianankaviana 30000 izay nifindra noho ny fikarakarana ny lalao .........
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika avylavitra
· 6:41 am
· Kenya · Tanzania
White African dia nahatsikaritra tranonkalam-pifandraisana roa vaovao avy any Afrika Atsinanana: “Bongoza dia milina fikarohana natao ho an’i Tanzania. Nanitikitika ahy ny fisainana hoe milina fikarohana iray isaky ny firenena. Ny mahazatra ahy dia ny misaina fa hoe izay milina fikarohana lehibe dia tokony ho azo anaovana ny asa rehetra ...
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika Tomavana
· 9:41 am
· Burkina Faso
BurkinaMom [Neny Borkina] izay fotsy hoditra monina any Ouagadougou, no manapariaka sary sy mitatitra mikasika ny Fihaonambe ankalazana ireo saron-tava tany Winyé, any Borkina Fasô :
The Seventh Annual Winyé Mask Festival was held on Friday and Saturday in Boromo- a small town just about two hours' drive from Ouaga. I ...
0 hevitra · Tohiny »
Mpandika Tomavana
· 8:30 pm
· Guinea-Bissau
Jorge Rosmaninho manolotra fankasitrahana ao amin'ny africanidades ny Tarika Mpilalao An-dapihazo Andrana tamin'ny niforonany sady maniry izay laza iraisam-pirenena hoan'izay vitany any Guinea-Bissau :
A Guiné-Bissau é um país sui-generis, pois tem pessoas de valor nas áreas mais inesperadas. O teatro é uma delas. Aqui fica a nossa palavra de incentivo ao ...
1 hevitra · Tohiny »
Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany...
-
Misotra ny Jentilisa aloha nandika ity post ity mailaka dia maila...
-
Manaraka izany, tena manomboka mampiahiahy tokoa ankehitriny ity ...
-
Tsy maintsy manambara ny hevitro aho etoana ! Araka ny fijeriko n...
Tohiny »