Tantara mikasika ny Kolontsaina
Miharatsy sy mandrahona ny hoavin'ny fomba fiaina mifindrafindra monina ny loza voajanahary ao Mongolia
Na dia biby aza no maty mandritra ny dzud, dia misy fiantraikany amin'ny firenena manontolo ireo loza ireo.
Hira vaovao ‘Ny tsiambaratelon'i Neny’ manasongadina ireo reny mpikatroka manohitra ny adin'i Rosia
Renim-pianakaviana avokoa ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny lahatsary ho an'ilay hira, sy i Monetochka tenany, ary ireo mpikatroka malaza manohitra ny ady sy ny fitondrana.
Fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny andrana nokleary tany amin'ny Nosy Marshall
"Nahoana no nofidina ho amin'ireo hetsika mahatsiravina ireo ny zoro tsara indrindra eran'izao tontolo izao, miaraka amin'ireo olona mahafinaritra sy milamina indrindra nefa tsy nahazoana alalana mazava avy aminay?
Manameloka ny fandraràna ny filma ‘Mentega Terbang’ ho endrika bontolo ifehezana votoaty ireo mpanakanto Maleziana
"Amin'ny maha vondrom-piarahamonina mampiroborobo ny fahafahana mamorona sy artistika, tsy maintsy miray saina izahay amin'ny fanamelohana ny fikasana hametraka fameperana tsy ara-drariny ho an'ireo mpamokatra sarimihetsika na mpanakanto."
Gazetiboky frantsay manasa antsika hamantatra ireo endrika 50 tsy azo lalovam-potsiny amin'ireo tangoronosy Japoney
Na eo aza ireo vina ara-toekarena tsy dia mampaharisika loatra, dia maneho fahalinana be tsy mbola nisy tahaka izany amin'i Japàna ireo frantsay mpamaky.
Fampirantiana iray vaovao any UK mamerina ny lova navelan'ny governora britanika iray mahery setra ; hanaraka izany ve i Trinidad sy Tobago?
Nalàna tamin'ny taona lasa iny ny sarin'i Picton, izay nibahana toerana nisongadina tao amin'ny National Museum Cardiff nandritra ny zato taona mahery, saingy mbola manako ao Trinidad sy Tobago ny anarany.
Fitantarana mampihoro-koditra tao anaty fanadihadiana vaovao nataon'ireo sisa velona tamin'ny famoretana tao Ozbekistan
Ity no iray amin'ireo andrana voalohany milaza ny tantaran'olona maherin'ny 18.000 izay nogadraina noho ny fiampangana namboarimboarina sy nofaritan’ny governemantan'i Karimov tao Ozbekistan hoe “ekstremista”.
Teraka tao Jamaika, Jason Allen-Paisant indray no poeta karaibeana nahazo ny loka malaza T.S. Eliot
« Alina manatantara ho an'i poezian'i Karaiba » : Amin'izao fandreseny izao, fanintelony izao tao anatin'ny dimy taona ny poeta manana fiaviana karaibeana no nahazo ity loka malaza ity.
Ny zanakalahin'ny filohan'i Tajikistan no nampahomby ny ekipam-pirenena tamin'ny fiadiana ny amboara Aziatika
Hitondra fahatokisana sy fanantenana ho an'izay rehetra manatanteraka ny fandaharan'asa fampandrosoana ny football nasionaly antsoina hoe "Orzu-2026" (Nofinofy-2026) ny herim-pon'ny ekipam-pirenena.
Palestiniana mpanoratra Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika PEN America noho ny fanoherany
Navoaka an-keriny noho ny fanakorontanana an’ilay mpanohitra fampitsaharana ady Mayim Bialik ny mpanoratra Palestiniana Amerikana Randa Jarrar tamin'ny famakiana ny anaran'ireo mpanoratra Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana tao Gaza.