Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena tamin'ny Mey, 2014
Nosamborina Noho Ny Fahatratrana Rongony Teny Aminy Ilay Mpikatroka Toniziana Azyz Amami
Efa fanao mahazatra ny fiampangana lainga fahatratrarana rongony izay nampiasan'ireo manampahefana Toniziana hatrany taloha sy taorian'ny fitroarana mba hanafenana fa fisamboarana politika no tena misy.
Ethiopia: Mangataka Fanalava-Potoana Hanohizana Ny Famotorana Ireo Bilaogeran'ny Zone 9 Ny Polisy
Nilaza ireo namana avy ao amin'ny Global Voices fa nampihetsi-po tanteraka ny zava-niseho tao ivelan'ny fitsarana Addis Abeba raha nipoitra nandritra ny fotoana fohy ireo gadra bilaogeran'ny Zone 9.
#FreeSimpson: Fanentanana Ho Famotsorana Ireo Mpikatroka Nogadraina Ao Maraoka
Nogadraina ireo mpikambana 11 mpanohana ny demaokrasia avy ao amin'ny Hetsika 20 Febroary tamin'ny volana Aprily rehefa avy namonjy fihetsiketsehana sendikaly. Amin'ny fampiasana diezy twitter #FreeSimpson sy #FreeKoulchi, miantso hamotsorana azy ireo ny mpanohana.
Miaraha Aminay Amin'ny Tweetathon #FreeZone9Bloggers Amin'ny 14 Mey
Tongava manatevin-daharana ireo bilaogeran'ny Global Voices amin'ilay tweetathon manerana an'i Afrika ho fanohanana an'ireo bilaogera sy mpanao gazety sivy nosamborina tamin'ny volana Aprily lasa teo ary migadra ao Etiopia amin'izao fotoana izao.