· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena tamin'ny Janoary, 2013

Nizeria: Notànana Noho ny Fangalàna Sary Nataony Ilay Mpisera Twitter

GV Mpisolovava  15 Janoary 2013

Nisahotaka tanteraka ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana noho ny fisamborana an'i Egghead Odewole (@eggheader) noho izy naka sarinà milina mandeha amin'ny rivotra mbola eo am-panamboarana ao Kastina, Avaratr'i Nizeria. Niteraka korontana ity sioka ity: @eggheader: Nosamborin'ireo polisy sasany izaho sy ny namako fa naka sarinà toerana misy milina mandeha amin'ny rivotra....

Venezoela: Nanaovana Bemidina Ny Tranon'ny Mpampiasa Twitter Iray

GV Mpisolovava  13 Janoary 2013

Notafihan'ireo manamboninahitry ny fitsikilovana Venezoelana ny tranon'ilay mpampiasa Twitter, Federico Medina Ravell ny Alahady 6 Janoary, izay araka ny voalaza dia ao ambadik'ilay kaonty @LucioQuincioC. Ahiahiana ho mampiely tsaho momba ny fahasalaman'Atoa Hugo Chávez io mpitoraka bilaogy kiritika io

Bahrain: Voafonja Noho Ny Sioka Nataony Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona

Sayed Yousif Almuhafda no filoha lefitra sy Lehiben'ny Sampa-pitehirizan-kevitra ao amin'ny Foibe misahana ny Zon'olombelona ao Bahrain(BCHR). Mpikambana ao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Front Line Defenders sy ny Amnesty International ihany koa izy. Nosamborina izy tamin'ny 17 Desambra satria nitarika hetsika tsy misy herisetra tao an-drenivohitra ary nitatitra momba izany tao amin'ny Twitter. Voampanga...