· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena tamin'ny Avrily, 2012

Guinea-Bissau: Taorian'ny Fanonganam-panjakàna,Nosamborina Ary Nodarohan'ny Miaramila Ilay Mpitoraka Blaogy Malaza

GV Mpisolovava  30 Avrily 2012

Aly Silva dia iray amin'ireo mpitoraka blaogy malaza indrindra, raha tsy izy mihitsy no malaza indrindra, any amin'ny firenena kely andrefan'Afrika, ahitàna mponina 1 tapitrisa monja (jereo ny tafatafa nataon'ny Global Voices taminy). Olona miteraka adihevitra izy any amin'ilay firenena, satria tsy manafina ny fironany ara-politika. Nefa tsy mbola manam-paharoa izy raha resaka faharetana, fahavitrihana mamoaka lahatsoratra, ary ny fahazotoany manoratra blaogy.