Tantara mikasika ny Fisamborana sy faneriterena tamin'ny Febroary, 2012
Iran: Voarahon'ny Mailaka “Ho Voasazy Ianao” Ireo Mpanao Gazety
Maro ireo Iraniana mafana fo sy mpanao gazety no nahazo mailaka milaza fa ho voasazy izy ireo araka ny lalàna "Famaizana Islamika" ao amin'ny Repoblika Islamikan'i Iran.
Syria: AFAKA i Razan Ghazzawi Sy Ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy
Ilay Siriana bilaogera sady mpiaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra, Razan Ghazzawi, izay voasambotra fanindroany indray tany ampiandohan'ity herinandro ity , dia nafahana ny Sabotsy teo niaraka tamin'irei vehivavy mpiara-miasa aminy. Ireo lehilahy mpiara-miasa aminy ao amin'ny Birao Foibe Siriana Ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra ao Damaskaosy dia samy mbola voatana any am-ponja avokoa.
Maraoka: Voasambotra Noho Ny Famoahana Sarisary Zary Tenan'ny Mpanjaka Tao Amin'ny Facebook
Ny 7 Febroary 2012, niseho tany amin'ny lapam-pitsarana iray tany Rabat renivohitr'i Maraoka, i Walid Bahomane. Voampanga ho "nanala baraka ireo soatoavina Maraokana "tamin'ny famoahana lahatsary sy sary maneso ny mpanjakan'i Maraoka, Mohammed VI, tao amin'ny Facebook ilay tanora izay vao 18 taona
Shina: Vady sy Zanaky ny Mafàna Fo Iray Anaovana Antsojay Ety Enaty Aterineto
Mpampiasa Twitter iray tsy nitonona anarana no namoaka ny mombamomba manokana ny vadin'i Wen Yunchao, sy ny zanany lahy tety anaty aterineto. Bilaogera sy mafana fo tsy zoviana amin'ny ady hisian'ny fahafaha-miteny malalaka eny anivon'ny aterinto Sinoa i Wen ary niharan'ny niharan'ny fanenjehana noho izany
Korea Atsimo: Nofoanan'ny Lalàna Miaro ny Fandriampahalemana Nasionaly ny Adihevitra Momba an'i Korea Avaratra
Koreana Tatsimo iray mpampiasa Twitter, Park Jeong-Geun no any am-ponja nanomboka tamin'ny 11 Janoary 2012 noho ny famerenana mamoaka ny hafatra tahaka ny hoe "Ho ela velona anie Jeneraly Kim Jong-Il" tao amin'ny Twitter