GlobalVoices anaty

Fisamborana sy faneriterena

Tahiry Lohahevitra · 33 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Fisamborana sy faneriterena

10/05/2013

Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy...

07/05/2013

Kamerona: Enoh Meyomesse, Bilaogera Mbola Any Am-ponja

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Mpanoratra Kamerone sady mpibilaogy atao hoe Enoh Meyomesse no voafonja any Yaoundé, renivohitr'i Kamerona, nandritra ny 17 volana mahery. Voahendrikendrika ho nangalatra sy nivarotra volamena tsy ara-dalàna izy, nohelohin'ny tribonaly miaramilan'i Yaoundé higadra nandritra ny fito taona an-tranomaizina izy, taorian'ny dingana maro izay heverin'ireo fikambanana maro ho tsy ara-drariny. Maro no miahiahy fa Meyomesse, izay nahazo ny Oxfam Novib/PEN Award tamin'ny 2013 ary ankehitriny mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Foibe Amerikana PEN , dia miatrika fitsarana ara-politika izay mikasa hanakombonana vava ny iray amin'ireo olona manampahaizana izay tena miroborobo fatratra any Kamerona.

02/04/2013

Voampanga Ho Naniratsira, Bilaogera Telo Voatàna Am-ponja Any Bangladesh

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Nitazona bilaogera miisa telo ny Sampam-pitsikilovan'ny Polisy ao Bangladesh - Rasel Parvez, Mashiur Rahman Biplob & Subrata Adhikari Shuvo - omaly alina noho izay ambara fa nosoratan'izy ireo tsy manisy vidiny ny finoana Silamo sy ny mpaminany Muhammad. Hatramin'ny omaly, ilay sehatra malaza fitorahana bilaogy Amarblog.com dia lasa tsy azo nidirana intsony avy ao Bangladesh. Mbola mila fantarina ihany koa raha toa ka ny manampahefana no nibahana azy io ary noho ny antony inona.

17/03/2013

#FreeBassel: Herintaona Aty Aoriana, Mbola Any Am-ponja Ity Mpiserasera Syriana Ity

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Herintaona omaly no nosamborina sy nampidirina am-ponja ao Damaskosy ilay mpikirakira web sy mpiaro ny teknolojia mivelatra Syriana Bassel Khartabil, mbola any am-ponja izy hatramin'izao. Anisan'ireo mpiaro ny teknolojia misokatra fantatra...

30/12/2012

Nosakanana ny Fandefasana Mivantana Ny Kaonferansa Nokarakarain'ny Firenena Mikambana

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Araka ny filazan'ireo mpikatroka ao Bahrain, nosakanana ny fandefasana mivantana ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Misahana ny Zon'olombelona.   Nosakanan'ny manampahefana ao #Bahrain  ny fidirana ao amin'ny habaky #UN amin'ny fandefasana mivantana noho ny...

16/12/2012

Andron'ny Zon'Olombelona Ao Emirà Arabo Mitambatra

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Olona an-tapitrisany no mankalaza ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ka mitaky ny fanafoanana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona misy ankehitriny manerana ny toerana marobe, tsy mba afaka mizaka ny zony...

15/11/2012

Andro Iraisam-pirenena Ho Famaranana ny Tsimatimanota: Mandraisa Anjara Amin'ny Hetsika Fanentanana

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Nanapa-kevitra hanao ny 23 Novambra ho Andro iraisam-pirenena ho famaranana ny tsimatimanota i IFEX hitakiana ny rariny ho an'ireo mpanakanto, mpanao gazety, mpihira ary ireo mpanoratra eran-tany izay noterena hangina. Mandraisa anjara e!

10/11/2012

Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Raha tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo "mpandray anjara rehetra" ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.

10/08/2012

Hong Kong: Voatafika Ny Biraon'ny Fanaovan-Gazetin'Olon-tsotra

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny 8 Aogositra 2012, lehilahy 4 nisaron-tava no niditra amboletra tao amin'ny biraon'ny vondron'ireo miaro ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra ary namotika ireo solosaina fitaovam-piasàna tao [Fampahafantarana: mpikambana ao amin'izany ny mpanoratra ity lahatsoratra ity amin'ny teny Anglisy]

29/07/2012

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

Tohin'ny lahatsoratra GV Mpisolovava

Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny