The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Fambolena Tahiry Lohahevitra

RSS ho an i Fambolena

2009-01-14

Asia Atsimo-Atsinanana: Fifanolanan-kevitra sy voina teo amin’ny taona 2008.Video post

Tamin’ny fampisehoana farany teo (Southeast Asia: Newsmakers of 2008)" no nanoratako ny momba ireo zava-nitranga manandanja lehibe indrindra izay niseho tao Asia atsimo-atsinanana. Amin’ity lahatsoratra ity kosa no hanasongadianako tantara hafa nahatonga fifandirana. Tanjona hafa ny hanangonana sy hanasokajiana ny lahatsora-mpifandraisana mipetraka eo an-kavanan’ny Global Voices, izay mikasika ny faritra Andao ...

2008-12-21

Madagasikara, Kenya: Fahendrena ve ny mampanofa tany ny vahiny?

Noho ny horakora-pahatezerana nisy teto an-toerana sy iraisam-pirenena, dia natsahatra ihany ilay fifanarahana hampanofa amin'ny orinasa Koreana Tatsimo Daewoo Logistics ny ampahany betsaka amin'ny betsaka ny tany azo volena eto Madagasikara. Nefa mihamitombo hatrany koa etsy ankilan'izany ny fifanarahana fampanofana tany eo amin'ny firenena manankohariana sy ny firenena an-dalam-pandrosoana, ary dia manontany tena ny mpamaham-bolongana raha tena ahazoan'ny olo-tsotra tombotsoa tokoa itony karazana fifanarahana itony.

2008-12-13

Isiraely: Vondrom-bavaka hiavian'ny oranaSary postVideo post

Nirotsaka ihany tamin'ity herinandro ity ny oram-batravatran'ny ririnina taorian'ny fiandrasana azy am-bolana maro lasa izay ka nahatonga an'i Isiraely hisento. Niombom-bavaka hahatongavan'ny orana tokoa manko ny Jiosy, Miozolomana ary Kristiana hoy ny tatitry Maya Norton.

2008-11-24

Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifanarahan-tany tamin'ny Koerana tatsimo.

Raha inoana ny nolazain'ny Financial Times dia hanofa ny atsasaky ny tany azo volena eto Madagasikara ny Koreana Tatsimo. Niteraka adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana malagasy mikasika ny fiandrianam-pirenena sy ny fampandrosoana ara-toe-karena izany. Mbola tsy mazava moa hatramin'izao hoe efa nosoniavin'ny roa tonta ve ny fifanarahana? Na izany aza dia efa ifandresen-dahatra eo amin'ny mpamaham-bolongana raha azo heverina ho karazana "fanjanahantany vaovao" izao fifanarahana izao.

2008-10-21

Belize

“Nampitoka-monina ny tanàna kely sy lehibe maro sy nahatonga fialana tamin'ny toerana iva, nanimba ny voka-pambolena sy fikatonan'ny sekoly maro any amin'ny faritra afovoany sy andrefan'i Belizy ny fitondrahan'ny rano (raiso amin'ny teny hoe tondra-drano) tany amin'ity firenena ity…”: hoy Belizean namelabelatra tamin'ny antsipiriany.

2008-09-23

Shina: Misedra olana ny “Vita avy any Shina”

Tsy mitsaha-mitombo isan’andro ny hatezerana vokatr’ilay vovo-dronono voapoizina. Ankoatry Sanlu (三鹿), ny fandraharahàna ankapobeny misahana ny fanaraha-maso ny kalitao, ny Fitsirihana ary ny Fisorohana eto amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Shina koa (國家質檢總局) dia nampahafantra tamin’ny 16 septambra fa ampahadimin’ny mpamokatra vovo-dronono natao ho an’ny zazakely eto amin’ny firenena no voarohirohy amin’ilay ...

2008-09-16

Fifaninanan-dahatsarin'ny Banky mondialy - Traika sosialin'ny fiovaovan'ny toetr'andro.Video post

Nanao antso ho fanatevenana lahatsary fanadihadiana fanadihadiana 2 - 5 minitra maneho ny karazana sy ny fiantraikan'ny fioavaovan'ny toetr'andro tsy amin'ny fotoany. Amin'ny 24 oktobra 2008 ho avy izao no andro farany hametrahana izany lahatsary fanadihadiana izany. Tsy maintsy avy any amin'ny firenena andalam-pandrosoana (indrindra fa avy amin'ny tanora) izany ...

2008-08-13

Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy

Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy "hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny ...

2008-08-11

Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna

Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany, ...

2008-08-10

Brezila: Mananontanona ny ady an-trano noho ny tanin'ny IndizenyVideo post

Raha mankalaza ny andron'ny vahoaka indizeny izao tontolo izao amin'ity andron'ny Vahoaka indizeny ity, dia mananontanona kosa ny ady antrano noho ny adintany mitranga any Brezila.