Global Voices teny Malagasy » Fambolena
Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha
Faharoa eran-tany i Inde amin'ny firenena be mponina indrindra miaraka amin'ny olona 1.2 lavitrisa ary mipetraka any ambanivohitra ny 70% amin'ireo mponiny. Mihoatra ny  Indiana 456 tapitrisa  (42% amin'ny mponina) no latsaka ambanin'ny $1.25 isan'andro tsipiky ny fahantrana maneran-tany . Na dia 28% amin'ny GDP isan'andro aza ny sehatry ny fambolena, ampahany betsaka amin'ny olona no ao anatin'ity sehatra ity na izany tantsaha na any amin'ny raharaha hafa. Indrisy anefa fa nisy aretim-be nahazo ny tantsaha Indiana. Nihanahazo vahana tsikelikely teo amin'ny tantsaha ny fandraisana fepetra hentitra toy ny manala ny ainy faobe mba hialana amin'ny tsindry mafin'ny trosa sy ny fahantrana ary nanomboka nitranga   tsikelikely izany isan-taona .
Nampahafantatra i Devinder Sharma, mpandalina nyara-tsakafo sy ny politika ara-barotra any Inde ao amin'ny blaogy Ground Reality, hoe:
tantsaha 60 no namono tena ny volana Jolay (2009). Tamin'ny 10Aogositra,16 hafa no nanala ny ainy. Miseho foana izany zava-maha-valalanina  izany any ambanivohitra na dia eo aza ny hamaroan'ny komity, ary manamafy hatrany ny hamaroan'ny famonoan'olona ny fepetra noraisina izay asehon'ny mpanao politika sy ny manam-pahaizana eo an-tanàna. Ny tena loza dia tsy misy olona mirotsaka mijery ny tena antony mahatonga ny tsy fisian'ny fiafaran'ity hirifirin'olombelona ity.
Ary fa maninona no mamono tena ireo tantsaha ireo? Manazava , i Nita J. Kulkarni mpanao gazety mahaleotena ao amin'ny blaoginy Ny fahitana an'i Inde amin'ny zoro lehibe [A Wide Angle View of India]:
Nidi-trosa ny tantsaha noho ny fitambaran'ny fidangan'ny saram-pitrandrahana, ny masomboly hibrida lafo loatra (lazaina fa ahazoana vokatra betsaka) sy ny fanafody famonoana voalavo amidin'ireo orinasa lehibe maneran-tany, sy ny hamoran'ny vokatr'izy ireo, nateraky ny fanafarana entana. Nanampy trotraka ny fahorian'izy ireo ihany koa ny haintany. Lafo loatra ho an'ny tantsaha ny fitarihan-drano nefa ny  governemantam-panjakana tsy manampy.
Mitantara ny tsy fetezan'ny fandrindrana asa vonjytaitran'ny governemanta  ny mpampiasa blaogy Indiana S Gupta .
i Sonia Faleiro, mpanao gazety nahazo loka sady mpanoratra avy any Inde  manazava hoe ahoana no naharaikitra ny mpamboly landihazo any amin'ny faritry Vidarbha ao amin'ny fanjakan'i Maharashtra amin'ity honahonan'ny trosa ity rehefa tsy misy fanampiana avy amin'ny fanjakana.
Voly iray tojo aretina ohatra, na hadisoana teo amin'ny fividianana masomboly ratsy dia manosika hindrana vola. Dimy isan-jaton'ny tantsaha ihany no afaka miditra amin'ny fampindramam-bola avy amin'ny kaoperativa sy ny banky, matetika noho ireo antony ireo. Ny ambiny dia tsy maintsy miditra amin'ny mpampanjana-bola tsy miankina, izay matetika mpampindrana masiaka ka maka zanany eo amin'ny Rs 500 isaky ny efa-bolana amin'ny vola Rs 1,000 indramina.
Manomboka tsy zaka intsony ny vesatry ny trosa, mamono tena ny tantsaha raha vao misy tsy fihetezana kely avy amin'ny zava-boahary.
http://www.flickr.com/photos/chinogypsie/ / CC BY 2.0
Nanoratra i Vikasho ao amin'ny blaogin'ny Associación Prabhat, fikambanana tsy mitady tombony voarakitra any Espàna sy Inde miasa mba hampiely sy hanampy ny ezaka fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina any amin'ireo toerana lavitra andriana any Inde. Tohina izy noho ny tsy fihetsehan'ny governemanta sy ny tsy fahampian'ny firaharahian'ny hafa:
Raha te hamaha ny olan'ny tantsaha ny governemanta, maninona no tsy nomena fanampiana manokana izy ireo tao aorian'ny haintany na ny tondra-drano ( matetika mihitsy any Bihar ). Maninona no lavina ny tantsaha any amin'ny faritra maro amin'ny firenena eny fa na ny zo ara-dalàna hanao findramam-bola amin'ny banky misahana varotra aza… Maninona no tsy msy olona miresaka ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy ny hanoanana any amin'ny faritra maro any Inde (mipetraka amina faritra vitsivitsy any Inde ny 25% n'ny  mahantra sy noana eran-tany) ?
Maninona no tsy misy vaovao mikasika ny famonoan-tena misoko miadana eo amin'ny tantsaha izay mitranga matetika any amin'ny faritr'i Inde?
Eritreretiko mihitsy hoe sahirana amin'ny fivoarana ara-toe-karena i Inde  ary te-hiaina fotsiny anaty nofinofy hoe efa manakaiky ny tontolo mivoatra (ary tsy misy izany 25% n'ny mahantra eran-tany izany mipetraka any Inde).
i Harini Calamur ,  mpamokatra horonantsary Indiana, mpampianatra, mpanoratra sady mpitoraka blaogy dia  naneho hoe ahoana no tsy ahalalàn'ny haino aman-jery ny ratran'ny tantsaha mitondra azy ireo any amin'ny famonoan-tena, raha oharina amin'ny hamaroan'ny rako-baovao mahakasika ireo olo-malaza:
Ny andro nitazonana an'i Shahrukh Khan nandritry ny adin'ny roa [..] tantsaha 21 no namono tena tany Andhra Pradesh satria tsy afaka nanefa ny trosany .
Kanefa tsy afaka tohanana ny famonoan-tenan'ireo tantsaha, tsy mampitombo ny TRP izany ary tena tsy fotoanany velively hiatrehana resaka mamaivay ho an'ireo antsointsika hoe ‘mpanao gazety'.
i Himanshu Rai , manampahaizana amin'ny informatika sady mpampiasa blaogy, dia manasongadina ihany koa   ny fanatsongatsongan'ny Indiana ny olan-dry zareo:
Nitarika fahabangana lehibe eo amin'ny modelin'ny fivoarana ny fitombon'ny elanelana eo amin'ny sehatra an-tanàn-dehibe sy ny any ambanivohitra. Ny tena mahatsikaiky dia tsy misy olona miraharaha ny mahantra mihitsy na ny filàna fiovana marina.
Ny olona manana fari-piainana antonony, izay latsaky ny 5%n'ny mponina, no mahazo fanrakofana mediatika mihoam-pampana. Ny fampiatoana mpiasa any amin'ny orainasa fitaterana an'habakabaka no mavesa-danja kokoa noho ny famonoan-tena faobe ataon'ny tantsaha eto amin'ny firenentsika
Tatitra farany avy amin'ny Navdanya Trust, vondrona fampielezan-kevitra Indiana, hoe “ maro kokoa amin'izao fotoana izao ny olona noana any Inde noho ny any Afrika Atsimon'i Sahara. Ary ny olona tena faran'izay noana ao dia ny mpamokatra - ny tantsaha”.
Nanohitra ireo tantsaha. Nefa ny hany fitaovan'izy ireo dia ny famonoan-tena. Efa-taona aty aorian'ny haintany, tantsaha 5,000  any amin'ny fanjakan'i Inde ao Jharkhand no  nanao sonia ny dinan'ny famonoan-tena ary mitaraina fa tsy nanao dingana iray akory ny governemanta mba hampivoatra ny toe-piainany.
Nanakiana izany ny filozofa Indiana i Vandana Shiva, mafana fo mpiaro tontolo iainana, mpahay toe-karena mpiaro ny vehivavy ary mpanoratra,  amin'ny lafiratsin'ny toe-karena eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fanatontoloana. Na izany aza, miaraka amin'ny tahan'ny tsy fisian'ny asa mihoatra ny 7% , tsy afaka ny hahita asa mba hivelomana mihitsy ny tantsaha.
Maneho ny ratran'ny tantsaha Indiana ny Mitti, fanadihadiana fohy novokarin'ny mpanao horonantsary tsy matihanina,  Vibhu Mohunta sy  Ashish Dhadade.
Mpanao gazety indiana iray miompana amin'ny fandrosoana iray nahazo ny loka, i P. Sainath tao amin'ny Counterpunch no  maneho fa mirongatra izay tsy izy ny fahantrana sy hanoanana eo anivon'ireo tantsaha Indiana:
Mpividy mivantana ny voan-tsakafo ny tantsaha Indiana an-tapitrisany kely sy madinika. Tsy mahavita mamokatra betsaka ampy hahavelona ny fianakaviany ry zareo ary mila miasa amin'ny tanin'ny hafa sy any an-toeran-kafa mba hamenoana ny banga. Tena tohana mafy amin'ny halafon'ny vidin'ny sakafo izy ireo noho izy ireo tsy maintsy mividy ny masomboly  ilainy eny an-tsena, toy ny niseho tamin'ny 1991, ary indrindra ny tamin'ny voalohandohan'ity taona ity. Tena zava-misy marina ny hanoanana eo anivon'ireo mpamokatra ny sakafo. Fanampin'izany, nidina tsy misy hoatr'izany ny  “masonkarena isam-batan'olona” eo amin'ny voan-tsakafo teo amin'ny tantsaha Indiana vantany vao nanomboka ny  “fanovàna” : nanomboka 510 grama isaky ny Indiana tamin'ny 1991, lasa 422 grama tamin'ny 2005. (tsy fatiantoka 88 grama izany. Fatiantoka 88 ampitomboina 365 ary avy eo amin'ny Indiana iray lavitrisa.) Nasongadin'i prof. Utsa Patnaik, manam-pahaizana ara-toe-karena eo amin'ny fambolena fa eo amin'ny latsaky ny 100 kg ny salan'isa isam-pianakaviana mahantra amin'izao fotoana izao raha oharina amin'ny tamin'ny folo taona lasa.
Hitohy hijaly foana ny tantsaha Indiana mahantra raha mbola misy ny tsy fahatomombanana eo amin'ny fitantanana ny rano madio, hoy ny fanazavan'i Suvrata Kher manam-pahaizana momba ny tany. Manampy trotraka ny fahantran'izy ireo ihany koa ny tsy fisian'ny findramam-bola mora sy malalaka toy ny findramam-bola antonony sy ny tsy fisian'ny safidy amin'ny masomboly na ny tranga mety hahazoana tombony. Miraikitra amin'ny kodiaran'ny fahantrana sy ny loza voajanahary toy ny haintany izy ireo izay mandetika azy anaty lozoka. Mihevitra i Sanjeev Sanyal,  mpahay ara-teo-karena sy ara-tontolo iainana,  fa mila mihevitra ifotony ny sehatra ara-pambolena i Inde  hampitsaharana an'ireo fahafatesanaireo.
Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra
Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, ary mavitrika anatin'irony  vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.
Fa maninona ianao no nifidy hampiasa ny anarana Ibn Ezra?
Mpianatra filozofia Jiosy aho ary izany no nahatonga ahy afaka nifandray tamin’ilay filozofy Espaniola Jiosy faha-11 Avraham ibn Ezra. Mpandalina ny Baiboly i Ibn Ezra ary nanoratra betsaka momba ny fiaraha-miainan’ny Jiosy sy ny Arabo any amin’ny tontolo Silamo ao Espana. Fony aho nieritreritra izay ho lohatenin’ilay vohikala dia tonga ho azy tato an-tsaiko io anarana io. Kilalaon-teny koa izy io, satria ara-bakiteny ibn Ezra dia midika “zanakalahin’i Ezra,” toy ny hoe izahay izay tafiditra ao amin’ilay fihetsiketsehana dia zanak’ilay mafana fo matanjaka Ezra Nawi, mpikambana tao amin’ny Ta'ayush nandritra ny fotoana lava ary ‘gourou’-n’Israely sy ny hery havia any Palestinian  izay  niriako ampidirina tao amin’ilay vohikala tamin’ny fomba lavalava kokoa.
Joseph Dana mandray an-tsoratra ny  fanamboarana vaovao any amina ‘outpost’ akaikin’ny toby Israeliana any Susya tany atsimon’ny West Bank.
Afaka miresaka momba ny Ta‎’ayush aminay ve ianao? Ahoana no nahatafidiranao voalohany indrindra?
Hatramin'ny niandohany, tonga dia hetsika  ihany no tena nataon’ny Ta'ayush, tsy nisy fihetsiketsehana na adihevitra ideolojika. Naniry ny hampitsimbadika ireo mizànan'ny laharam-pahamehana mahazatra ilay vondrona izay efa niha-mafy: taorian’ny nahitàna fa  ireo fanambarana dia tsy mahatohitra foana manoloana ny sedran'ireo ‘fotoanan'ny ampamoaka’, nofidiana ny tonga dia hetsika ho fomba fanehoana ny fandàvana ny fiverimberenan’ireo fananiham-bohitra, ary mba ho eo amin’ny toerana nisian’ny zava-nitranga. Ny fidirana an-tsehatra mivantana sy tsisy herisetra no làlana nofidiana, toy izany koa ny fanapahan-kevitry ny marimaritra iraisana. Nanao tetika ny Ta'ayush nanomboka tamin’ny faran’ny volana Desambra 2000, nefa nitaky fotoana sy hery betsaka izany fikononkononany izany. Tapaka fa hahemotra io asa io, ary handray ireo izay nanolo-tena tamin’ny hetsika nomanina hanehoana toerana mazava. Manohitra amin’ny alalan’ny hetsika amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fitsorana ny fandàvana ny fisarahana eo amin’ny Arabo sy Jiosy any Israely amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, ary ny fanjanahana mihitsy, ny mosary, fikatonana, ny famerana fihetsiketsehana sy ny fandefasana miaramila ataon’ny Israely any amin’ireo Faritra Voazanaka.
Amin’ny maha- Israeli-Amerikana mahatsapa tena ho tafiditra amin’ilay disadisa sy manohitra tanteraka ny fanjanahana ny tenako, voasarik’i Ta'ayush aho noho ny fisian’ireo feo sy fomba fijery ao aminy. Mahatsapa aho fa ny ankabeazan’ireo fikambanana sy vondrona any an-toerana no tafalatsaka lalina anatin’ireo fomba fijery ara-potokevitra mafy orina. Ta'ayush, na dia manohitra mazava ny fanjanahana aza dia tsy manana foto-kevitra mafy orina sy tanjona maharitra. Ho solon'izay dia mifantoka amin’ny firotsahana an-tsehatra mivantana izahay isan-kerinandro. Fanampin’izany, amin’ny maha Israeliana Jiosy, mieritreritra aho fa tsara kokoa ny miara-miasa amin’ireo Israeliana te-handrava ny elanelana misy eo amin’ny Palestiniana sy Israeliana, toy izay mikiakiaka fotsiny ny kabary fanoherana ny Israeliana toy ny ataon’ireo vondrona hafa.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/rEkvWFXvRfY&hl=en&fs=1&rel=0" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/rEkvWFXvRfY&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Raha manohana mazava ireo Palestiniana miaritra amin’ireo mpanjanaka Israeliana, ny miaramila sy ny polisy ianao , toa mifantoka amin’ny zavatra iainanan’ireo mafana fo mihitsy kosa ireo horonantsarinao, mihoatra noho ny an’ireo Palestiniana. Satria ve natokana ho an’ireo Israeliana ireo horonantsary?
Matetika ny fifandrohizana iainanay no eo aminay sy ireo mpanjanaka ary ireo miaramila. Mazava ho azy, mijanona any aorianay ireo Palestiniana mandritra izany fifandrohizana izany satria lalàna samihafa amin’ny ampiharina aminay no iainan-dry zareo. Ohatra amin’izany, afaka samborina ny Israeliana iray ary tsy maintsy ampihaonina amin’ny mpitsara aorian’ny 24 ora fa ny Palestiniana kosa mety mijanona any am-ponja  3 andro mahery vao mahita mpitsara. Noho izany dia aleon-dry zareo mamela ny fifandrohizana amin’ireo miaramila/mpanjanaka sy ireo mafana fo Israeliana.
Misy endrika iray fanehoana ny fifandrohizana  amin’ny lalàna misy eo amin’ireo Israeliana sy ireo miaramila/mpanjanaka amin’ny vahoaka Israeliana sy ny fiaraha-monina Jiosy Amerikana (amin’ny teny Anglisy manokana ilay vohikala satria ireo mponina any Etazonia no tena mpihaino ahy). Te-hanasongadina ny sary mampiseho fa ireo Israeliana izay mifidy ny hiara-hiasa amin’ireo Palestiniana manohitra ny fanjanahana dia very zo sasantsasany amin’ny maha-olom-pirenena azy ary manomboka miaina ampahany amin’ny lalàna iainan’ireo Palestiniana. Te-hanaparitaka ny fihetsikay manoloana izany toe-javatra izany aho ary hampiseho izany amin’ny fiaraha-monina Jiosy maneran-tany.
Mahatsapa ve ianao hoe nitombo sa nihena ny hetsika fanoheram-panjanahana tany Israely nandritra izay taona vitsivitsy farany izay? Ahoana no fijery ireo mafana fo Israeliana amin’ny ankapobeny? Miresaka momba izany hetsika miseho izany ve ireo haino aman-jery lehibe any Israely?
Nihisaka lavitra any ankavanana Israely nandritra izay folo taona farany izay ary nanaiky ny fizirizirian’ny fanjanahana sy ny tsy fisian’ny mpiara-miasa Palestiniana ho an’ny fandriampahalemana. Ny andraikitry ny governemanta ‘havia' ao amin'ny tetik'asa fanjanahana nanomboka tamin'ny 1967 sy ny ady farany tany Gaza dia naneho ny fahalemen'ireo antoko ‘havia nentim-paharazana' toa an-dry Labor sy Meretz. Toa noho izany toe-javatra izany no nahafaty ny hery havia tao Israely. Avy eo nisy havia vaovao indray niforona naka ny toerany. Havia izay liana amin’ny fidirana an-tsehatra mivantana manohitra ny fanjanahana ary tena mpanakiana manoloana ny tafika Israeliana sy ny fampandrian-tany napetraka.
Na dia mbola kely aza ity vondrona ity, mihamafy sy miha-malaza izy, nefa ny ankabeazan’ireo Israeliana dia mahita fa ‘radical’ sy mampametra-panontaniana izy. Vokany, ataon’ny vahoaka an-jorom-bala foana ireo mafana fo manohitra ny fanjanahana amin’ny ankapobeny. Nefa tsara ny manamarika fa ireo fikambanana manohitra ny fanjanahana toa ny Peace Now, B'tselem, sy Yesh Din dia hajain’ny fiaraha-monina ary ekena ho loharanom-baovao goavana tokoa.
Raha ny momba ny fanaparitahan’ny haino aman-jery goavana ireo hetsikay indray, ny ankabeazan’ireo haino aman-jery dia faly ny hamoaka horonantsary na tatitra momba ny herisetran’ireo mpanjanaka. Na izany aza, mbola tsy te-hamoaka tantara na horonantsary momba ny herisetra mivantana ataon’ny IDF amin’ireo Israeliana mafana fo mpikatsaka fandriampahalemana ny mpampita vaovao. Tsipika mbola tsy nodinganina io tany Israely, satria mbola tsy vonona ny hanohitra ny fanjakazakan’ny IDF ny ankabeazan’ireo Israeliana.
Niasa mafy tamin’ny fampiasana haino aman-jery amin’ny aterineto aho mba hamoahana ireo zava-niainan’ny Ta’ayuh ary tanteraka soa aman-tsara izany. Lasa loharanon’ireo horonantsary nalaina nivantana teny an-toerana sy ny tsikera momba ny zava-marina amin’ny fanjanahana any atsimon'ny West Bank ny vohikalako. Nahasarika ny sain’ny vahoaka maneran-tany ireo fanampim-baovao mivantana tamin’ny tweeter (@ibnezra) nalefako avy any West Bank ary manantena aho fa hitombo hatrany izany satria mila ambarany tantaran’ireo Israeliana manohitra ny fanjanahana.
Philippines: Fitantarana ny fanairana ny momba ny hanohanana
hunger
Taona vitsivitsy lasa izay no nandrombahan'ny sarimihetsika fohy iray ny lokan'ny fitiavan'ny mpijery nandritra ny Fetin'ny Film Iraisam-pirenena faha-56 ao Berlin, ary mbola miely manerana ny aterineto izy io amin'izao fotoana izao, entina hanairana amin'ny resaka fahantrana sy hanoanana.  Chicken A la Carte notoontosain'i Ferdinand Dimadura no iray amin'ireo lahatsary mitondra anao hiresaka ny momba ny hanoanana omaly, ankehitriny ary amin'ny fotoana ho avy.
Ity lahatsary manaraka ity dia efa vonona ao amin'ny Culture Unplugged vohikla iray mampiroborobo ny lahatsarim-panadihadiana, fohy na sarimihetsika finday, ary manome loka amin'ny alalan'ny vola ireo izay tena  malaza. Eo ho eo amin'ny 6 minitra eo ny faharetan'i Chicken A la Carte ary ny fisongadinan'ny an-tsary ao aminy no mahatonga azy mahahoatra ny fisakanan'ny tsy fifankahazoan-teny:
<object width="400" height="300" data="http://www.cultureunplugged.com/swf/embedplayer.swf" type="application/x-shockwave-flash"><param name="name" value="cultureUnpluggedPlayer" /><param name="align" value="middle" /><param name="flashvars" value="video=http://cdn.cultureunplugged.com/lg/CHICKEN_ALA_CARTE.flv&m=1081&u=0&thumb=http://cdn.cultureunplugged.com/thumbnails/lg/1081.jpg&sURL=http://www.cultureunplugged.com&title=Chicken a la Carte&from=Ferdinand Dimadura" /><param name="src" value="http://www.cultureunplugged.com/swf/embedplayer.swf" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><param name="quality" value="high" /></object>
Jereo ao amin'ny cultureunplugged.com ity lahatsary ity
Maro tamintsika fahakely no nandre ny renintsika hanapitra ny sakafo eo ambiliantsika, sy hoe misy ny ankizy kepaky ny hanoanana any amin'ny faritra hafa eto ambonin'ny tany any: ny marina dia mety hoeo amin'ny manodidina antsika eo dia efa misy ankizy kere.
Ity lahatsary manaraka ity kosa indray izay notontosain'i CarolinaMed dia  mampahatsiahy antsika ny tsy rariny amin'ny fanariana sakafo na fandanilaniana azy amin'ny tsy antony ary mametraka isa raha jerena ny  lanin'ny firenena voalohany manerantany, sy ny isan'ny olona mety hahazo  tombontsoa tamin'ny sakafo nariana.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/LaXUw-g4y64&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/LaXUw-g4y64&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ary avy any Singapore, azahahasupernova no manontany: Inona no fialantsininao amin'ny fandanilaniam-poana ny sakafo, ary omeo ny antony  mety hanimbàny ny tontolo iainana.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/zyv_uR4Ru2M&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/zyv_uR4Ru2M&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Tsy zava-baovao ny hanoanana any Philippines: Misy ny angano mifototra amin'ny fitadiavan-tsakafo hihinanana hialana amin'ny hanoanana: Tahaka izany ity lahatsary ahetsika fohy natao tamin'ny lokorano manaraka ity. Mitantara kely ny momba azy ity ny mpanetsika tokomokolika:
Ny tantaran'i Bontoc dia miresaka hazo iray mijoro eo ekani'ny ony Danum akaiky an'i Sagada. Ity dia angano mikasika vehivavy iray antsoina hoe Maeng, ary ny tena masaka ao an-dohany dia ny hamonjena ny fianakaviany hiala amin'ny hanoanana.
Tantara namboarina avy amin'ny angano Philippine nangonin'i Damiana Eugenio izy io. Ao amin'ny boky dia tsy manana anarana ny olona resahina ao fa ny anaran'ny tanàna niaviany dia hoe Maeng.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/1Zh8VAuKG5Y&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/1Zh8VAuKG5Y&hl=es&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ny sary hajia dia Give us This… by Mr. Kris
Juliana Rincón Parra
Maraoka: Fandraisana an-tànana ny fikarakaràna ny biby
Hopitalim-biby any Fez, Maraoka, izay nitsàngana tamin'ny 1920 ny American Fondouk novatsian'ny Sosaity any Massachusetts ho  fisorohana ny herisetra atao amin'ny Biby [Massachusetts Society for the Prevention of Cruelty to Animals](MSPCA).  Ilay hopitaly, izay mikarakàra ny biby lehibe sy kely, dia ahitàna voalohany indrindra mpitsabo biby  sy mpiandraikitra Maraokana, na izany aza, vao haingana izy no tafàkatra teo amin'ny tontolon'ny fitoraham-blaogy noho ny ezaka fitoraham-blaogy nataona mpitsabo biby vahiny, Dr. Dan Biros avy any Boston.  Dr. Biros, izay mpitsabo manokana momba ny mason'ny biby, dia nandràkitra an-tsoratra ny asany tao amin'ny Fondouk tao amina blaogy ofisialy.  Tsy ela akory izay dia namaofivaofy  tao amina lahatsoratra iray ny olana misy eo amin'ny biby any Maraoka izy:
Tsy dia mazava amiko loatra hoe hatraiza ny fahaizan'ireo Marokana manana biby fiompy  mikarakàra tsara ireo bibiny. Manerana ny tany ny fifandraisan'ny biby sy ny olombelona, nefa misy fahasamihafàna ara-kolotsaina raha ny momba ny fikarakaràn'ny tsirairay ny biby fiompiny. Hita n'aiza n'aiza ny herisetra atao amin'ny biby ary izany no antony nanangànana ny American Fondouk efa ho maherin'ny 80 taona lasa izay. Resy làhatra aho fa tsy mitsahatra ny manampy ny vahoaka eo an-toerana ny mpiasan'ny Fondouk mba hahafantàrany ny tokony hatao hikarakaràna ny biby amin'ny fotoana rehetra. Tsy asa mora izany. Miasa manome ohatra ry zareo. Mahavelom-bolo ny mahita izany isaky ny maha-eto ahy.
Tamin'ny alina farany nijanonan'i Dr. Biros tany Maraoka dia nanoratra izy:
Amiko, ny paradisa dia tsy ny mahatanteraka ny faniriana sy manàla ny zava-dratsy rehetra ho anà olona iray; fa ny fanomezana sy ny fandraisana, ny fifanakalozana fanomezana na bitika izany na goavana. Ny paradisa dia ny fanamarinantsika fa mpandray anjara mavitrika isika, amin'ny fara-herintsika, eto amin'ity tany toa adaladala ity ary milona tanteraka ao anatin'izany amin'ny làlana rehetra diavina. Na ahoana na ahoana no famaritan'ny olona ny paradisa, tsapako fa ny ampahany amin'izany famaritana izany dia faniriana ny haharetan'io paradisa io.
Farany, manoratra momba ny zava-niainany nandritra ny alina farany nijanonany tany Fez ny Dr. Biros:
Nasaina fianakaviana ‘berber' iray hisakafo hariva sy hiaraka amin-dry zareo izaho sy Alicia androany hariva. Rangahy mpivarotra karipetra, vahiny tanteraka aminay  vao nifankahita taminay ny omalin'iny tany Medina, no nanàsa anay hihinana akoho nokarakaraina miaraka amin'ny couscous [chicken couscous], hisotro  dite ary hiresadresaka. Teo ny vadiny sy ny zanany vavy roa ary nasian'ilay zokiny indrindra sarina ‘henna' ny sandry sy ny tànan'i Alicia. Ny Henna dia sarisary fanaingoana fanao any India sy Arabia efa an-taonjato maro. Niresadresaka momba ny fianakaviana sy ny asa izahay, ary niara-sakafo tanaty vilia baolina lehibe tokana tahàka ny efa fomba fanao tany Maraoka, hatrizay, samy nampiasa ny sotrony avy izahay.
Tsotsotra ilay efitrano nefa nisy izay ilaina rehetra, lakozia, efi-trano fandraisam-bahiny ary efi-trano fandriana. Ahafàhana mahita tsara an'i Medina koa ny ‘terrasse'-ny, ka rehefa eny ianao dia toy ireny tantely kely anaty tohotra [avy amin'ny mpandika: ny tohotra dia tranon-tantely] lehibe ireny.  Satria izahay nijery ny ivelan'ilay tanàna dia nahatsapa  tokoa fa tena tongasoa izahay ety ary tsapanay koa fa tena lavitra ny tranonay izahay. Im-piry ny zavatra toy izao no hiseho any Boston? Mampidonàka ny takariva manontolo aty, sady mahafanina no mitondra fahatoniana ihany koa. Izany ka paradisa.
Mandra-panoratra indray,
M’a ssalama (fandriampahalemana ary veloma)
Dr. Biros
Hosodoko tao amin'ny American Fondouk
Ny mpitoraka ao ambadiky ny Près du Puits koa dia tsy ela akory izay no nanoratra momba ny Fondouk, izay nitondràny ireo sàkany hatao vaksiny. Miteny izy:
Misy toerana mahafinaritra, majika mihitsy aza, any Fez. Ny American Fondouk io, hopitalim-biby natsàngan'i Sidney Haines Coleman, izay mikarakàra ara-pahasalamana ireo biby miasa any Maraoka. Efa ho 100 taona lasa izay, ny Fondouk - izay midika hoe ‘hotely' amin'ny teny Arabo - dia mbola mikarakàra maimaim-poana biby an'arivony isan-taona. Maro amin'ireo biby miasa - soavaly vavy sy boriky -, nefa koa ny sàka sy ny alika (na dia mieritreritra aza aho fa tsy mbola nikarakàra betsaka tamin'ireo ry zareo nandritra ny taona 1920).
Nizara sary maro momba ny Fondouk sy ireo tsaboiny koa izy:
Biby tsaboina ao amin'ny American Fondouk
Rivodoza Nargis tany Myanmar herintaona taty aoriana
Nandravarava ny faritra atsimon'ny vinany (Delta) Irrawaddy ny rivodoza nahafaty olona iray tamin'ny volana mey 2008 ka mihoatra ny 2 000 000 ny tra-boina tamin'izany. Notombanana fa 138 000 ny isan'ny maty ary 200 000 no tsy hita popoka tamin'iny fandalovan'ity rivodoza ity. Herintaona taty aorian'ny voina navelan'ny rivodoza Nargis, dia mbola mijaly ireo sisa niangana ary tsy mandeha ilalana ihany koa ny ezaka fanorenana indray. Mbola ilaina ny fandraisana anjaran'(ny malala-tanana) hamonjena ireo  sisa-patin'ny rivodoza.
Maro amin'ireo tra-boina ireo no tratran'ny fahakiviana lalina saingy ny 11% ihany no mahazo fikarakarana ara-pahasalamana. Mihoatra ny 40%n'ny tsy manan-kialofana no ankizy; ary maro amin'izy ireo no mora andairan'ny tazo  sy ny fahasarota-pisefoana (pneumonia).
Misy ny velovelom-poana amin'ny alalan'ny fihazana voalavo sy biby hafa any an-tsaha. Nisy koa nitatitra fa niakatra ny tahan'ny fivarota-tena eny amin'ny vinany noho ny fiharatsian'ny toe-karena.
Mihoatra ny atsasa-manilan'ny sisa niangana no mbola miankina amin'ny fanampiana ataon'ny malala-tanana. Lasa olana lehibe ho an'ny  mponina manodidina ny vinany ny fitrosana:
According to the United Nations World Food Program, 51 percent of households reported that they are still relying on food aid from humanitarian agencies, while only 25 percent said they could feed themselves…About 83 percent of households said they have been in debt through the purchase of rice.
Araka ny tatitra ataon'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo dia mahatratra 51%n'ny tokantrano no miankiba amin'ny fanampiana ara-tsakafo ataon'ny vondrom-pifanampiana isan-karazany, raha ny 25% monja no miteny fa afa-mamelona ny ao an-tranony… Tokony ho 83%n'ny tokantrano no milaza fa bokan-trosa noho ny fividianana vary.
Voalazan'ny tatitra ihany koa fa nandritra ny fahatsiarovana ny herintaonan'ny rivodoza Nargis, dia tratran'ny sivana ampiharin'ny Sampam-panjakana manaramaso ny haino aman-jery ny lahatsoratra miresaka ny zavamisy marina any amin'ny toerana tratran'ny rivodoza.
Mitaky ny mangarahara amin'ny fitondrana momba ny fanampiana ataony any amin'ny faritry ny vinany Vondron'ny Naman'i Burma. Mitaky ihany koa izy ireo ny hanafahana ny gadra politika izay nofonjaina satria nikarakara asam-pamonjena voina tamin'ny herintaona:
We want to demand the Burmese government to open more for relief and recovery in the effected area with transparency and respect to human rights.
We demand for releasing 21 prisoners that have been arrested due to relief work
Miangavy ny fitondrana Birmana izahay ny hanokafany kokoa miaraka amin'ny fametrahana ny mangarahara sy fanajana ny zon'olombelona ny fidiran'ny asam-panampiana any amin'ny faritra iharam-boina.Miangavy ihany koa izahay ny hamotsorana ireo gadra 21 izao nosamborina satria nanatontosa asam-pamonjena voina.
Na dia eo aza ny ezaka fiaraha-miasa ataon'ny vondrona iraisam-pirenena hanampiana an'i Myanmar, dia tsy mifanaraka amin'ny ilaina ny fanampiana vita. Notombanan'ny Firenena mikambana fa mihoatra ny US$691 000 000 no ilaina hamitana ny famonjena voina.
Nomarihan'ny mpandinika fa kely dia kely ny fanampiana natokana ho an'i Myanmar raha oharina tamin'ny nataon'ny firenena maro nandritra ny voina navelan'ny Tsunami tamin'ny 2004. US$300 000 000 no noraisin'i Myanmar, nany  2.5%n'ny lany nandritra ny tsunami tamin'ny 2004.
Mitaraina noho ny fahasarotana mahazo azy ireo ny mpiasan'ny fanampiana rehefa mitatitra ny fanampiana any Myanmar:
Difficulties encountered by aid workers: logistical; the difficulties and dangers of reaching villages only by small boats, navigating the tides and the weather of the Delta. Note visa restrictions, travel restrictions, and the government stealing supplies….
Ny fahasarotana mihatra amin'ny mpiasan'ny fanampiana: ara-pitaovana; ny fahasarotana sy ny loza eny ampitetezana ny tanàna madinika amin'ny alalan'ny lakana, misosa araka ny onja sy ny toetrandron'ny vinany. Ny karazam-pandrarana ao amin'ny visa, ny famefifefena amin'ny fivezivezena, ary ny halatra fitaovana ataon'ny governemanta.
Edward Hew avy ao amin'ny Sampan'asam-pamonjena MERCY Malaysia no manoratra ny momba ny tetikasam-pananganana any Myanmar amin'izao fotoana izao
A year later, we have seen many projects up and running, many still in progress. But there are those who still suffer in silence. There is so much to be done. Many had use the Tsunami as a lesson to implement the intervention here.
A year has passed and most projects are yet to focus on sustainability but are still on emergency intervention. I have seen many shelter projects that may not survive the next thunderstorm. For example, latrines built with tarpaulin sheets instead of local materials like bamboo, a sturdier choice which is easy to maintain.
Herintaona taty aoriana dia mahita tetikasa maro mijoro sy mandeha isika, ary maro no mandroso. Saingy misy ireo mbola miaritra mangina. Maro ny zavatra tokony atao. Maro ny nampiasa ny Tsunami tahaka ny lesona hidirana an-tsehatra taty.
Nandalo ny herintaona fa maro ny tetikasa tokony hifantoka amin'ny fananganana zavatra saingy mbola mionona amin'ny fanampiana noho ny fahamehana hatrany. Nahita fialohfana maro tsy hahajoro akory amin'ny tadio ho avy manaraka aho. Ohatra, ny toeram-pidiovana vita amin'ny rarin-dravina fa tsy mba vita amin'ny bararata izay matanjaka nefa mora karakaraina.
Raha te-hahita ny vaovao farany momba ny androm-pahatsiarovana ny rivodoza Nargis ianao dia tsidiho ireto vohikala manana pejy manokana  ny toe-draharaha teny amin'ny vinany (Delta): The Irrawaddy, Mizzima, ary ny A Diary of the Cyclone Nargis.
Fantaro ny tantaran'i Daw San Yee izay niangana tamin'iny rivodoza iny amin'nyalalan'ny fijerenao ity lahatsaryYouTube ity:
<object width="480" height="295" data="http://www.youtube.com/v/mKdpegtxvAw&hl=en&fs=1&rel=0" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/mKdpegtxvAw&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Mong Palatino
Ireo antony sy ny vokatry ny fanonganam-panjakana taty Madagasikara
Taorian'ny famindram-pahefana natao ny 17 martsa taty Madagasikara dia nihamafy hatrany ny korontana tao amin'ity nosy ity. 15 000 no isan'ny olona tsy nanaiky iny fanonganam-panjakana iny no nanamarika efa ho enina andro izao ary notifirin'ny miaramila tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso efa ho 3 andro tsy an-kiato izao. Ny 28 martsa dia mpanao fihetsiketsehana tsy nanaiky ny fanonganana no voatifitry ny mpitandro ny filaminana ka naratra, 34 no isany ary vitsivitsy tsy tena fantatra isa no manampy azy ireo.
Stephen Ellis, mpiara-manoratra amin'i Solofo Randrianja ao amin'ny Madagascar: A short Story (Madagasikara: Tantara fohy), sady mpampianatra ao amin'ny anjerimanontolo tsy miankina iray any Amsterdam, no manazava ny anton'ny korontana aty Madagisakara:
Ny antony nahatonga ny tsy filaminana dia vokatry ny fahantrana be loatra etsy an-daniny (70% ny mponina no mahantra) sy ny fiterahana be loatra etsy an-kilany. Io nosy io mantsy no anisan'ny manana taham-pahaterahana be indrindra manerana ny tany (nitombo be ny isan'ny mponina: 3 tapitrisa ny taona 1900, 6 tapitrisa ny 1960 ary 20 tapitrisa izy ankehitriny). Ny fitomboan'isan'ny tanora isan-taona mitady asa no namorona rivotra iainana tsy tena madio loatra tao Antananarivo… Voafidy fanindroany indray Ravalomanana ny taona 2006. Kanefa na dia filoham-pirenena aza izy dia mbola nanohy nitady harena sy tombontsoa manokana ho azy ihany ary naneho tamin'ny fitantananay ny maha mpanao afera azy, ary tsy mahagaga raha nitarika ny fianjerany izany. Nanao fahotana mahafaty koa izy tamin'ny nifanarahany tamin'ny Koreana Tatsimo izay nitady hanao fitadiavam-bola amin'ny tany hambolena sakafo haondrana. Nitarika fahatahorana teo amin'ny olona izany, olona izay fantatra fa mifikitra mafy amin'ny tanin'ny razany.
Manazava ny fifandraisana nisy teo amin'ny fampanofana tany ny Daewoo, orinasa Koreana Tatsimo, sy ny korontana misy ankehitriny i Ethan Zuckerman:
Vao tsy ela akory izay dia nanao sonia fifanarahana fampanofana tany mandritra ny fotoana tsy voafetra, tany mirefy 3.2 tapitrisa metatra tora-droa ny Koreana ary hofana $12 ny metatra tora-droa amin'izany tany izany… Noeritreretin'ny Koreana hambolena katsaka haondrana any aminy ny ankamaroan'io tany io ary ny ambiny kosa hanaovana menaka palma haondrana amin'ny tsenan'ny bio-fuel (enerjia avy amin'ny zava-maniry). Fanomezana hafahafa izy ity satria mantsy i Madagasikara dia firenena mbola tsy mahavita tena ara-tsakafo, ary ambonin'izany rehetra izany dia fantatra fa tantsaha ny ankamaroan'ny mponina… Manoloana ny lafiny ekolojika ao amin'ny Nosy dia tahaka ny hoe ny tany tsy voakitika dia harena ho an'ny firenena mansritra ny fotoana ela.
Ny 17 martsa dia namindra ny fahefana tamin'ny miaramila ny filoha Ravalomanana ary ity fitondrana miaramila ity no hikarakara ny fitsapankevi-bahoaka. Tsy nanaiky izany fandaminana izany anefa ny mpanohitra ka nanome ny fahefana ho an'ny mpitarika azy ireo Rajoelina.
Manoloana ity famindrana fahefana ity dia manambara ny governemanta fa tsy fanonganam-panjakana mihitsy no nataony, izay tsy hiombonan'ny fikambanam-be iraisam-pirenena hevitra aminy. Nanambara tao ami'ny gazety Midi Madagasikara ny masoivohon'i Etazonia miasa eto Madagasikara fa vavomombelona nanatri-maso ny fampiasana hery nataon'ny miaramila sy ny fandrahonana natao izy nandritra ny fanonganam-panjakana:
J'ai pu voir de mes propres yeux jusqu'à quel point on a eu recours à la force dans ce coup d'Etat. Moi-même, j'ai été menacé verbalement et avec des fusils. Ce n'est pas normal que les militaires d'un gouvernement menacent les diplomates accrédités dans le pays.
Hitan'ny masoko hoe hatraiza ny fampiasana hery nataon'ny miaramila nandritra iny fanonganam-panjakana iny. Ary na dia izaho aza dia niharan'ny fandrahonana am-bava sy nambanana basy. Tsy azo ekena hoe miaramila an'ny governemanta iray no mandrahona ny masoivoho miasa eo amin'ny firenena.
Indro ny sary maneho ny zavatra notantarain'ny masoivohon'i Etazonia teo:
<object width="425" height="344" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Andro vitsivitsy taty aoriana dia firenena maro no nampiato ny fanampiany an'i Madagasikara.
Tonga dia nisy fiantraikany teo amin'ny mpandraharaha malagasy ity fanapahan-kevitra hampijanona ny famatsiam-bola ity. Nanoratra tao amin'ny Facebook i Andriatefihasina Hary ary nomeny lohateny hoe: “Inona no hatahoranao manoloana ny fampihatoana ny fanampiana iraisam-pirenena?” (fr):
A titre personnel, je trouve problématique la suspension des aides extérieures. A titre d'exemple, nous faisons un chantier financé par la banque mondiale. Si leur retrait se confirme, nous serons obligé de licencier tout le monde
Ho ahy manokana dia olana goavana ny fampihatoana ny fanampiana avy any ivelany. Ohatra fotsiny izao ny hoe manana asa vatsian'ny banque mondiale vola izahay. Ary raha mitombina ny hoe handeha ry zareo dia voatery tsy maintsy horoahina ny mpiasa rehetra.
Ohatra iray amin'ireo marobe iny an'i Hary iny. Manazava ao amin'ny BBC i Eric Koller mpitantana toeram-pisakafoanana sy fandraisam-bahiny:
80% ny trano fandraisam-bahiny no mikatona  ary mitondra ny mafy amin'izany ny any amin'ny faritany. Revkin, mpitoraka bilaogy ao amin'ny New York Times Dot Earth no manazava fa ny valan-javaboahary ao Marijejy, malaza amin'ny biby tsy fahita firy sady arovana, no rakotry ny trosa ankehitriny ary matahotra mafy ny mpitantana azy.
Ny 28 martsa no kihon-dalana vaovao lalovan'ny krizy eto Madagasikara.
Indro ny sary mampiseho ny fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana ary mampiseho ireo miaramila manaparitaka azy ireo amin'ny tifitra sady mampiasa baomba mandatsa-dranomaso(fr):
<object width="425" height="344" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Ilay mpanao fihetsiketsehana antsoina hoe Razily, milanja ny sainam-pirenena Malagasy, no nomarihan'ireo mpitoraka bilaogy manokana. Nalaina sary izy raha iny izy irery iny nanantona ireo miaramila, bala maro no nipoaka manodidina azy, mandrapanosiky ny miaramila azy tao anaty fiarabe. Naseho tao amin'ny New York Post koa ity sarin-dRazily ity:
<object width="425" height="344" type="application/x-shockwave-flash"></object>
Razily manoloana ireo pôlisy ny 28 martsa (via topmada.com)
Maro tamin'ireo mpanoratra twitter no nilaza fa be herim-po Razily.
Hoy Hery(fr):
Un manifestant courageux arreté par les militaires à #madagascar
Mpanao fihetsiketsehana be herim-po nosamborin'ny miaramila
Nanoratra i TJ ary nilaza fa ny sary mihetsika no mahazatra rehefa tahaka itony:
Sary mihetsika avy any Madagasikara: lehilahy anakiray milanja sainam-pirenena Malagasy nosamborin'ny miaramila, mampahatsiahy ny zava-nisy tany amin'ny kianja Tiananmen.
Manampy izany i Aliosty:
Ity “Tiananmen” taty Madagasikara ity dia manamarika ny fanjakana vaovaon'i TGV. “
Manoloana ny zava-niseho nandritra ny 2 andro lasa izay dia tsapa fa mihamalefaka ny fifandirana aty Madagasikara. Milaza ny The economists fa miorina sady marefo ny governemanta vaovao.
Hamaranana azy, raha hitodihantsika kely ny niatombohan'ny krizy dia milaza i Alex Evan ao amin'ny bilaoginy Global Dashboard fa mody tsy mahalala ny tantara ny Koreana Tatsimo: mampiseho sary sangisangy zary tenany ny gazety lehibe iray any an-toerana, ny Chosun Ilbo, sary maneho endrika mainty iray voadaroka amin'ny hazo tampoka manenjika Koreana miasa tany.
Lova Rakotomalala
Palestina: Mitohy ny fanafihana any Gaza
Na dia eo aza ny fanambaràna ny  fampitsaharana samirery ny tifitra nataon'i Israely  sy ny Hamas dia mitohy ihany ny fanafihan'ny miaramila Israelianina any Gaza raha mandritra izany ny sampana Palestiniana kosa  dia manohy mitoraka ‘rôkety' any Israely.  Ato amin'ity lahatsoratra ity no andrenesantsika ny vaovao farany avy amin'ireo blaogy any Gaza.
Prof. Said Abdelwahed, mpampianatra teny Anglisy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Al-Azhar University, dia manoratra ao amin'ny Moments of Gaza (18 Febroary) hoe:
Omaly hariva, nisy angidim-by mpiady [helicopter] iray nanidina teo ambony lohanay tao amin'ny faritr'i Tel al-Hawa; nandatsaka “missile” iray tany ho any taty amin'ny faritra misy anay izy! Nisy F-16 koa nikendry toerana roa tany Khan Younis sy Rafah. Omaly alina, efa tokony teo amin'ny misasakalina teo, nanatanteraka fanafihana telo tany avaratr'i Gaza ireo F-16! Maro amin'ny toerana nokendreny amin'izao fotoana izao no efa potika nandritra ny ady, noho izany dia manafika  toerana efa simba izy ireo! Ny zava-misy dia tsy dia voaresaka loatra ireo fanafihana ireo! Tsy nisy resaka momba an'io tany anaty fampahalalam-baovao; toy ny hoe lasa fanazaran-tena tsotra amin'ny fiainana andavan'andro ilay izy!
Ilay mpanoratra Amerikana Elliott Woods, izay nahazo vatsy avy amin'ny Foibe Pullitzer ary any  Gaza, dia nanoritsoritra ny zava-misy ao amina lahatsoratra tamin'ny 9 Febroary:
Rehefa taty efa ho iray volana aho izao – indrindra nandritra ilay hoe fampitsaharana poa-basy – dia tsapako any anatin’ny taolako ny fandrahonana tsy miato. Disadisa mitoetra tsy miala, tahaka ny aretina an-doha na ny “makafoka” izay tsy mahatazona anao ao am-pandriana, fa mahatonga anao ho tonga saina fa misy zavatra tsy manjary. Ho tahaka ny ahoana ny fiainana ao anatin’izany karazana tsy fananana antoka izany, izany tahotra mahafaty izany, mandritra ny taona maro?
I Sharyn Lock, mafana fo iray dia nanoratra (16 Febroary) tao amin'ny Tales to Tell:
Nisy mpampianatra avy any Afrika Atsimo iray izay namaky ity blaogy ity nanontany omaly: “Naheno aho fa isan'andro dia mbola vonoina ihany ny olona any Gaza, marina ve izany?”
Eny. Saika isan'andro dia miampy ny faharatrana, ary matetika aza fahafatesana mihitsy. Ary tahaka ny mahazatra, matetika dia sivily avokoa izy ireny.
Nanome ohatra fanafihana vitsivitsy  izay efa nitranga i Sharyn, ary miteny:
Ny sakana noho ny teny tsy mifankahazo sy ny fotoana dia midika fa tsy afaka mampahafantatra anao foana ny antsipirihany momba ny ratra sy ny fahafatesana mitranga aty izay vokatry ny fanafihana Israeliana tsy miato aho. Matetika, mety haheno fipoahana isika, ary andro iray na roa izay vao fantatra mazava hoe inona iny ary iza no voakitik'izany. Amin'ity herinandro ity dia anjarako ny manao fiandrasan-draharaha miaraka amin'ireo fiara mpamonjy voina ka dia ho mora amiko ny hahatsapa ny zava-mitranga sy hijoro ho vavolombelona. Nefa indrisy, na maheno momba azy ireo avy amiko ianao na tsia dia tsy maintsy ataonao an-tsaina fa mitohy ny ratra sy ny vono, satria any Gaza, izay no atao hoe Fananiham-bohitra Israeliana.
Miblaogy ao amin'ny In Gaza ilay mafana fo Kanadiana Eva Bartlett, ary tao anatina lahatsoratra tamin'ny 17 Febroary izy dia nanoratra momba ny fijalian'ny tantsaha any amin'ny sisintanin'i Gaza amin'ny ilany atsinanana:
Mipetraka any Khan Younis i Abu Alaa ary manana tany ao amin'ilay faritra vonjimaika vao avy nalehibeazina, amin'ilay sombin-tany manamorona ny Tsipika Maitso izay, avy any avaratra ka hatrany atsimo, manasaraka an'i tany Palestiniana efa ho  1 km ankehitriny. Fahiny ‘mbola 300m ‘monja' ilay faritra vonjimaika, dia efa  tany 300m be izao izay no nobodoin'ny hery mpanani-bohitry ny miaramila Israeliana. Ankehitriny rehefa 1 km izy ity, moa ve ny olona izay nopetehina tamin'izay fomba rehetra mety ho takatry ny saina ny asa fivelomany (nahakenda an'i Gaza taorian'ny nahavoafidy ny Hamas) dia tokony hametraka ny fitaovam-pamboleny, hamela ny fahatokisan-tena, ary hilahatra fanampiana izay efa tsy mbola azo akory? Toy ny olona rehetra mbola manana fahaiza-manao, tsy te-hiankina amin'izay fanampiana ny Palestiniana; maniry mafy ny ny hizaka tena ary ny handray anjara  amin'ny toe-karena fa tsy hiandrandra lava (na tsy handray, tahaka ny andro farany teo) fanampiana avy amin'ny UN sy ireo mpanao asa soa hafa.  Ny fifehezana tsy an-kiato ataon' i Israely amin'i Gaza sy ny manodidina azy dia midika fa ireo tantsaha izay afaka mamokatra legioma, voankazo na voninkazo dia tsy afaka manondrana izany. Ny fitsaharana kely ho an'ny andron'ny mpifankatia, nahafahana nanondrana voninkazo 25 000 isa, dia izao fotsiny: bitika sy mandrangitra. Tato anatin'ny telo taona farany teo,  efa azo lazaina ho tsy nisy ny  fanondranana voninkazo sy frezy. […] Noho izany ireo tantsaha ao anatiny, izay miezaka ny hamelon-tena,  ary koa hamatsy legioma ampiasaina manodidina an'i Gaza, dia manohy ny tolony tsy misy herisetra ho an'ny fivelomana, amin'ny fiasana ny taniny sy famokarana ny tongolony, persily, radis, épinard, tsaramaso… ao anatin'ny poa-basy.
Tao anatina lahatsoratra tany aloha (19 Febroary), i Eva dia mitantara ny naha-voatifitra teo amin'ny tongony tantsaha marenina iray, tantsaha fahaefatra voatifitra tao anatin'ny telo herinandro. Manome rohy mankany amin'ny horonan-tsary momba ny zava-nitranga i Sharyn Lock  ato.
Manohy ihany i Eva:
Manomboka ilaozan'ny olona  ireny tany lonaka manamorona ny sisin'ny faritr'i Gaza ireny, satria ny tantsaha, izay maro no efa niasa ny tany teny nandritra ny taona maro, dia matahotra ny miaina sy miasa amin'ny taniny ankehitriny. Ny sisin'ny faritr'i Gaza, izay 40km fotsiny ny halavany ary 10km ny sakany, dia miha-mihena hatrany manoloana ny fibodoana Israeliana, amin'ny fametrahana sy fanitàrana ny faritra vonjimaika tsy ankiera  ary noho ny fitifirana sivily sy tantsaha miezaka ny mivelona sy miaina eo amin'ny taniny. […] Noho ny fahanginany,ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia toy ny mitodi-damosina sy mankasitraka ny fanaovana fahirano an'i Gaza amin'ny fandraràna ny Palestiniana tsy hahita fomba rehetra iainana sy fivelomana azo eritreretina, mangina ny mpitarika iraisam-pirenena manoloana ny fanararotam-pahefana atao amin'ny tantsaha sy ny mpanjono, ny tena mahantra sy ny tena mahery fo, izay miatrika ny tifitra Israeliana ary miafara toa an-dry Mohammed, Anwar, na i  Rafiq, 23 taona, izay voakendry tany amin'ny 2 miles ny sisitanin'i Gaza tamin'izy tao anaty lakana fanjonoana. Nofafazan'ny miaramila Israeliana bala ilay lakana, bala mipoaka ‘dum-dum' izay nahavoa an'i Rafiq teo amin'ny lamosiny ary nipoaka ho potiny kely be dia be nitsatoka tany amin'ny avokavony ary mbola mijanona eo akaikin'ny tsokan-damosiny, tsy azo tsoahana. Tsy toe-javatra maningana sy fifandrifian-javatra izany. Ampahany amin'ny politika fangejana  ny  endrika fizakan-tena  rehetra izay ezahan'ny Palestiniana idirana izy ireny, ary ny fanohizana ny ezaka fanapotehana ny fanirian'ny Palestiniana, ezaka izay niteraka fahirano mahery vaika nandritry ny taona maro, sy ady nandatsahan-drà naharitra 23 andro nahafatesana Palestiniana efa ho 1370 teo, ary ny fikendrena tsy an-kiato ny sivily any amin'ny faritr'i Gaza.
Mafana fo izay tsy mitonona anarana mitoraka blaogy ao amin'ny  Writing from Gaza no mitantara  (16 Febroary) momba an'i  Ali Abdul Salam Al Sa’ay 19 taona izay poaka [voa]  ny masony havanana, ny tanany havia ary rantsan-tànana telo tamin'ny tanany havanana noho ny tifitra missile nahazo ny sisintanin'i Gaza avy amina sambo mpiady israeliana tamin'ny 10 Janoary (talohan'ny fampitsaharana ny poa-basy). Ali dia avy ao amin'ny  tobin'i Al Shati’ [Morontsiraka]:
Voakendry manokana ny tobin'i Al Shati’ nandritra ny adin'Israely tany Gaza. Naharitra 24ora/24 ny fanapotehana ny toby, hoy ny fanazavan'i  Abdul Salam, rain'i Ali.  Nafindra toerana daholo izay tamin'ireo trano manoloana ny ranomasina rehetra. Mitifitra avy amin'ny sambo mpiady, fiaramanidina sy ny sisa ry zareo’.
Mitohy ny fipoahana ao amin'ny tobin'i Al-Shati’, noho ny daroka tsy mitsahatra ataon'ny sambo mpiady israelina amin'io toby io.  ‘Daiman, daiman (isaky ny mihestika, isaky ny mihetsika)’, hoy i Ali. Manampy ny rainy hoe, ‘Lasa mahazatra ny olona ny maheno ny tifitra. Toy ny hoe amponga izany ankehitriny. Be ny olona maratra’
Manoratra (16 Febroary) ao amin'ny  Gaza Blog-n'ny New Internationalist i Louisa Waugh :
Monina any Rafah i Faiza, 200 metatra monja amin'ny sisintany iraisana amin'i Egipta. Manoloana lavaka fidirana amina zohy  izay nolavahana tao ambanin'ny sisintanin'i Gaza sy Egipta no misy ny tranony. […] Fantatro fa nafindra toerana nalàna tamin'ny tranony ny fianakaviany nandritra ny ady, ary vao haingana no niverina.  Noho izany dia nandeha fiara nankany Rafah aho mba hihaona amin'izy ireo. Simba tamin'iny ady iny i Rafah - simba noho ny tifitra tamin'ny fitaovam-piadiana mavesatra, ny baomba sy ny fitaovana fitifirana hafa ireo trano manamorona ny sisintany, potika tsy misy horaisina ny tontolo. Toa mampalahelo izany - io no saisarin'i Gaza hitanareo amin'ny fahitalavitra. Ny tranon'i Faiza, any amin'ny fiafarana lalan-tany iray, dia efa toy ny mitoka-monina ankehitriny - ny trano mpiray vodirindrina amin'ny ilany roa dia voafafan'ny baomba avokoa, ary noteneniny ahy fa betsaka amin'ny mponina no matahotra mafy ny hiverina aty amin'ny faritra noho ny fitohizan'ny fandarohana. Miteny ny Israeliana fa hamotika ny tambajotran'ireo zohy ry zareo, ary saika isan-kalina dia misy fanafihan'ny fiaramanidina foana manozongozona ny tranon'i Faiza, mampatahotra  ny ankizy sy ny lehibe. Rehefa mihamafy ny daroka baomba dia mandeha mitsoaka any amin'ny havany mipetraka lavitra ny sisintany ilay fianakaviana.
‘Efa nafindra toerana efa ho in-dimy izahay farafahakeliny nanomboka tamin'ny [18 Janoary] fampitsaharana poa-basy,' hoy izy tamiko. Ny teny hoe ‘afindra toerana' dia ahazoana  sary an-tsaina ny fiarakodia fotsin'ny ONU tonga mba hamonjy ireo osa  sy mitondra azy ireo lavitry ny loza mitatao. Nefa ho an'ireo olom-bitsy navela taty amin'ny faritra vonjimaika hapoaka, ny famindràna toerana dia midika fa folo minitra no ananan'izy ireo hangoronany ny entany sy handosirany an-tongotra.
Shina: Haintany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona
Namely ny 43% n’ny varimbazaha vokarin’ny firenena ny hay tany  ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona, izay nipaka hatrany amin’ny faritany 12 sy ny velaran-tany mihoatra ny 9 300 hektara, ao amin’ny faritra avaratry Chine. Nampitandrina ny birao miahy ny faritany sy ny birao avo miady amin’ny haintany fa olona miisa 3 700 000 sy biby fiompy hatrany amin’ny 1 850 000 no tsy mahazo rano fisotro.  Nitsidika ny tanan’ny Henan ny praiministra Wen Jiabo ary nanome toromarika ny tompon’andraikitra ao an-toerana mba hametraka ny  asa “laharam-pahamehana” ho fanarenana ny simba. Taorina kelin’ny famangiana nataon’I Wen dia nanomboka avy ny rotsak’orana…. Fahagagana ve izany? Angamba, masomboly simikan'ny rahona izy io
Mampiseho ny fivoatran’ny haintany tao amin’ny faritanin’ny Shandong ny horononantsary YouTube:<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/PIXOFFwfG00&hl=en&fs=1" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/PIXOFFwfG00&hl=en&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Noho ny vokatry ny krizy famatsiam-bola, dia betsaka ireo mpila ravin’ahitra no miverina any aminy any ambanivohitra, hanaratsy misimisy kokoa ny fiainan’izy ireo ny haitany ary hipaka hatrany amin’ny fomba fitondran’ny governemanta ny fampandrosoana ny varotra anaty miady amin’ny krizy. Matahotra mafy ny voka-dratsin’ny haitany i badanjilin, mpitoraka bolongana manana ny tantaram-piaianany teny ambanivohitra:
Na dia izany aza manao izay  ho afany ny governemanta hiadiana amin'ity haitany ity, raha mitohy toy izao ity toetr’andro ity, dia hisy vokany amin’ny fiakaram-bokatra amin’ny lohataona izany. Noho ny krizy ara-bola dia afaka maminavina isika hoe ho tonga tahaka inona re ny hamafin’ny fiainan’ireo mpamboly eny ambanivohitra e. Tamin’ny taona lasa dia tsara ny toetr’andro, ary nanana ny amby ampy ny tantsaha teo amin’ny famatsiana ny sakafo. Ny asa fanampiny no ahafahan’izy ireo  mampidi-bola entina hanatsarana misimisy kokoa ny fiainana. Ankehitriny raha miato ny rotsak’orana, dia hihasarotra ny fiainan’izy ireo. Zanaka mpiompy sy mpamboly aho, ary manana traikefa 2 taona amin’izany. Fantatro tsara ny hamafin’ny fiainana mpamboly sy mpiompy. Ny fambolena sy ny fiompiana no mafy indrindra eo anatrehan’ny asa rehetra. Telo ny olana goavana eny ambanivohitra (fambolena, ny tanana sy ny tantsaha) ao Chine. Noho izany antony izany no amoahan’ny firenena taratasy manome tombotsoa misimisy kokoa ho an’ny tantsaha isan-taona. Kanefa, mbola misy ireo mponina ambanivohitra sasantsasany miaina anatin’ny fahantrana.
Lakandrano sy toro-hevitra amin’ny fiaraha-miasa ambanivohitra
Nanome teboka i Pinklady avy amin'ny Tianya forum anisan’ireo feo nivoaka fa kely loatra ny vola nolanian’ny firenena entina hanatsarana misimisy kokoa ny lakandrano tamin’ny fotoana ara-dalana. Mino ny mpitoraka bolongana fa ny vahaolana an-tampony dia ny fanaovana tsifi-drano ny fitarihan-drano:Fa maninona, raha toa ka nisy fiovan’ny toe-karena tao anatin’ny 30 taona, dia mbola tsy nanamboatra ny fitaritan-drano tsifitsifitra foana isika? Tsy sarotra tanterahana akory anie izany e, ny zavatra ilaintsika dia motera mitroka rano ary fantsona PVC fotsiny. Tsy misy ataon’ny governemanta afatsy ny manome ny tohana ara-bola fotsiny ihany dia hatsangana ny firafitry ny fantsona. Ny fanamboarana ny paompy (motera mitroka rano) sy fantsona dia asa tsisy dikany akory.
Aleo hazavaiko aminareo hoe inona no anton’ny tsy nahatanteraka ny toro-hevitra mikasika io kirafitra io tao amin’ny faritany avaratra. Ny olona fototra dia satria tsifi-drano no rafitra apetraka, tsy ho tanteraka izany ho an’ny fianakaviana iray manana tany kely dia kely. Izay midika hoe tsy afaka manatanteraka izany izahay manoloana lalana ankehitriny mikasika ny vokatra isan-tokantrano sy ny toe-karenan’ny tantsaha madinika. Mitovy tanteraka amin’ny fananganana ny tobin-drano sy lakan-drano, mila mifandamina amin’ireo mpamboly sy mpiompy isika raha tsy izany tsy hisy olona afaka hanamboatra io fitaritan-drano io. Ambonin’izany, nanimba ny tany koa ny firafitr’ireo trano sy fasana miparitaka etsy sy eroa. Ao anatin’ny fiompina sy fambolena miray ao Isarely dia ny fitambaram-be ny fambolena sy ny fiompiana no hery nanangana ny fantson-drano mitsifitra. Noho izany tsy olana ara-ekonomika, na olana ara-teknika, fa kosa olana eo amin’ny sehatra ambanivohitra.
Krizin’ny tontolo iainana fa tsy hoe akory olana ara-pandrosoana
Kanefa, maneho teboka ny Rivotra anaty Rano (Wind on Water) fa tsy mamaha olana amin’ny tsy fahampianan’ny rano ny vola sy  fandrosoana. Betsaka anie ny rano miangona ao ambanin’ny tany e
Niventy ny hira hoe “Ny toe-karenan’ny tantsaha madinika” sy ny “toe-karenan’ny varotra” izahay raha toa ka tsy tsikaritray ny krizin-drano izay efa mandindona ny fiainanay. Manohy milaza ny tompon’andraikitra ao amin’ny governemanta fa manana ny vola isika, homentsika vola ny tantsaha mba hanampiana azy amin’ny fitadiavan-drano. Mbola lazain’izy ireo fa tsy mahavaha olana ny vola. Vao maika aza mampitombo ny aretin’ny olana ny vola, ary mampitombo ny hafainganam-pandehan’ny fisitonan-drano miala ao amin’ny tobin-drano natoraly izany. Manimba ny ain’ny olona ny firehan-kevitra vola.
Faminaniana hafa?
Tamin’ny taona lasa nandritra ny fotom-pankalazana ny lohataona, dia nodarofan’ny tafiotran-dranomandry (tempete de neige) henjana ny faritra atsimon’ny tany Sinoa, avy eo nitohizan’ny horohoron-tany indray, ary amin’ity taona ity dia haintany indray koa. Mahotra ny vahoaka fa mety hisy koa loza hafa handimby. Nisy bolongana mandehandeha ao amin’ny aterneto izay milaza fa mety ho famantarana ny fisian’ny horohorontany misesisesy ity haintany ity. Naka ny dikan’izany ho ao anatin’ny blaoginy i Littlepjy
Oiwan Lam
Kambodza: Mizotra misimisy kokoa amin'ny ho avin’ny natiora organika.
Mikirakira an-tsehatra ireo vaovao bolongana Phnom Penh  mikasika ny fihemoran’ny fivezivezen’ny sakafo tamin’ny 10 Febroary 2009 ny mpitoraka bolongana ao amin’nyCAAI News Media sy i Khmer Stars. Miresaka ny filozofian’ny fanamboarana ny sakafo ho tsara, madio sy mendrika manoloana ny fihenan-tsakafo ny loharanom-baovao, ary milaza izy hoe amin’ny fomba ahoana no ampiharana izany filozofia izany ao Kambodia. Nanao fanadihadiana ny tompon’ny hotely fisakafoanana tao Phnom Penh ny loharanom-baovao, koa nanazava  izy fa raha atao ny fampitahana dia madio ny nofon-tany eto amin’ny  firenena:
“Hitan’izy ireo kosa aloha fa ny tanin’i Kambodza dia tsy mbola voararaka zavatra simika na famonoam-boalavo, satria ny  ady tao anatin’ny 30 taona no antony tamin’ny ankapobeny” hoy izy. “Ary tena marina, fa ny hatsaran’ny vokatra avy any Kambodia dia tsara aok’izany – mbola tsara lavitra noho ireo izay avy any amin’ny faritra hafa aza.”
Eto indray, araka ny vaovao bolongana Phonom Penh  nozarain’ i Vuthasurf tamin’ny 17 Febroary 2009:
Mampiasa matetika ny fanafody simika miaraka amin’ny famonoam-boalavo sy ny asidra Hydroklorika ny mpivarotra sakafo mba hitahirizana ny sakafo na hanome endrika izany entina hisintonana ny mpividy, hoy Chhouv Kong Phally, talen’ny programan’asa momba ny fampahafantarana ny fahasalamana ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana.
Nidera lavitra ny hatsaran’ny voankazo Kambodzianina  noho ireo izay avy amin’ny faritra mpifanila vody-rindrina i Vuthasurf tamin’ny Novembre 2008.
Amin'izao fotoana izao dia saiky nampiasana fanafody simika fampitomboam-botoaty sy famonoam-boalavo ny vokatra avy amin'ny voankazo any amin'ny firenena manodidina tahaka  ny any Vietnam sy Thailandy nefa mety hanohitohina fahasalaman'ny olombelona izany…Mandre matetika kambodziana aho miteny fa tsara noho ny karazam-boankazo any amin'ny firenena manodidina ny voankazo kambodziana.
Manohana ny tantsaha  hamboly vokatra araka ny natiora organika ny fikambanana toy ny Ivo-toerana Kambodiana momba ny fianarana sy ny fampandrosoana ny fambolena (CEDAC)
Sarin' i Narith5 toa amin'ny Flickr and nahazoan-dalana tamin'ny alalan'ny Creative Commons.
Chhunny Chhean
Goadelopy: Hetsika ara-tsosialy vaovao
Roambitelopolo, efatrambitelopolo, eninambitelopolo ary izao dia roambidimampolo - ireo no isa manan-tantara tsy mitsaha-mitombon'ireo vondrona sendikaly, ara-kolotsaina sy vondrona niforona tamin'iny volana lasa iny sy ny taloha tany, miombona anaty teny faneva iray: Lyannaj kont pwofitasyon, dikanteny Kiriolona [Creole] ho an'ny hoe “Ndeha hijoro isika hanohitra izay rehetra endri-panararaotana”.
Tao anaty hetsika ara-tsosialy mafampàna i Goadelopy efa ho herinandro iray eo ho eo izao taorian'ny antso avo nataon'ny UGTG [Fr], vondrona sendikaly miaro ny zon'ny mpiasa Goadelopiana. Ny hetsika dia natao indrindra hanehoana ny tsy fahafaham-pon'ny Goadelopiana taorian'ny taona maro tsy nisian'ny mangarahara amin'ny famerana ny vidin-javatra sy ny fisondro-bidin'ny zavatra ilaina andavanandro.  Dah ao amin'ny  blaogin'ny UGTG  dia manoratra manokana ho an'ireo tanora ao Goadelopy, manainga azy ireo hanokatra ny masony [Creole]:
LE 16 DÉSANM FO NOU SANBLÉ ÉPI LÉ PLI GRAN KINI LABITID LITÉ POU PEN A YO, PEN AN NOU : AN NOU KRÉVÉ BOBO LA POU 2009 GWADA PLI NÈF.
LE 16 FO TOUT JÉNES LA EN LARILA ÉPI LÉ SENDIKA ÈVÈ LÉ ASOSIASYON KILTRIREL ANSANM ANSANM POU DÈMEN PLI BEL KI JODI.
Tamin'ny 16 Desambra (08) niaraka tamin'ireo zokiolona isika, ireo izay efa zatra nitrongy mba ho velona sy ho antsika: Ndeha hofongorana ny ratsy mba hananganana Goadelopy iray tsara lavitra amin'ny 2009.
Tamin'ny faha 16, tokony ho nidina an-dalam-be daholo ireo tanora Goadelopiana, haneho fifanomezan-tànana amin'ireo vondrona sendikaly sy fikambanana koltoraly, mba ho tsara kokoa noho ny anio ny rahampitso.
Taorian'ny fanehoan-kery goavana iray, izay nitondra fientanana vaovao sy fahazavana teo amin'ny fomba fisainan'ny firenena manontolo, dia namelabelatra  ireo teti-panorony maty paika amin'ny fitakiany ireo mpiara-dia, mahakasika teboka 10 lehibe eo  ho eo [amin'ny teny Frantsay sy Kiriolona]:
1- NIVEAU ET CONDITIONS DE VIE
2 - EDUCATION
3 - FORMATION PROFESSIONNELLE
4 - EMPLOI
5 - DROITS SYNDICAUX ET LIBERTES SYNDICALES
6 - SERVICES PUBLICS
7 - PRODUCTION
8 - AMÉNAGEMENT DU TERRITOIRE ET INFRASTRUCTURES
9 - KILTI
10 - ARÉTÉ PWOFITASYON
1 - Fari-piainana sy toe-piainana
2 - Fanabeazana
3 - Fanofànana arak'asa
4 - Asa
5 - Zo sendikaly sy fahalalahàna
6 - Ny asa ho an'ny vahoaka sy ny mpiasam-bahoaka
7 - Ny asa famokarana sy fambolena
8 - Fampivoarana ny faritra sy ny fanamorana izany
9 - Kolontsaina
10 -Fampitsahàrana ny fanararaotana anay.
Ity fitakiana ity dia nalefa amin'ny  “Préfet”, sy ny  “solombavam-bahoaka“, amin'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieran'ny Varotra, ireo mpiompy ary ireo rehetra mpikambana amin'ny fiarahamonim-pirenena [société civile]. Tanjon'izy ity ny hilaza mialoha amin'ny vahoaka sy mety ho fanaingàna fitokonana tsy misy fetra, manomboka ny 20 janoary.
Nisy fotoana, maro tamin'ireo Goadelopiana no nihevitra fa ireo fitakiana 130 fehezina anatin'ireo teboka 10 ireo dia be loatra ka mety tsy hanantenana vokatra. Ireo fanamarihana ao amin'ny hafatr'i Herve ao amin'ny blaogy Fwiyapin [Frantsay & Kiriolona] no mitondra fanazavana momba ireo rehetra ireo:
[…]cette fois-ci toute cette mobilisation semble assez “fouillis”, on ne sait pas à qui les revendications sont adressées…pourquoi ne pas remonter carrément aux banques américaines ou aux compagnies pétrolières?
[…]amin'ity indray mitoraka ity, toa ‘misavoritaka' ihany ny fanaikàna: alefa amin'izay ireo fitakiana? tsy misy mahalàla!…maninona no tsy alefa amin'ireo banky Amerikana na ireo orinasa lehibe mpitrandraka solika?
Fanontaniana iray  hafa ny momba ny hahatomombana antsakany sy andavany ity hetsika goavana ity anatina fotoan-tsarotra midadasika toy izao, araka ny fanamarihana iray hafa ao anatin'io hafatra io ihany:
Tu crois vraiment qu’il obtiendrons toutes leurs revendications j’en doute fort vu que le contexte internationale… Je trouve que ces dangereux et irresponsables de faire miroiter au gens 200€ d’augmentations sur les bas salaires alors que la crise mondiale ne le permet pas.
Dia mino ve ianao fa ho azon'izy ireo izay rehetra nangatahana, tsy dia matoky loatra an'izay aho noho ny zava-misy iainana  [ny krizy]…Heveriko ho zava-doza sy fihetsika tsy tompon'andraikitra ny mampanantena ny olona hoe hahazo fisondrotan-karama hatramin'ny  200 euros ny karama farany ambany indrindra, nefa ny olana eran-tany tsy hahafahana manoatra haha-to  izany akory!!!”
Na dia eo aza anefa ireo fisalasalana ireo, ilay fanaingàna dia nahavory olona sy nalàza ihany. Sekoly, tobin-tsolika ary saika ny ankabeazan'ireo orinasa no nanakatom-baravarana efa ho herinandro iray izao, miaraka amin'ny dona goavana miantraika amin'ny toekaren'ny Nosy - saingy maro ireo Goadelopiana nanome tso-drano an'i  Lyannaj' kont pwofitasyon hahita lalan-kivoahana hahafahan'izy ireo milaza ny ahiahiny, tsy ny amin'ny anio ihany, fa ny momba ny hoavy mihitsy koa aza.
Azontsika atao ny mamaky tarehimarika tsy ofisialy navoakan'i  Shakazulu ao amin'ny Gwakafwika [Hiriolona], izay mitatitra momba ny hetsika voalohany tamin'ny 20 janoary (toy ireo tamin'ny faha 23 sy 24 janoary) ary avy amin'i Zandwonis ao amin'ny  Carib Creole One [Fr]:
Manifèstasyon Lapwent chayé omwen 10 000 moun! I pli masif ki dènyé fwa-la. Ève on gwan manman mobilizasyon kon sa, nou ka atann pou nou vwè.
Sanmdi Lapwent plis ki 25 000 moun adan gwan manman manifèstasyon-la. Dimanch toujou Lapwent plis ki 40 000 moun adan gwan déboulé a “mas a konsyans”.
Nisy teo amin'ny 10 000 ny olona nandritry ny hetsika tao Pointe-à-Pitre! Be lavitra noho ny tamin'ny teo aloha. Miaraka amina hetsika goavana tahaka izany, miandry izay ho valin-kafatra isika [avy amin'ireo mpitondra].
Tamin'ny Sabotsy, maherin'ny 25 000 ny olona tonga nirohotra naneho hery tao  Pointe-à-Pitre ary ny Alahady, mbola tao  Pointe-à-Pitre ihany, maherin'ny  40 000 ireo vahoaka tamin'ny filaharam-be sy hetsika ara-kolontsaina nantsoina hoe “mas a konsyans” (filatroana ho fanairana ny fahatsiarovantena).
[Samedi 24 janvier 2009] Au moins 20 000 personnes ont défilé dans les rues de Pointe à Pite à l’appel du “Collectif Lyannaj Kont Pwofitasyon” (CLKP). Les médias officiels ont annoncé plus de 8 000 manifestants. Dans l’histoire de mouvements ouvriers guadeloupéens, c’est bien la première fois qu’un mouvement social suscite une adhésion aussi massive.
[Ny sabotsy, 24  Janoary 2009] Raha kely indrindra dia 20 000 ireo olona tonga naneho fanoherana teny an-dalam-be tao  Pointe-à-Pitre taorian'ny antson'ny  “Collectif Lyannaj Kont Pwofitasyon” (CLKP). Ny vaovaom-panjakana dia nilaza fa teo amin'ny 8000 teo ny olona. Raha teo amin'ny tantaran'ny tolon'ny mpiasa Goadelopiana hatrizay, sambany no nisy hetsika ara-tsosialy goavana sy nahavory vahoaka toy ity.